Tsy hankalaza 26 Jiona 2010?

1. hery ( 20/06/2010 14:08)
Raha toa tsy hankalaza ny 26 jiona 2010 ianao dia aza manaiky tsindriana amin'ny hoe tsy tia tanindrazana. Tahaka ny grevy rehetra io. Rehefa misy ny grevy dia tsy miasa na dia te hiasa aza. Tsy hoe tsy fitiavana ny orinasa iasanao na tsy fitiavan-tanindrazana ny grevy. Vao mainka aza fitadiavana ny tsaratsara kokoa.

Koa raha tsy hankalaza ny 26 jiona karakarain'ny HAT ianao dia eritrereto ho toy ny grevy. Satria ny HAT no mikarakara dia aza mandray anjara. Fa afaka mankalaza any antrano amin'ny vorontsiloza (raha mbola mahatakatra) sy haricots verts. :-)

Dia asehoy fa endriky ny fitiavan-ntanindrazana koa ny tsy fankalazana ny fety karakarain'ny HAT
novalian'i ouioui ny 22/06/2010 10:45
2. koula ( 20/06/2010 17:04)
Samy manana ny fomba fanehony ny fitiavana ny tanindrazana e ,tsy zai rhetra managntsain akory no tia an' i Dago fa zai mintsinjo ny ho aviny.Fanjaka tsy aradalana io ka za tsy hankalaz rhf tonga Dada d manangana a ,fa hoaniko ny kaly b @ io kusa alou e !!!!
3. xxwx ( 20/06/2010 23:49)
Olona roa no maty nodomin' ny FATY tetsy Antanimena , dia fety foana fety foana tsy aleonay miombon-kalahelo @ ireo sy ny novonoiny, nogadrainy,
4. falimanana ( 21/06/2010 08:39)
FAT nalika !tsy misy fety zany zao fa MISAONA ny gasy !!!
asa raha tafiditra ao andohan'ireo MATIMBOLA sy VONINAHITRA ireo zany!!
TSY MISY FETY VANONA izany fa MALAHELO ny MALAGASY!zo n'ny MALAGASY zany!
5. terrywui ( 21/06/2010 09:04)
FANITSAKITSAHANA NY FIANDRIANAMPIRENENA IZANY HERY SATRIA TSY AN'NY FAT AKORY NA AN'NY MPANOHITRA IRERY I MADAGASCAR A
6. terrywui ( 21/06/2010 09:23)
Hery ...









7. hery ( 21/06/2010 10:08)
Rehefa migrevy dia migrevy.

Ny Ekipa frantsay @ baolika kitra izao, na dia mety hoe mikasika ny fiandrianam-pirenena aza ny vokany, dia nigrevy satria manohitra ny nataon'ny Federasiona. Ny vokany lavidavitra kokoa no nojereny. Hoe amin'izay dia tonga saina ny Federasiona dia manova famindra na miala mihitsy.

Toa izany koa. Raha tsisy manangantsaina, sy tsisy mankalaza ny fetin'ny FAT, dia ho fantatry ny FAT hoe kay tsy manaraka azy daholo ny vahoaka rehetra...

Tsy misy fomba hahafahan'ny vahoaka mampiseho izany tsy fankasitrahana ny FAT izany mihitsy mantsy. Raha milahatra dia tifirina sy samborina. Raha miteny amin'ny Radio dia hidina ny radio. Ny fifidianana moa ity tsy mety tonga mihitsy. Koa izay fomba hita fa mety no atao.
8. swann ( 21/06/2010 10:21)

Ary le "fanitsakitsahana ny Fiandrianam-pirenena sy ny Voninahim-pirenena " zany ahoana ?

satria "SADY TSY AN'NY FAT NO TSY AN'NY MPANOHITRA I MADAGASCAR SY NY FIANDRIANAM-PIRENENA "

sa ny FAT no mano ny ataony de ny Vohinahim-pirenena sy ny "maha-izy azy " no aetry ?
9. swann ( 21/06/2010 10:29)

- Mialohan'ny nareo hanaonao foana dia ny "voninahitry ny firenena aloha jerena zay vao ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-tseza sy ny fitiavam-boninahitry ny tena manokana !!
-fety an'ny rehetra io ary itarafan'izao tontolo izao ny firenena sy ny maha izy azy !!!
ary na hiala teo aza ny FAT sy ny TGV defa misy holatra hipetraka aminareo eo ra nareo no ho eo hoe ireo le Malagasy tsy nanaja ny tanindrazany sy nanosihosy ny Fireneny !! MBA ASIO ERITRERITRA fa ts miainga am tsy fitiavana be fahatany fotsiny sy fankahalana be fahatany fotsiny !.....
10. hery ( 21/06/2010 10:35)
Tsy vitan'ny vahoaka irery ny mijery ny voninahitry ny firenena. Modely voalohany amin'izany ny HAT. Raha izy ireo aza tsy miraharaha intsony izany fiandrianam-pirenena izany, dia tsy afaka mieritreritra izany intsony ny vahoaka.

