Jereo fa vao namono olona indray ny MPANOHITRA !....

1. terrywui ( 31/05/2010 13:39)
Raharaha nahafaty ny Lt Théodule :
« Handray fepetra ny fanjakana»
hoy ny jeneraly Camille Vital



Efa mandeha ny fanadihadiana mikasika ny raharaha nahafaty ilay manamboninahitra teny amin’ny BANI, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny governemanta.
Efa naneho ny heviny an-gazety mikasika ny zava-nitranga teny amin’ny BANI Ivato, tamin’ny 20 may lasa teo ka niteraka ny fampidirana hôpitaly an’i Lt Ramamonjisoa Théodule ny commandant Roger Luc, rehefa voatonontonona tamin’io raharaha io ny anarany. Anisan’ny fanazavana nomeny ny hoe: «felaka tehamaina no nampihariny tamin’ny Lt Théodule izay tsy tokony hitarika ny fahafatesany.» Tsy nahasakana ny Praiminisitra nilaza ny fanapahan-kevitra horaisin’ny governemanta anefa izany, raha nanao valan-dresaka fohy ho an’ny mpanao gazety ny jeneraly Camille Vital, taorian’ny nitsapany alahelo ny fianakavian’Itompokolahy. Hoy indrindra mantsy ny Lehiben’ny Governemanta: « Efa misokatra ny fanadihadiana ary handray ny fepetra mifandraika amin’izany ny governemanta». Midika izany fa tsy maintsy hisy ato ho ato ny fisamborana izay olona rehetra ahiahiana ho tafiditra amin’ny raharaha nahafaty io manamboninahitra kaomandin’ny Fiarovana eny amin’ny BANI io.

Sazy ara-pitsarana!

Ary ny filazan’ny Praiminisitra fa tsy maintsy handray andraikitra mifanaraka amin’izany ny fanjakana, dia midika fa tsy maintsy hisy sazy hampiharina amin’izay nahavanona ny heloka raha toa ka mitombina ny fiampangana.
Vao tamin’ny zoma, nandritra ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Minisitry ny Foloalindahy vaovao mantsy no namerimberina ny tokony hanajana ny fitsipi-pifehezana sy ny lalàna mifehy ny miaramila ny jeneraly Camille Vital. Nohamafisin’ny jeneraly Rakotoarimasy izany raha nametrahan’ny mpanao gazety fanontaniana izy ary nilaza fa azo tanterahina miaraka tsara ny sazy miaramila sy ny sazy ara-pitsarana raha misy minia mandika lalàna. Raha tsiahivina ny zava-nitranga teny amin’ny BANI Ivato dia voalaza fa am-perinasa ary tao anatin’ny toby no nitrangan’ny fifandonana teo aminy sy ny commandant Roger Luc. Naiditra hôpitaly teny amin’ny HOMI ny Lt Ramamonjisoa ary herinandro taty aoriana dia namoy ny ainy. Ny valin’ny fanadihadiana andrasana izany dia ny hoe: ny daroka nahazo azy ve no niteraka ny fahafatesana sa antony hafa fa fifanandrifian-javatra fotsiny iny? Andrasana ny ho tohin’ny raharaha.
V.R.


IO ROGER LUC IO ILAY BANDY MITETIKA NY HANONGAM-PANJAKANA KOA IO !

KARAKARAO IZY RY PRAIMINISTRA A ! MPAMONO OLONA LE ROGER LUC SSSHHH
novalian'i bekiraro ny 03/06/2010 01:47
2. terrywui ( 31/05/2010 13:42)
EFA SAIKA HANAMPY NY FIGN MITSY NEDALA IO FA SAMY HAFA MOA DE NIPIRINA IANY NGAMA .....NEFA HAY ZANY DE NAHAFATY OLONA TAO AMN BANI TAO IANY
3. terrywui ( 31/05/2010 13:57)
raha tiana koa ny filaminana ao anatin'ny firenena de tsy maintsy arahina maso daholo ary atao famotorana izay mitranga rehetra :
-na ireny teny KARLTON / Ambohimalaza /PK 17.400km ireny aza efa nanara-maso an'ireny izahay hoe inona marina ny tian'ireto atao !....soa fa za irery ihany alou no teny e !..tsisy olana ka,, tena nilay ny teny !!..
4. xxx3 ( 31/05/2010 14:01)
aleo lesy izahay mba hiteny soa lazain'olona fa miteny irery eto ialahy ry bain an ,mbola mandeha lesy ny enquete an ,lisany moa ambony lalana ka dia efa fanatra sahady ny mety ho valin'iny sady ny FAT koa anie lesy ry bain malaza mpanao cinema e ,izao ry lylison dia efa mitel ny fianakavian'io lt hoe torio torio
5. terrywui ( 31/05/2010 15:10)
de aona zany bainn ??
6. terrywui ( 31/05/2010 15:34)
Ny fianakm's n'i Lt Theodule defa nampiditra fitoriana fa tsy maintsy mihinana Roger Luc e !...aona ary zany mamonomono oul fahatany zany

fanina ndray ny mpanohitra hin hon hin hon hin
7. terrywui ( 31/05/2010 15:37)
8. terrywui ( 31/05/2010 15:43)
9. feticon ( 31/05/2010 18:50)
inona lesy ry wiwi ity hagaigan'ialahy tato le
10. pikatti ( 31/05/2010 19:18)
Lasa midelira seul ato sisa lery
11. ouioui ( 31/05/2010 19:24)
12. terrysaina ( 31/05/2010 20:00)
ajanony lesy razoam io fanalan'ialahy an'i rawix io an za foana ve lesy no mahazoi tsiny
13. terrywui ( 31/05/2010 20:06)
elah moa ra batista mahatanty tsara ? ....
elah anie mora mikonetaka refa petsaiko kely e !!!
14. antimpanahy ( 31/05/2010 20:51)
tsy mety ny mamono olona anaka na inona na inona vitan'ilay olona ,tsy isika no tompon'ny aina ka asio vidiny ny aina anaka !


misaotra
15. bekiraro ( 31/05/2010 22:55)
Ny dadan'ialahy mpamono olona aloha tenenina izay vao miteny olona ry le vendrana ty a
16. antimpanahy ( 31/05/2010 23:18)
afaka tifiriko elah raha izay no tadiavinlah ......
17. bekiraro ( 31/05/2010 23:22)
aza mitsoaka raha be vava
18. terrywui ( 01/06/2010 08:45)
hhmmmm...
19. bekiraro ( 01/06/2010 09:20)
sipa ve no tian'ialahy hiadiana e, raha izaho tsy mitsoaka an'ialahy , tairo ny fotoana
20. bekiraro ( 01/06/2010 09:20)
sipa ve no tian'ialahy hiadiana e, raha izaho tsy mitsoaka an'ialahy , tairo ny fotoana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0909