Hifaly miaraka izahay raha tsy foza no eo

1. xxxw ( 23/06/2010 00:02)
Raha manana saina ny foza fa tsy maloto an-doha dia mba fetsifetsy , nahay nanambitamby fom-bahoaka ary namotsotra ny gadra ara-politika ,ny journalistes,sns fa tsy manao tery vaimanta fotsiny, ary minoa ahy fa tsy nisy mpitazana io fetim-poza io raha tsy nanafatra mpanankato ry zalahy
répondu par ouioui le 24/06/2010 08:55
2. tontonsola ( 23/06/2010 13:25)
Hankalaza ny faha 50 taonan’ny fahaleovantena ny Malagasy nefa 50 taona’ny fanjanahana amin’ny endriny ankolaka satria mbola maro tamin’ny ireo mpitondra no mbola miasa hoan’i lafrantsa.
.
Tsiahivina kely eto ny lasa fa tamin’ny 1895 dia tafiditra teto Antananarivo ny tafika frantsay rehefa avy nampisaratsaraka ny Malagasy, ka namboly ny adi-poko teo amin’ny avy eto anivon’ny tany sy ny tany anindrana. An’isan’ny : malaza tamin’ny izany moa ilay natao hoe kapiteny Ransajany, olona nanana toerana teo amin’ny tafika Malagasy nefa nivarotra ny tanindrazana tamin’ny frantsay, ny frantsay kosa, raha vatany vao tonga teto Antananarivo ny tafika frantsay dia nitifitra tafondro ny Rovan’ny Manjakamiadana. Nilavo lefona ny mpanjaka Ranavalona III, ary nandohalika sy nifona. Izay fomba tsy fanao ary manala-baraka ny Ambanilanitra. Ankaterena moa no nitranga ka niaraka tamin’ny kapiteny Rasanjy ny tafika frantsay niakatra teny amin’ny rova, ka nanao izany fanalam-baraka ny Mpanjaka izany. Taorian’izao moa dia Amboletra sy fanerena no natao tamin’ny praiminisitra Rainilairaivony sy ny mpanjaka hilaza amin’ny vahoaka fa tsara ny frantsay sy ny fitondrany ary ratsy ny Malagasy sy ny momba azy. Ny tohin’ny tantara moa dia 64 taona tao anatin’ny mangidy, fanambaniana, fanandevozana, famonoana, fanopoana vazaha, ary fanimbana ny maha Malagasy.
.
Izay tsiahy fohy teo amin’ny tantara izay dia mbola hampiasan’ny frantsay amin’ny izao taona 2010 izao. Ny datin’andro sy ny anaran’olona fotsiny no miova… Ny maha samy hafa azy kosa dia isika amin’ny izao fotoana izao dia afaka manova ny fizotry ny tantara. Afaka manakana ilay fifanarahana fiaraha miasa na «accord de coopération» mandritra ny 50 taona isika. Eto ampelan-tanantsika ny fahefana manova na tsia izany.
.
Roa no safidy:

Voalohany, olonana tsy nofidiantsika no hitondra, ary hotapenam-bava amin’ny fomba rehetra izay manohitra, ny tranom-barotra frantsay sy ireo mpiara mitsikombakomba aminy no hijoro, hitohy hatrany ilay 50 taona ny fahaleovantena saritsariny, ary ny herim-pamoretana no hijoroan’ny mpitondra. Fa tsy misy hasim-bahoaka azo avy amin’ny fifidianana.
Faharoa, dia manana ny fiandrianany i Madagasikara, afaka misafidy malalaka izay tiany ho filoham-pireneny ny Malagasy, ary afaka misafidy ny firenena izay tiany hiarahana hiasa ny Malagasy. Ho afaka maneho hevitra ny Malagasy ka tsy hisy intsony izany ataohoe gadra politika. Ary tsy hijery afa-tsy ny fandrosoana ao anaty fanarahan-dalàna ny Malagasy.
.
Ry Malagasy, aoka isika tsy ambakan’ny hafa, ireo tany Afrikanina toa an’i Afrika atsimo, Nosy Morisy, Egypta, Ghana… sy ireo tany aziatika toa an’i Malezia, Singapour, Brunei, Thailand, Indonezia, izay tena niala mazava tamin’ny mpanjanaka ary tsy nijery afatsy izy fampadrosoana ny tany ka tena nahita fahombiazana. Isika Malagasy dia tena eo afovoan’ireo sady Afrika no Azia. Anjarantsika izao no miala tantraeka amin’ny ilay Frantsay mpanjanaka ka hitodi-doha amin’ny fandrosoana.
.
Ka izay manakana antsika amin’ny izany dia fahavalom-pirenena ka tsy maintsy fongorina.
.MYDAGO
ANAO NY SAFIDY, HANAIKY FANGENJAN’NY FRANTSAY MPANJANAKA SA TSIA ?
3. ouioui ( 23/06/2010 14:09)

Ry Malagasy, aoka isika tsy ambakan’ny hafa, ireo tany Afrikanina toa an’i Afrika atsimo, Nosy Morisy, Egypta, Ghana… sy ireo tany aziatika toa an’i Malezia, Singapour, Brunei, Thailand, Indonezia, izay tena niala mazava tamin’ny mpanjanaka ary tsy nijery afatsy izy fampadrosoana ny tany ka tena nahita fahombiazana. Isika Malagasy dia tena eo afovoan’ireo sady Afrika no Azia. Anjarantsika izao no miala tantraeka amin’ny ilay Frantsay mpanjanaka ka hitodi-doha amin’ny fandrosoana.

EFA NOVINGAVINGAIN'NY FRANTSAY DIA MBOLA MIDI-KIZO IHANY NY FOZA,R8 IHANY NO TENA TSY LEVON'NY FRANTSAY E
4. terrywui ( 23/06/2010 14:28)







INDRISY RY NOSY MAMIKO FITIAVAN-TENA TAFAHOATRA VE NO HANIMBAZIMBANA NY FIANDRIANANAO ?


aiza ny maha-izy anao ry Gasikarako ? terena tsy hanome voninahitra anao ny vahoakanao !! an'iza ny tsiny ? an'iza ny tody ? an'ireo mpaniraka ve ? sa ho an'ireo tsy manatanteraka ?

---TSY AN'NY HAT ANEFA NA AN'NY 3MV NA AN'NY MPANOHITRA NA AN'NY FRANTSAY I M/CAR IZAY AETRY VONINAHITRA ANKEHITRINY
5. ouioui ( 23/06/2010 15:20)
AIZA NY NOSIN'IALAHY ??? IZANY VE TSY OMPA HO AN'NY TANINDRAZANAY ??? IMPIRY IALAHY TETO NO MITOMANY LAVA HOE TGV=FRANCE ??? MBA MISAINA RY PAPA A
6. terrywui ( 24/06/2010 07:33)
ARY TSY MIPETRAKA ATY M/CAR MARINA ELAH RY OUIOUI DE TSY MAHATSAPA MIHITSY NY HASIN'NY TANINDRAZANA TSY HANKALAZAINA IO AN ? FALY ERY NAREO FA AVELA HIONDRIKA INDRAY I M/CAR AMINZAO FETINY NAHAZAHOANAY FAHALEOVANTENA IZAO ......
7. ouioui ( 24/06/2010 08:55)
SAMBORY TGV MPAMADIKA TANINDRAZANA, MPAMONO MPIRAY TANINDRAZANA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.068