Miarahaba antsika rehetra!!
1. maeva74
(
25/06/2010 09:24)
Samy tia Tanindrazana avokoa isika rehetra. Tsy resa-politika akory fa vetsom- pahatsiarovana ilay Nosy mamy ihany.
Miarahaba antsika Malagasy tsy vaky volo! Tratry ny ASARAMANITRA daholo
Gasikarako!
Ianao ilay tany niaviako,
Tanindrazako lalaiko
Ianao ilay tany mamiko,
Ihanjadian´ny fahoriana
Eny, ao koa ny fijaliana
Hivavaka aho mba ho anao,
Mba hitondra fahafahafana
Izao fotoana izao.
Tsy misy azoko atao
Hampitony ny hirifirinao
Ny hany azo atolotro
Dia ny vetsoko , ny soratro
Ianao no andrandraiko
ka ho karakaraiko
Ianao ilay tany masiko
Ho avin´ny taranako
Na nisalotra ny fiavian´ny hafa aza aho
Dia tsy hoe akory rehareha izany
Nandao anao tsy satry aho
Nohon´ny fitadiavana hatrany
Ny foko sy ny fanahiko
Tsy mitsahatra ny mivetso ho anao
Amin´izao ora hikaloko izao
Madagasikara, tsy atakaloko an´iza ianao
Izaho efa anao
Raha nandao anao aho
Sanatria, tsy foana ny fitiavako
Ianao ilay tany masina sy lazako
Tanindrazako tsy foiko, voahasina
Tany nahalatsahan´ny tavoniko
Teraka aho Malagasy , maty aho Malagasy
Na dia hoe " Vazaha taratasy"
Ianao no fiandohako
Ary ianao koa no mbola ho fiafarako
Ry Madagasikara!! TANIKO
Nandrianina Maevatiana
Miarahaba antsika Malagasy tsy vaky volo! Tratry ny ASARAMANITRA daholo
Gasikarako!
Ianao ilay tany niaviako,
Tanindrazako lalaiko
Ianao ilay tany mamiko,
Ihanjadian´ny fahoriana
Eny, ao koa ny fijaliana
Hivavaka aho mba ho anao,
Mba hitondra fahafahafana
Izao fotoana izao.
Tsy misy azoko atao
Hampitony ny hirifirinao
Ny hany azo atolotro
Dia ny vetsoko , ny soratro
Ianao no andrandraiko
ka ho karakaraiko
Ianao ilay tany masiko
Ho avin´ny taranako
Na nisalotra ny fiavian´ny hafa aza aho
Dia tsy hoe akory rehareha izany
Nandao anao tsy satry aho
Nohon´ny fitadiavana hatrany
Ny foko sy ny fanahiko
Tsy mitsahatra ny mivetso ho anao
Amin´izao ora hikaloko izao
Madagasikara, tsy atakaloko an´iza ianao
Izaho efa anao
Raha nandao anao aho
Sanatria, tsy foana ny fitiavako
Ianao ilay tany masina sy lazako
Tanindrazako tsy foiko, voahasina
Tany nahalatsahan´ny tavoniko
Teraka aho Malagasy , maty aho Malagasy
Na dia hoe " Vazaha taratasy"
Ianao no fiandohako
Ary ianao koa no mbola ho fiafarako
Ry Madagasikara!! TANIKO
Nandrianina Maevatiana
novalian'i itaramasoandro ny 29/06/2010 15:52
2. terrywui
(
25/06/2010 10:09)
kay varee.....be ndray zany no ho goaka vody se apitso ko inona ndray ary !!!...



hianareo mou zany no mitady rahapitso kou inona mou no azoko atao fa de pan pan pan pan pan !!.... miala tsiny !!!
hianareo mou zany no mitady rahapitso kou inona mou no azoko atao fa de pan pan pan pan pan !!.... miala tsiny !!!
4. rijadolly
(
25/06/2010 13:23)
Misaotra Maeva74 a! tena marina ny filazanao azy, Tsaroanao ny fahorian' Malagasy,
Tena marina tokoa io lazain' Terrywui io aty Madagasikara amin' izao, mihatra am- bava basy tanteraka ny Tena Malagasy izay mitaky ilay FAHAFAHANA TENA MARINA.
http://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/tanindrazako
Tena marina tokoa io lazain' Terrywui io aty Madagasikara amin' izao, mihatra am- bava basy tanteraka ny Tena Malagasy izay mitaky ilay FAHAFAHANA TENA MARINA.
http://vetso.serasera.org/tononkalo/rijadolly/tanindrazako
5. maeva74
(
25/06/2010 13:38)
Mankasitraka anareo rehetra e!
