Taombaovao Malagasy

1. infiny ( 18/06/2010 10:47)
Saika mba anontany izay mahalala hoe firy ny datin'ny taombaovao manaraka (2011, raha efa fantatra!!). Misy fomba fanisana azy io ve sa tsy maintsy mpanandro vao mahalala azy? Raha fehezina misy calendrier malagasy raikitra ve mandeha any fa vitsy mpahalala satria saron'ny gregorien? Mba andefaso izay manana e :)
2. Hary_RHN ( 21/06/2010 02:54)
Ny Taombaovao manaraka dia ny 3 aprily 2011 amin'ny 5ora33mn hariva. Ny mpanandro no manome azy io ka fanisana volana no ampiasainy amin'izany (calendrier lunaire).
Inona moa no tianao lazaina amin'ny hoe "mandeha any" ?
Vonona hamaly aho sady faly hoe misy malagasy liana amin'ity vakoka antsika iray ity :-)
3. infiny ( 21/06/2010 13:11)
Misaotra indrindra amin'ny valin-teny. Tena mba anisan'ny tiako ho fantatra ny momba izy io satria zavatra anisan'ny mampiavaka antsika malagasy amin'ny hafa.


Inona moa no tianao lazaina amin'ny hoe "mandeha any" ?


Mihevitra za hoe sao mba misy manana ny fomba fanisana azy na ilay calendrier mihitsy raha misy ilay izy. Anefa raha ny teninao tetsy ambony dia toa tsy misy ilay izy fa ny mpanandro iany no mahafantatra io daty io. Mba tiako hampitoviana amin'ny calendrier hafa anefa izy io satria toa mitovitovy amin'ny fanisan'ny jiosy andro ka ohatra. Raha mba manana lien na hevitra momba izay ianao dia mba lazao aho. Misaotra mialoha :)
4. cartina ( 14/07/2010 14:04)
tsifantatro
5. princelove ( 16/12/2010 07:23)
Eny Ambohidrabiby no fotoana malaza hankalazana ny taombaovao malagasy ny 03 avrily 2011. Harehitra eo ny afo tsy maty ary hoentina amin'ny vohitra maro.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3773