FITAIZANA NY MASO

1. NDINDY ( 17/06/2010 10:59)
INONA NO FANAFODY NA SAKAFO NA TAMBAVY NA HAFA, HITEZANA NY MASO MBA HAMPATEZA AZY KA TSY HANAOVANA SOLOMASO VETIVETY, NA MBA TSY HANAOVANA SOLOMASO MIHINTSY ?
novalian'i soanja ny 17/06/2010 11:30
2. soanja ( 17/06/2010 11:30)


INONA NO FANAFODY NA SAKAFO NA TAMBAVY NA HAFA, HITEZANA NY MASO MBA HAMPATEZA AZY KA TSY HANAOVANA SOLOMASO VETIVETY, NA MBA TSY HANAOVANA SOLOMASO MIHINTSY ?


Manamboara jus de karoty ary io no ampisotroy ny ankizy isanandro na mihinana antsasa-karoty iray isanandro. Vitaminina A no otrikaina tianao ho azo raha hitaiza ny maso isika ara-tsakafo.

Ireto avy ny sakafo misy azy: ny karoty, ny vomanga miloko volomboasary ao anatiny, ny atinakoho sy atin'omby, ny manga sy ny zavamaniry maro hafa.

Raha hitaiza maso koa dia ilaina ny tsy hijanonana ela manoloana ecran indrindra ka manatomotra loatra ny tele na ny ordi. Mampiasa tamakoa mazava tsara fa tsy ireny mitsilopilopy ambany mandreraka maso ireny ny hazavana. Tsy mamaky boky ao anaty haizina loatra matetika fa raha vao milentika ny masoandro dia tsara mandrehitra labozia mazava na jiro. Manao meditation tsara ka na mikipy dia tena mikipy tokoa. Rehafa matory dia aoka tsy hisy tele na zavatra mipipika jiro tazana fa maizina tsara ny toerana atoriana azahoana fialan-tasatry ny vatana sy ny saina. Ary farany dia manaova solomaso miaro masoandro lalandava amin'ny fotoana mampazava loatra ny masoandro. Tsy ireny vidiana mora eny amin'ny arabe ireny fa misy filazana mihitsy hoe UV 400 na UV protection satria miaro antsika amin'ny ultraviolet izay ao anaty taramasoandro tokoa ka manimba maso raha be loatra.

Efa mihamafana ny tany ary miha manify ny sosona ozon misy koa arovy ny maso na lehibe na zaza. Ampanaovy satroka foana ny zaza raha midanika ny masoandro mba hiaro ny hodiny sy ny atidohany ary manao solomaso miaro masoandro hiarovana ny masony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2744