MANAZAVA NY JENERALY ZAFERA

1. ravatorano ( 22/05/2010 09:41)
Manazava ny Jly Zafera
«Voaroba ny birao rehetra tao amin’ny Fign»

Miverina amin’ny laoniny ny fiainana eny amin’ny tobin’ny Fign eny Fort Duchesne omaly. Efa nody eny an-toerana avokoa ireo zandary avy ao amin’ny Fign rehetra, hatramin’ny jeneraly Zafera lehiben’izy ireo. Trano sy birao voaroba anefa no novantanin’izy ireo taorian’ny fialan’ireo miaramila namehy ny toby omaly maraina. Naneho ny alahelony ny Jly… « Nisy vola, ordinatera sy zavatra hafa tao kanefa nanjavona taorian’ny fidiran’ireo miaramila tao. Manginy fotsiny ny fanimban-javatra », hoy ny Jly Zafera, Komandin’ny Hery vonjy taitran’ny zandarimariam-pirenena (Fign) raha nanazavana ny zava-nitranga teny Fort Duchesne, ny alakamisy teo. Nilaza izy fa tsy ny Fign rehetra akory ireny nikomy ireny fa ampahany ihany. Mampalahelo anefa, hoy izy fa nataon’ireo miaramila nanafika teny bambaray izahay. « Efa nisy ny fifanarahana niarahana tamin’ny Lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika (Cemgam), ny jeneraly Ndriarijaona André, sy ny Sekreteriam-panjakana miadidy ny zandariaria (Seg), ny jeneraly Ravelomanana Claude, fa hatsahatra ny fifandonana ary hoentina manaraka azy ireo ny Kly Raymond Randrianjafy, kanefa tsy nanaraka izany ireo miaramila nanafika », hoy ihany ny Jly Zafera. « Efa nanangana saina fotsy izahay rehefa hita fa tsy an-kiato ny tifitra, kanefa tsy nanatsahatr’izy ireo (mazava loatra fa ireo miaramilan’ny Emmo/Nat, notarihan’ny Kolonely Ravalomanana Richard sy ny Fis, notarihan’ny Kly Lyllison no tiany hambara amin’izany) », hoy ihany izy. Nipoaka teo akaikin’ny trano nitobian’izy ireo ny balan’ny «lance rocket» nalefan’ireo miaramila nanafika, ka nanapa-kevitra izy ireo ny hiala tao an-toerana, araka ny fanazavana ihany.

Ny Rfi Ivato no nanavotra azy sy ry Kly Raymond

« Misaotra ny miaramilan’ny Rfi izahay nanampy tamin’ny famoahana anay tao amin’ny toby », hoy ny Jly Zafera. Anisan’ny navoaka sy navotan’ny miaramilan’ny Rfi Ivato tamin’izany ny Kly Raymond sy ireo zandary niaraka taminy, ary ireo zandary tsy nikomy. « Raha toa ka namaly ny fanafihana ny Fign rehetra… », hoy ny lehiben’izy ireo. Fantatra ihany koa, araka ny fanazavan’ny Jly Zafera ihany, fa basy nampiasain’ny Fign tsy nikomy, natoby sy nangonina tamin’ny toerana iray ireo nasaina nalain’ny mpanao gazety sary, ary nolazaina fa tratran’ny miaramilan’ny Emmo / Nat tamin’iny hariva iny.

Amin’ny toerana azo antoka ny Kly Raymond

Araka ny fanazavana azo ihany, efa amin’ny toerana azo antoka no misy ny Kly Raymond sy ny zandary fito akaiky azy, mba ho fiarovana ny ainy. Ny feo nandeha hatry ny afakomaly alina dia milaza fa hoe eny amin’ny RFI Ivato no misy azy ireo. Manoloana ny feo nandeha hatry ny omaly fa hoe «efa nitolo-batana ny Kolonely Raymond sy ny namany», fantatra, araka ny fanazavan’ny Jly Zafera fa tsy mbola nisy ny fanolorana azy ireo teny Fiadanana na tamin’ny toeran-kafa. Etsy an-daniny anefa, araka filazam-baovao azo teo anivon’ny zandarimaria, halina, dia voalaza fa hoe «efa eo am-pelatanan’ny Sampam-pikarohana Heloka Bevava (Section de recherche Criminelle) Fiadanana miatrika ny famotorana miaraka amin’ireo namany vitsivitsy ny Kly Raymond». Araka izany, mbola mifamahofaho be ihany ny manodidina ity resaka ity na efa milamina aza ny momba ny Fign eny Fort Duchesne. Marihina fa nisy ny fiantsoana ny Jly Zafera tany amin’ny Cemgam sy ny praiminisitra saingy tsy tonga teny izy, noho ny antony ara-pahasalamana.

