Agora

1. hery ( 28/06/2010 14:55)
Nanaitra kely ahy ity film Agora ity. Tsy miresaka ny votoatiny ara-tantara aho satria film milaza tantara rehetra dia marina tapany ihany ilay izy. Fa amin'ny ankapobeny dia mahalasa saina hoe tsy vao izao ity olan'ny fiaraha-miain'ny samy hafa finoana ity. Kristiana, jiosy, ejipsiana no nifampitady tao amin'ilay film... ary mahavaky fo no mieritreritra hoe nisy koa ny "Kristianina mahery fihetsika" tamin'izany fotoana izany.

Raha mahaliana anao izany dia jereo ilay izy :-)

novalian'i soanja ny 29/06/2010 16:41
2. soanja ( 29/06/2010 16:41)


Nanaitra kely ahy ity film Agora ity. Tsy miresaka ny votoatiny ara-tantara aho satria film milaza tantara rehetra dia marina tapany ihany ilay izy. Fa amin'ny ankapobeny dia mahalasa saina hoe tsy vao izao ity olan'ny fiaraha-miain'ny samy hafa finoana ity. Kristiana, jiosy, ejipsiana no nifampitady tao amin'ilay film... ary mahavaky fo no mieritreritra hoe nisy koa ny "Kristianina mahery fihetsika" tamin'izany fotoana izany.

Raha mahaliana anao izany dia jereo ilay izy :-)




Misaotra Hery fa tonga dia hitako fa ho tiako ilay film. Tsy nahatazana an'io film io taty aminay aho am big screen fa aleo jereko sao mety mandeha netflix ilay izy.

Mino mihitsy aho ry Hery fa tsy niparitaka toy izao ny fivavahana Xtianina sy ny Silamo raha tsy nampiasa hery tsy azo ivalozana, hafetsena ary indrindra fanaparam-pahefana tafahoatra.

Mafy anie ny mamaky ny tantaran'i Madagasikara fotsiny ny momba ny fanapariahana ny finoana.

Atao ahoana anefa fa izay no lahatry ny tantara ary tsy misy omen-tsiny satria izay no takatry ny sain'olombelona tamin'izay.

Isika amin'izao no afaka manitsy hatrany diantsika hifanjohy amin'ny tena finoantsika ao anaty sy ny ampiarina antsika fa mahasoa sy sakafom-panahy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4202