SAKAFO MAMPAVENTY HAINGA NEFA TSY MAMPARARY

1. RAVJERGA ( 24/06/2010 11:22)
Inona no sakafo na fanafody na tambavy na zavatra hafa mampaventy vatana haingana nefa tsy manimba fahasalamana, ary tsy misy effet secondaire.
novalian'i guant ny 19/05/2011 05:59
2. soanja ( 28/06/2010 08:24)
Ny sakafon-tsaina antsoina hoe "Fitoniana sy Filaminana" no mampahazo aina indrindra sy mahasalama. Ny ankoatr'izay dia ny fikojakojana ny vatana amin'ny sakafo ilaina rehetra mampiodina azy ara=dalana, indrindra ny sakafo feno: atody, ronono tsy matavy loatra, ireo voan-javatra toy ny voanjo katra, ary ny sakafo mitondra hery fiasana toy ny vary mena ary ny voamaina isan-karazany.

Alohan'izay rehetra izay anefa dia mila fantarinao hoe inona no mampahia anao? sao aretina. Mila mijery dokotera mitily ny rehetra: ra, fo, aty, afero, tiroida sns sns... Satria na misakafo tsara aza ianao ka misy tsy mahasalama dia mbola miferotra ny sela tokony ho salama.

Ny olona tsy manan'aretina dia tokony hitombo tsara raha ampy sakafo sy mikoja vatana tsotra tsy misy fidiran'ny zavahadomelina sns sns.... maro.
3. soanja ( 28/06/2010 08:28)
Naika hadinoko. Aza hadino ny misotro rano matetika satria ny rano no mampanome aina ny sela hitombo sy hotomombana tsara hanana ny asany. Raha miloko ny pipianao dia tadidio fa tsy ampy rano izay ny selanao. Aina ny rano!
4. vale ( 16/07/2010 22:13)
Betsaka ihany ny sakafo mapavaventy, ny haingana dia finanana hena am quantité be, tsy matavy akory fa hena nofony , raha ampianao fécules vao mainka tonga dia maha vaventy be , vary, ovy, etc...ataovy be quantité hatrany! lol
5. belakely ( 30/07/2010 09:10)
lango soja atao dite dia hoanina amin'ny mofodipaina efa rasy
6. xxxy ( 10/08/2010 16:57)
thb sotorina sady tsy misy effet secondaire izany ankoatra ny diziny be

7. ledala ( 21/10/2010 23:46)
ny filaminan-tsaina, fahatoniana ( asiana fotoanany ny zavatra rehetra: eto resaka asa ranofotsiny, eroa fiainanao manokana, etsy ny hafa, ...tsy avela hifangaro ) , ny fahasalamana, sakafo tsara ( ampitomboina ny sakafo mahazatra, rano) ny torimaso ampy , tsy fandraisana zava-mahadomelina( sigara = mampalai-komana, ....) asiana fampiasam-batana kely
8. guant ( 19/05/2011 05:59)
nga tsy misy fanafody na akotrany manala zany stress ankotran'ny maka rivotra alohan'ny hinanana kaly be!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2352