nelson Mandela...

1. diamondra27 ( 11/06/2010 12:15)
finoana sa efa izay no anjara.
Hatrizay dia fanirian'i Mr Mandela ny hampiray ny fotsy sy mainty sy mavo sns. Nitolona mafy teo @ fiainany izy.
Tanteraka izany ankehitriny... nefa dia izao namoy ny zafikeliny izao izy.

Izay foana izany ve ny fiainana sa finoanoam-poana izany sa lahatra.
Miombona alahelo aminy sy ny fianakaviany ny tenako.

Na dia izany aza dia midera ny herimpo sy herintsaina ananany ny tenanay. Bravo
répondu par Mpanazava le 17/06/2010 09:40
2. bor2lais ( 11/06/2010 13:00)
Tsy azoko ny tian'i diamondra27 lazaina eto : raha ny zava-bitan'i Mandela dia tsy tokony iharam-pahoriana ve izy ? Izay ve no tianao lazaina sa izaho no diso ?
3. ni81 ( 11/06/2010 14:04)
Diams a!
Efa voaozona isika tao @ saha Edena fa tsy maintsy handalo fahafatesana
4. diamondra27 ( 11/06/2010 15:47)
bor2lais:non tsy izany ka , fa hoe: ny faniriana an'olombelona dia ny didy an'Atra
izany hoe: na dia naniry tahaka ny inona aza i Mandela, nampihavana ny olona, apartheid,nahazo liberte, naniry ihany koa mba hoe any aminy no misy ny coupe du monde = firaisan-kina fa tsy misy ady= sport iraisan'ny firenena rehetra, dia izao voan'ny fahavoazana izao tsy afaka nanatrika ny ouverture.
Ka ny fanontaniako dia hoe: misy ve karazan'olona izany tsy maintsy mandia zavatra mafy toa izao foana amin'ny fiainany sa fifandrifian-javatra.

----------------------


ni81: eny e, marina fa ny fahafatesana no fahavalo farany horesentsika , fa na dia izany aza, tsy hoe manome tsiny an'Atra aho hoe maninona no tsy niandry 1j de plus fa efa izay ilay fotoanany moa ka atao ahoana, amintsika mpino io
fa raha ho an'ny tsy mpino dia afaka lazaina koa izany hoe izay ny prix A payer.
Ohatra hoe: raha misy olona teraka any ho any dia tsy maintsy na matetika misy maty ny fianakavian'ilay olona io = aina solon'ny aina
ary koa ny takalon'ilay voeux-n'i Mandela izany eto dia iny fahafatesan'ny arriere petite fille-ny iny. Somary henjana ihany ilay fitsapana.
dia amintsika izany finoananoam-poana sa fifandrifian-javatra io mahazo azy io?.

5. maryline ( 11/06/2010 15:52)
Ny fiainan- janak' olombelona dia feno misitery " ao ny faharatsiana, ny tsy rariny ravahan' ny hetraketraka isan- karazany" ao ambadiky ny tsiky no misy ny tomany , ao ahorian' ny masoandro ny orambe mivatravatra, ary valim- p'dinana fiakarana. Tsya hay ny avoaky ny ampitso
Mirary fiadanana ho an' ny fanahiny
6. niryna ( 11/06/2010 19:33)
marina izany ry maryline.Misy mitondra ny mangidy ary misy kosa ny mamy no azony mandra-pahatongan'ny fahafatesana.Ny tsy tokony ataontsika fotsiny dia ny fanomezana tsiny amin'Atra isaky ny misy zavatra mahazo antsika,mila misaotra azy eny fa na mangidy aza indraindray satria ao anatin'iny fahoriana iny no misy zavatra mety am-pianarany antsika.Hevitra io
7. Mpanazava ( 15/06/2010 05:29)
« Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra fa amin’ny firenena rehetra , izay olona mahatahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany » (Asa 10 :34-35)
Tokony hieritreritra ary hoe na dia Andriamanitra aza tsy manavakavaka, fa tiany olona avy amin’ny firenena rehetra, anisan’izany aho, moa ve aho tsy tokony hanahaka azy indrindra raha milaza fa mpivavaka ?
Mampalahelo fa mpivavaka ireo namono an'i Mandela.
8. bor2lais ( 15/06/2010 09:31)
mpanazava:

Mampalahelo fa mpivavaka ireo namono an'i Mandela.

Tsy azoko : fa angaha nisy namono i Mandela ?
9. Mpanazava ( 15/06/2010 10:30)

Tsy azoko : fa angaha nisy namono i Mandela ?

Tsy ny manao acte physique (manindron'antsy, mitifitra...) ihany akory no atao hoe "mamono", fa na dia teny fotsiny aza ka nampalahelo olona na namparary na niteraka ratra-po olona dia efa azo atao hoe namono izany. Ny olona novonoina koa akory tsy voatery ho faty. Tadidinao ve ny nahazo an'i Mandela tamin'ny 1962, ary didim-pitsarana nihatra taminy t@ 1964. ary ilay tao Sharpeville ny 21 mars 1960 izay nahafatesana olona 69 sy naratra 180 ?
10. bor2lais ( 15/06/2010 11:28)
mpanazava:

Tsy ny manao acte physique (manindron'antsy, mitifitra...) ihany akory no atao hoe "mamono", fa na dia teny fotsiny aza ka nampalahelo olona na namparary na niteraka ratra-po olona dia efa azo atao hoe namono izany.

Hay ve, ka tsy nataonao tahaka io ("mamono") ny fanoratra azy mantsy hany ka somary nampalahelo ahy ihany ilay teny ! hihihi !
11. Mpanazava ( 17/06/2010 06:07)

Hay ve, ka tsy nataonao tahaka io ("mamono") ny fanoratra azy mantsy hany ka somary nampalahelo ahy ihany ilay teny ! hihihi !

Kay ve "mamono" foana no filaza na ankehitriny na amin'ny ho avy na lasa ny filazam-potoana aminareo fa tsy mety ilay namona sy ny hoe hamono! Hahaha!!!
12. bor2lais ( 17/06/2010 09:02)
mpanazava > tsy hita fa teo am-baravaran'ny sekoly no niverina ka tsy mahalala izay lasa sy ny ho avy fa ny ankehitriny ihany e !
13. Mpanazava ( 17/06/2010 09:40)
bor2lais> io indray ianao ilay somary mampitsikitsiky kely an, hihihi!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3325