vaovao malagasy exploitation du gisement de Fer à Soalala

1. vaovaogasy ( 04/06/2010 13:02)


En faisant allusion au projet d’exploitation du gisement de Fer à Soalala qu’entreprendra le Consortium WISCO d’ici 2 mois, le chef de la Région Boeny RASOLONIAINA Jean Christophe Noël a déclaré à la population de Soalala venue nombreuse que « Soalala sera le soleil levant de Madagascar. »

2. vaovaogasy ( 04/06/2010 13:04)
http://vaovaogasy.blogspot.com/
3. fijo ( 04/06/2010 21:32)
raha ahita tokoa moa ny vahoaka ,tsy olana,fa ahiako fofony fotsiny no ho itany eo
4. AndriambyII ( 04/06/2010 21:36)
Tsy ny siderurgie sy metalurgie lourdes alou no atomboka fa tonga dé any ve lé ? To otran' ny tsy miady kou lé fika-ndry zalah izany !
5. falimanana ( 04/06/2010 23:46)
Ampitapitao: Grande braderie de Madagascar a Soalala
Envoyé par: bainina (Adresse IP journalisée)
Date: ven 4 juin 2010 21:34:00

Nataoko ity fanazavany ity mba hialana amin'ny marina mitavozavoza ka voambakan'ny lainga tsara lahatry ny foza.

Inona tokoa ary ny marina momba ity resaka Soalala ity?

1) Midika inona iny fanambarana iny?
Hoy lavasanga hoe:"Misy volabe tsy toko tsy forohana ao narotsaky ny sinoa ary na ny iraisampirenena aza tsy nino"

Raha io teny io tokoa no fakafakaina dia vola tsy nisasarana io na vola maloto na vola kolikoly tsotra izao. Nahoana hoy ianao? (tsy amin'ny maha-ita sinoa azy akory an) Ny forohana dia ambina kitay avy niketrehana sakafo (tapa-porohana) ary ny toko kosa dia hanokonana ny vilany misy ny sakafo handrahoina. Ny zava-misy anefa sady tsy nisy toko no tsy nisy forohana nefa dia nahita sakafo ao ambilany izay tsy manaraka ny lijikampandrahoana koa dia nangalatra sakafo tany ho any zany ilay mpahandro. Aleo avela eo iny fa hiresaka ny tena zavatra isika

2)Fa hatraiza marina ny harentsika Malagasy?
Raha amin'ny maha Gisement azy dia misy ''Minerais de Fer environ 2 MILLIARDS DE TONNES ao amin'ny zone sedimentaire malagasy (cf. These de 3em cycle en geologie Univ Antananarivo) .Ny fitrandrahana ao Soalala dia manana velarana 430 Km² ary misy 800 MILLIONS DE TONNES de minerai de Fer voatombana ho azo amin'izay (efa fantatra hatramin'ny taona 1980 ny fisin'izy io).

3)Inona no nahatonga ny Sinoa roboka tamin'io?
Raha ny tarehy marika no jerena dia ny Sinoa no Firenena mampiasa Vy be indrindra maneran-tany ary ny orinasa WISCO na Wuhan Iron and Steel (Group) Company dia orinasa mpamokatra Vy voalohany any Sina. Tra-pahasahiranana nefa ry zareo tatoato satria nidina ny vidin'ny vy nefa ny minerais de fer niaka-bidy. Ary dia miditra aty Afrika koa ry zareo hanetsemana izany ka manao ny antsoina hoe ChinAfrika [http://www.chinafrique.com/zf-2005/2006-02/2006.02-bus-2.htm]
Sendra izay Domelina sy gaboraraka teto Madagasikara (indrisy mantsy ry taniko) nefa izy ireo ka dia tsy nisalasala niditra.

4)Handrotsaka vola-be tsy toko tsy forohana ho an'ny FATy hono ny Sinoa?
Raha jerena maika dia eny nefa rehefa fakafakaina lalina dia tsia
"Vola be" tokoa no harotsaka: ampahany voalohany:100 Millions de Dollars USD amin'ilay 600 millions de Dollars hetra ho an'ny fanjakana ary ambonin'izay mbola misy 228 millions de Dollars redevansa(redevances) ho an'ny Malagasy.
Raha atambatra izany ireo dia manome 600+228=828 Million de dollars americain. Waaooooo vola be marina satria dia miliara miliara vola malagasy izany ary manginy fotsiny ny fotodrafitrasa (hopitaly,tetezana,sekoly,oloma bobaka hanao stage any Sina hono...)
NEFA...NEFA...NEFA...NEFA
Araka ny voalaza teo amin'ny teboka faharoa (2) dia 800 million de tonne no voatombana ho azo ao Soalala farafahakeliny. Raha atao izany ny kajy dia vidiana ~800million USD ny 800 million tonne izany hoe!!!!!!!!
1 tonne minerais de fer ao Soalala tompoko dia vidian'ny Sinoa 1USD (mahantra ianao ry tanindrazako)

5)Fa hoatrinona ny tena tokony ho vidiny?
Raha ny fanambarana ofisialy [http://english.gov.cn/] dia eo amin'ny 150 USD eo no tokony ho vidin'ny 1 tonne amin'io minerai de fer io. Izany hoe tombony 99,99999999% no azon'ny sinoa eto amintsika. Ary rariny dia rariny izy raha mahasahy miteny fa dia handany 8milliara investissement. Ary ny fanontaniana mipetraka dia hoe maharitra firy taona izy no afaka mitrandraka eto

Fehiny:
-Satria tsy misy intsony solotenambahoaka ao amin'ny fanjakana (naato tamin'ny asany avokoa ireo olomboafidy rehetra) dia manao izy danin'ny kibony ny FATy ary dia mitombo tsy misy otr'izany tokoa anie ny haben'ny kibon'i Lahy (tsy) Niriako e. Amidy ny harempirenena (bois de rose, fer ary loza loza loza ary dia ireo zazakela marobe tsy hita fa nisy "nivarotra" ihany koa)
-Fahanana lainga hatrany ny vahoaka: vidina Air Force One mahavidy vary ho an'ny Malagasy mandritra ny 5 taona) 60 Million de dollar zaraina amin'ny olona 20 Million dia 3 dolara isan'olona (anao no mikajy hoe vary firy sotro no azon'izany)
-Tambazana varimasaka ny vahoaka: alefa miofana any Sina, omena sekoly, omena hopitaly, omena asa ny olona ao Soalala nefa ange ka tsisy dikany akory ireo mihoatra amin'ny harena alainy eto e.

PS: Aleoko lavitra aza nahitra ilay fambolena katsaka mankadiry saika hataon'ny Koreana izay nanenjehana an'Atoa Ravalomanana satria iny dia mipetraka ho an'ny Malagasy ny tany fa ity dia tsy haniry intsony izay vy efa voatrandraka eo ary ny bois de rose dia afaka 100 taona indray vao ho lehibe azo trandrahina.

MITSANGANA RY TANORA, VONJEO NY TANINAO FA AZA MANAIKY HANJAKAN'ILAY FRANTSAY LAVA SANGA MPIVAROTRA TANINDRAZANA IO (satria ho an'izay tsy mahalala dia mizaka ny zompirenena frantsay i Andry Nirina Rajoelina
6. AndriambyII ( 05/06/2010 22:09)
Tss misy ankoatr' izay angah ny fanomezan' aretin' andoha rafaly ? Tsy mbola nisy alou ny mptoudra nahaafampou hatr@ izao ,misy ftenenan' ny gringo oué fa hoany fa hoany ! makany makany , ivin' alika tss mverna !! so good bless for somebody !! Mrd !!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 8.7083