- Maninona no tsy misy resaka fiandrianam-pirenena rehefa nohosihosena ny safidin'ny vahoaka naseho tamin'ny fifidianana (filoham-pirenena, solombavam-bahoaka, sy ireo olom-boafidy isan-tsokajiny)?
- Maninona no tsy misy resaka fiandrianam-pirenena rehefa antsoin'ny Vondrona Iraisam-pirenena hiverina amin'ny constitution ny fitondrana?

Ny TENA maha firenena ny firenena iray dia ny Lalam-panorenana (fa tsy sainam-pirenena na fetim-pirenena). Ka ny tena fijerena ny fiandrianam-pirenena sy ny voninahim-pirenena dia ny fiverenana amin'ny Lalam-panorenana fa tsy ze fety sy saina.

- Ary raha misy olona maty ve ao amin'ny fianakavianao dia voatery hanao fety ianao ho fanajana ny voninahi-pirenena??? Misaona ny Malagasy amin'izao satria maty ny safidiny. Koa hajao ny fisaonan'ny olona.
11. terrywui ( 21/06/2010 11:07)
--Misaona ny Malagasy hoy ianao satria maty ny safidiny ? --- safidin'iza ? safidin'ny malagasy ve ny niakarandravalomanana teo tam 2002 ?

--alahelon-dratsiraka amantaona ny nanoinganany azy tamin'ireo salan'isa mbola tokony hanaovana 2é tours fa tadidio ny tantara !!
--ary hoy ny Fiteny hoe : izay nanongana de mbola haongana !!!!!!


ka tonga amin'ny todinle teny izao ka tokony tsy himenomenona be tsony
12. terrywui ( 21/06/2010 11:12)
-ary tadidio koa fa ny fifidianana talohan'io niakaran'ny TGV io dia ny fifidianana MAIRE izay nahazahoan'ny TGV 65% na tokony ho 85% raha tsy nisy hala-bato ka tsy nisy alahelo hiainga izany mihitsy tamin fitondrana teo aloha satria tena ny vahoaka mihitsy no nanapoaka azy teo
13. Noue ( 21/06/2010 13:10)
ny anay aloha dia manangana saina izahay saingy SAINA MISAONA
14. terrywui ( 21/06/2010 13:34)
aahhh .... izany ahay ry Noue !! merci amin'i toi alou amzay fa efa mba nanangana saina i Noue ! elah kou ndraindray ry Noue mba tena mahafinaritra mitsy ny valiteny e
15. ouioui ( 21/06/2010 15:00)
Ny anay koa aloha dia izay e, mpiray tanindrazana firy no vonoina s'y gadraina dia hifaly ve fa mamerina ny fanaon'ny mpanjanaka nefa 50 taona lasa izay??? Aiza izay faleovantena @ izany??
16. koula ( 21/06/2010 16:53)
Fety mtorona io e
17. fijo ( 21/06/2010 22:03)
raha mba ho tonga saina amin'izany moa ny HAT?????
18. Miguele33 ( 22/06/2010 06:06)
terrywui - stop spamming please

[URL=http://s04.flagcounter.com/countries/3DIf][IMG]http://2.s04.flagcounter.com/count/3DIf/bg=FFFFFF/txt=FFFFFF/border=FFFFFF/columns=1/maxflags=1/viewers=0/labels=1/[/IMG][/URL][URL=http://s01.flagcounter.com/countries/fcPpr][IMG]http://2.s01.flagcounter.com/count/fcPpR/bg=FFFFFF/txt=FFFFFF/border=FFFFFF/columns=1/maxflags=1/viewers=0/labels=1/[/IMG][/URL]
19. ndotofetsy ( 22/06/2010 08:06)
aleo misotro toaka gasy de matory avy eo satria noana

sniff
tchroufff

de moly kely

20. terrywui ( 22/06/2010 09:53)




ITY NY LOGO ATSIKA O
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1027