Karama 2 arivo ariary.

1. soanja ( 10/06/2010 15:11)
Dia nivanaka ny vavako raha nahalala fa hatramin'izay ka hatramin'izao dia mbola roa arivo ariary na 10, 000 fmg ny karaman'ny 2eme classe ao amin'ny foloalindahy malagasy isambolana.

Inona re tompoko no mba azon'izay vola izay? Na frais hamangiany ny havany aza tsy vitan'izay.

Mba olona manana ny mahaizy azy ihany izy ireo ary ireo no hitako sandrin'ny Madagasikara!

Asa anefa. Ahoana hozy nareo?
répondu par fijo le 17/07/2010 19:16
2. Makouto ( 10/06/2010 17:46)
tena mampalahelo zany k'tyyyy aona no mba nahafantaranao zany
3. 3188 ( 10/06/2010 19:47)
tsy roa arivo akory ary 1500 ariary kou
4. terrywui ( 10/06/2010 20:06)
miteniteny foan !!!! tany misy lalàna anie madagascar e ! 435.000fmg na 8.7000ar ny karama farany ambany (salaire de base) izay ny karaman'ny miaramila ambany indrindra !! aza miteniteny foana fa resaka efa 20taona lasa izany resakareo zany !
5. hery ( 10/06/2010 20:30)
Tsy sambatra be ve ny 2e classe raha mahazo an'zany lazain'i ra-wix zany? lolll

Mampalahelo io kanefa dia aleo tsy antsoina hoe karama fa atao hoe argent de poche.
6. Belle ( 10/06/2010 23:23)
Misy afaka manamarina ve fa toa tena mampivanaka tokoa raha izany ary tsy mampino. Ny mpanampy an-trano aza anie ka tsy misy manaiky mikarama izany intsony izao e! lazainy fa manompa azy!!!
7. soanja ( 11/06/2010 03:43)

Belle:

Misy afaka manamarina ve fa toa tena mampivanaka tokoa raha izany ary tsy mampino. Ny mpanampy an-trano aza anie ka tsy misy manaiky mikarama izany intsony izao e! lazainy fa manompa azy!!!

Kolonely iray no nanisa ny vola mety any ampaosin' ilay zalahy 2eme classe izay raha atambatra ny vola tany aminy amam-bolana ka noheverina fa tsy nampiasa vola ilay zalahy io no nahataitra ahy ka hoy aho hoe " ahoana tsara hoe 10,000 fmg?" . Dia hoy izy hoe " fa angaha ianao tsy nanao SN?" namaly aho hoe " Eny nanao aho ka! tadidiko hoe 9, 000 fmg no niraisiko tamin'izay." " hay efa 10,000 fmg izy izao ka. Fa vao miakatra 1ere classe anie dia efa ambony be ny karama e! Fa ry zareo anie ka iantohana ny rehetre e; na sakafo na trano n'inona n'inona." Tsy nahateny moa aho fa dia nivanaka. Farany hoy aho hoe " Aoka ho heveriko fa mbola tsy manambady aman-janaka ireo vatan-dehilahy ireo!" Dia tsy nahateny koa izy.

Raha misy tokoa afaka manamarina akaiky dia mba lazao fa dia gaga dia gaga ny tenako! Ilay zalahy 2eme classe aloha tsy teo nanome ny faamarinan'ny vola raisiny tokoa.
8. Makouto ( 11/06/2010 13:33)
ny tsotra de manontany zay manana namana 2ème classe
soanja:

9. Mirananirina ( 14/06/2010 11:13)
ny tena marina dia tsy mahazo karama izy ireny fa miasa varimasaka,omena sakafo dia vita,ilay vola kely omeny ary dia argent de pouche kely tokoa.Ary nefa dia atao mpanompo izy ireny.Ohatra atao ordonance ao an-trano,ny an'ny sasany moa atao mpiasa antrano mihitsy.Ka averiko ihany ry Terywui,fa tsy mahazo karama izy ireny.,rehefa miakatra ny giradiny,izay vao mahazo karama.izany hoe efa mahazo sergent..,na adjudant...(chef) sns.....vao mahazo karama.fa ireo lazaina hoe vatatay ireo tsy mahazo mihitsy.
10. soanja ( 14/06/2010 16:57)

Tokony hahazo karama izay miasa rehetra. Mety lazaina fa mirotsaka antsitrapo ireo saingy tsy izay fa tena voatery mihitsy aza. Mampalahelo ny raharaha.
11. fijo ( 17/07/2010 19:16)
ka lasann'y generaly ny saosy ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.9663