inona no tena tianareo?

1. hana ( 31/05/2010 11:32)
Miarahaba ny reny rehetra eto @ serasera. Inoako fa nahazo fiarahabàna daholo isika omaly, mety ho nisy nahazo fanomezana.
Dia eo indrindra no tiako hasiana resaka : raha ianareo no nasaina nifidy dia inona ny fanomezana nirianareo ho azo omaly?
Ny ahy izao, satriko mba hoe niala sasatra omaly fa tsy nanao raharaha (sy tsy nitaiza, TPTN), toy izay hoe fanomezana voninkazo na ny toy izany.
Ny anareo indray mba inona?
novalian'i belakely ny 30/07/2010 09:03
2. soanja ( 02/06/2010 10:59)
Ny fanomezana nahafinaritra ahy sady tiako dia nifoha mbola maneno sahona izahay ary namonjy toerana iray manoloana lohasaha midadasika- tony ny tontolo. Tao anaty alina moa izany ka somary gaga ihany aho hoe ho aiza izy izany? inona no ho atao? Fa ingahibe masoandro no nanondraka ilay toerana tamin'ny hazavana tsy misy ohatr'izany nony niposaka izy tery antsinanana ka hatsarana tsy nisy ohatr'izany ny tsapan'izay nitazana teo. Tena tsy mbola tadidiko hoe oviana aho no nandinika ny fiakatry ny masoandro avy any hanenika ny tontolo. Fotoana fohy dia fohy izany fa sarobidy. Avy hatrany dia fantatro fa avy namangy an'i Madagasikara ilay masoandro ary indro indray nitondra voandalana ho ahy. Sary indray mipika hanome fahafahana fa tsara ny miaina.
3. Mirananirina ( 05/06/2010 14:53)
ilay mahazo teny mamy @ ankizy sy ramose,mahafatifaty ahy.
4. sipagasy ( 05/06/2010 14:54)
mmhhh dia soa daholo ry izy mirahavavy izany fanomezana izany, fa ny ahy ny mba tiako dia ny hoe mba ny zanako no nikarakara ny sakafo marainanay 3 mianaka, ka dia gaga sy variana aho raha an-davan'andro mitakisina vao miala ny fandriana rakalakely hhihihi
5. belakely ( 30/07/2010 09:03)
hay moa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1444