Afaka manao fety sambatra na tsy miaraka amin'ny HAT aza

1. hery ( 26/06/2010 06:23)
Dia miarahaba ny Malagasy nahatratra izao faha 50 taonan'ny nanomezana an-taratasy ny fahaleovan-tena izao.

Azo atao tsara ny manao fety na dia tsy hiaraka sy tsy hanatrika ny fetin'ny HAT aza. Ahoana tokoa moa no hiaraka hanao fety raha tsy olona efa mihavana sy mifankatia? Hanao fety ianao kanefa gadrainy ny havanao, hidiny ny radio fihainonao, samboriny ny namanao... ianao anefa antsoiny hanao fety miaraka aminy.

Mety mahavita fety goavana sy makotroka izy. Tsy mampaninona izany satria azy ny vola sy ny bois de roses. Fa ianao kosa raha tsy mankasitraka izay ataony dia aza manaiky ny mena miraviravy. Robarobain'ny mpanana. Aleo ravim-bomanga tsy arahin-dromoromo toa izay sakafo be arahin-datsa.

Tandremo sao ataony fitaovana ianao. Notambatambazany an'izao rehetra izao hanatrika ny fety karakarainy, dia avy eo lazainy eran-tany fa nanaiky sy nakatò azy. Faly ery izy hampiseho sary hoe an'aliny no nanatrika izany... ary anisany ianao.

Koa manaova fety sambatra ary, mba ho tena sambatra tokoa anefa fa tsy arahin'ny feon'ny fieritreretana.
novalian'i terrywui ny 27/06/2010 14:00
2. terrywui ( 26/06/2010 09:01)
Aza terena ankolaka toy izao ny ankizy ry Hery fa aleo izy hifety a! rehefa tsy hano hianareo de hano ho anareo irery ny ravimbomanganareo fa aleo ny ankizy ato amin'ny serasera hamono vorontsiloza e ....
3. tsimendrika ( 26/06/2010 09:11)


Aza terena ankolaka toy izao ny ankizy ry Hery fa aleo izy hifety a! rehefa tsy hano hianareo de hano ho anareo irery ny ravimbomanganareo fa aleo ny ankizy ato amin'ny serasera hamono vorontsiloza e ....


Terrywull
Ny fahitako azy r'ise dia izao an, tsy manery mihintsy i Hery fa kosa maneho ny fomba fijeriny. Ary izany fomba fijeriny izany dia tiany hozaraina ho an'ny rehetra. Amiko dia tsy misy ny hevitra diso fa ny fomba fijery no mety ho samihafa.
Ny fanaovana fety aloha dia tena manao tokoa ny tsirairay, saingy ny fomba hanatanterahany azy no mety tsy mitovy.

Dia mirary soa daholo.
ILAY TSY MENDRIKA
4. milamm ( 26/06/2010 15:26)
ka le fety aloha tsy oe ny fat no mikarakara azy de azy fa any Malagasy tsivakivolo e , raha misy 5000 voavidy ho tonga eny tsy midika akory izay oe Malagasy rehetra io aza mbola tsy azony terrywui akory ,tsy momba an'i Hery za fa atsipy ny teny any ampon'ny mahalala hoy ny fiteny ary marna ny voalazany zoky Hery eto
5. terrywui ( 27/06/2010 14:00)
milelalelaka an'i hery eo kou malamm ssssshhh efa hita fa mitenteny fona kou zoky hery a zoky hery !.... zavatra haniraka oul hanota ve de ho tsara ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2388