MANAN-JO HO RAVO ISIKA
Aza avela hiatsampy lavitra intsony
Ny ara-masonao tia kira kanto
Fa efa eto a-Nosy tokana aman-tany
Ilay sady tokam-po no manan-doko sesehena.
Fotsy-mena-maitso
No lokon-dreharehany
Loko telo izay mibaiko
Ilay "fihavanana " irehany.
-Ry Nosy tian'ny nofinofiko
va, tsy manan-jo ho ravo isika?
Tsy voafinefiko ny foko tia mihira fa nitafa
Rehefa tojo izato sandratr'androny tsy fahita an-tany hafa
Na rehefa mifanao veloma amin'ilay masoandro arefarefany
Izay manafosafo mora ny faratazana eny andrefany!
-ô! Manan-jo ho ravo isika
Ry Nosy tian'ny nofinofiko
Tsikikely no isalorany
Fitiavana no itafetany!
Aminy, ny fahatsorana
No lavorary, ifinaretany!
Meva
MANAN-JO HO RAVO ISIKA
Aza avela hiatsampy lavitra intsony
Ny ara-masonao tia kira kanto
Fa efa eto a-Nosy tokana aman-tany
Ilay sady tokam-po no manan-doko sesehena.
Fotsy-mena-maitso
No lokon-dreharehany
Loko telo izay mibaiko
Ilay "fihavanana " irehany.
-Ry Nosy tian'ny nofinofiko
va, tsy manan-jo ho ravo isika?
Tsy voafinefiko ny foko tia mihira fa nitafa
Rehefa tojo izato sandratr'androny tsy fahita an-tany hafa
Na rehefa mifanao veloma amin'ilay masoandro arefarefany
Izay manafosafo mora ny faratazana eny andrefany!
-ô! Manan-jo ho ravo isika
Ry Nosy tian'ny nofinofiko
Tsikikely no isalorany
Fitiavana no itafetany!
Aminy, ny fahatsorana
No lavorary, ifinaretany!
Meva
6. terrywui
(
25/06/2010 14:39)
manakorotàna eo mahamasina eo anga mou e!! hoooouunnn tonga de 

defa mba milaza ah fa ataovy eo iany io di-doha benaro Mpanohitra sy mpiondana io ange eeee
defa mba milaza ah fa ataovy eo iany io di-doha benaro Mpanohitra sy mpiondana io ange eeee
8. terrywui
(
25/06/2010 15:09)
ny voatifitra amin tongotra akory tsy mamono oul ! hery fa nenareo ny hamono oul otran'ny fataon'i dada foana !....
10. tsimendrika
(
26/06/2010 09:47)
Isaorana ianao Maeva, ary ny toy izany no tokony hiainantsika androany 26 jona tontolo andro, fa aoka mba ampirimina kely ilay fifandranitana sy ilay fifampihantsiana fa tena tsy ahitam-bahaolana io.
FIFAMELANA izany no tokony ataontsika rehetra manomboka izao, sa ahoana hoy ianareo ?
Dia mirary soa daholo, ary samia manao fety sambatra.
ILAY TSY MENDRIKA
FIFAMELANA izany no tokony ataontsika rehetra manomboka izao, sa ahoana hoy ianareo ?
Dia mirary soa daholo, ary samia manao fety sambatra.
ILAY TSY MENDRIKA
11. gassmilay
(
29/06/2010 15:41)
MAEVA[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Respect/aplausos.gif[/IMG][IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Respect/aplausos.gif[/IMG][IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Respect/aplausos.gif[/IMG]
12. itaramasoandro
(
29/06/2010 15:52)
MAEVA
mahafinaritra ny fihetseham-ponao ary ny mahita fa lalimpaka ny fitiavanao ny fihavianao.
tsy toy ny tahakan'ny terriwui, izay mahagaga aza fa omen'ny mpandrindran'ny serasera vahana @ fampiasàna fiteny maloto tsy misy fiheverana na fanajàna ny hafa.
aiza re ilay fitsipi-dalao e??