Yves S.
gazety taratra
22/05/2010
novalian'i terrywui ny 22/05/2010 13:35
2. ravatorano ( 22/05/2010 09:48)
iza ireo elements an'ny RFI izay voalaza fa namoaka an dry zareo ireo.
Jeneraly no miteny ka inoako marina fa tsy havandy amin'izay izy satria fantany fa responsable amin'ny teny lazainy angazety izy.
raha nanagana saina fotsy izany v tsy tokony efa hoe milavo lefona rsy tsy miady ka naninoa aza no mbola nisy fitifirana ihany ?
raha nisy RFI teny izay voalaza fa nanavotra an dry zareo "mpioko" dia mazava izany fa tsy te hiditra lalina tamin'ny fifanandrinana ry zareo ary raha nanavotra indray dia azo lazaina fa mitanila ihany amin'ilay voalaza fa "mikomy".
inona indray ary izany izao no fepetra ho raisin'ny fanjakana misy eto amin'izao momba izany ? hanaovana fisamborana koa ve izany ireo olona nanavotra an dry jeneraly Zafera sy ny Lt Colonel Andrianjafy Raymond sy ny namany ireo ?
Ny tena nahagaga ahy dia izany vola antapitrisany maro voaroba tao amin'ny biraon'ny jeneraly Zafera izany ? Iza no naka ? mazava hoa zy fa ireo izay tonga namaky ny birao dia avy d nifampizara ! dieu miliara ouz nekamako izay !

lalina tena lalina ny polifika eto antanan ary dia agnay vahoaka ro ianjadian'ny fahoriana vokatr'izany rehetra izany !


3. Mirananirina ( 22/05/2010 10:05)
misaotra amin'ny vaovao
4. ravatorano ( 22/05/2010 10:09)
inona no mba hevitrao ry Mirananirina an !
:wink:
5. savonyvava ( 22/05/2010 10:34)
« Efa nanangana saina fotsy izahay rehefa hita fa tsy an-kiato ny tifitra, kanefa tsy nanatsahatr’izy ireo (mazava loatra fa ireo miaramilan’ny Emmo/Nat, notarihan’ny Kolonely Ravalomanana Richard sy ny Fis, notarihan’ny Kly Lyllison no tiany hambara amin’izany) »

T@ firy hono izy no nanangana saina fotsy ???? Ary nahidy ve nedala io sa mody hoe nahidy fa tsy hay intsony ny sarin'adin-dry zalahy sy kolonely Raymond ity mantsy, samy "mpioko"daholo ihany fa samy narovan'ny RFI Ivato
Fa ny zavatra tsy nafenina aloha dia ny fidradradradrana eran-tany fa hoe miray tsy mivaky io ny foloalindahy , ary iny hetsika iny dia fanombohan-javatra be dia be eo anivon'izy ireo
6. savonyvava ( 22/05/2010 10:53)
Après s’étre exercé au lancer de chaises pliantes (il doit se mettre en forme pour la Coupe du Monde) le Général Viennot Zafera a lui aussi connu une journée des plus mouvementées jeudi dernier. Pris entre deux feux, son bureau aurait été la cible de tirs des éléments venus mettre un terme à la rébellion des FIGN. Une « méprise » des plus intrigantes étant donné que le poste de contrôle où il se trouvait était situé bien loin des positions du colonel Raymond Andrianjafy et qu’il était en liaison téléphonique avec le big boss René Lylison himself. Il a ainsi dû prendre la fuite, tout penaud, avec un rideau pour semblant de drapeau blanc. Grosse surprise à son retour, son bureau avait été sacaggé et une grosse somme d’argent dérobée. Un détail qui donne un tout autre jour à cet « incident »… :idea: :idea:
7. terrywui ( 22/05/2010 13:35)
hoy fijo hoe:
Manazava ny Jly Zafera
«Voaroba ny birao rehetra tao amin’ny Fign»

tena norobaindray zalah FIGN sy ny TIM sy ny 3mvc tao daolo tokoa anie ny vola rehetra tao antoby e !! efa zatra anle mangala-bola otrandrainy de ny vola kelin'ny tahirin'ny miaramila avy nataondry zalah fay daholo !!!....tena biby ry zalah FIGN sy ny mpanao politikany ireto kah !!!....... :evil: :evil: :evil: :evil: :P :P :P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6554