REGARDER VIDEO Déclaration FIGN - Appel au peuple malagasy 1

1. vatofototra ( 19/05/2010 17:45)
REGARDER VIDEO Déclaration FIGN - Appel au peuple malagasy 19 mai 2010

- Les Forces d'intervention de la Gendarmerie Nationale -FIGN- défient le pouvoir de fait et appellent le Peuple malagasy à se joindre à eux pour sortir Madagascar de la crise actuelle


Participer au FORUM
Visiter et Poster gratuitement vos petites annonces

http://www.vatofototra.com
novalian'i rijadolly ny 20/05/2010 04:28
2. bazylou ( 19/05/2010 17:55)
esy e ry gasy sy ny hataka sy ny volany etsy sy eroa fa tsy misy mamerina e,, beuuurrrk
3. fijo ( 19/05/2010 18:49)
ahoana io rabazy an????hummm hafanafana izy izany an
4. feticon ( 19/05/2010 19:03)
bon dieu quelle occassion ,mihetsika lisany ry vahoaka antananarivo an
5. Noue ( 19/05/2010 19:47)
yaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaa !!! vita matavy radom zany eee !! merci vatofototra aa !!!

[size=90]-Andaniny, fitakiana ny 2.500.000.000 FMG no nahafantarana ny FIGN . Nanao ny fitakianay izahay satria mangetaheta ny fahamarinana.

Tsy nandray andraikitra anefa ny fitondrana ankehitriny tamin'ny mety hamahana ny olana toa very anjambany ny fanadihadiana natao hatramin'izao.

Ankilany; manjaka ny tsy rariny ankehitriny , fisamborana etsy sy eroa , ary izahay moa dia rahonana tsy ankitsahatra satria hany tokana sahy milaza ny marina.

Ampy izay , satria ny marina dia tsy mba maty , ary izahay dia vonona hijoro amin'izany hatramin'ny farany.

Koa manentana ny Malagasy mpiray tanindrazana izahay , izay rehetra mahatsapa ny tsy rariny ankehitriny miseho eto amin'ny Firenena sy ireo namaly antso nataon'ireo Sous-Officier FIGN , ho tonga eo amin'ny MAUSOLEE Arret 194 rahampitso 20 Mai 2010 amin'ny 8 ora hiara-hientana aminay.

Tongava fa hiaro anareo izahay amin'ny herinay rehetra.

Izany no atao dia mba hitadiavana vahaolana miaraka manoloana ny faharotehan'ny FIRENENA MALAGASY ankehitriny sy mba hivoahana amin'izao krizy izao.

Mba ho fanavotam-pirenena !
[/size]
6. fijo ( 19/05/2010 20:33)
humm miaramila manala miaramila ity,de ahoan aizany izao lelison sy ramaroson le???
7. fijo ( 19/05/2010 20:36)
misy archive ve ry vatofototra ireo vaovao rehetra efa lasa teto ireo??
8. Toumba ( 19/05/2010 20:42)
Ilelison sy charle @ io efa maty lolo ,tsy misy an'i manandafy sy pasitera lala eto ho bedaina eo @ tendany ,i rabazy sy qoui indray no bedaina eo @ tendany rehefa vita i petit hitler
9. vatofototra ( 19/05/2010 20:47)
fijo :misy archive ve ry vatofototra ireo vaovao rehetra efa lasa teto ireo??

maro ny archive

10. fijo ( 19/05/2010 20:48)
de ry charles sy lelison izany izao tsy ho rôl intsony leu leu
11. fijo ( 19/05/2010 20:49)
ary ahiako mihintsy ny hoavin'io ramaroson io le???,marina moa an
12. Toumba ( 19/05/2010 21:16)
ampinanina ny savoniny iny raha tratra
13. diloo ( 19/05/2010 22:38)
Ilay savon'i ramarosokina ve! Ntss
Tandremo ry zareo fa maloto rà iny savony MADIO fopla iny an! mampisy cancer.
Savony MALOTO ny savony MADIO.
Izay mihosotra MADIO dia mihosotra ramarosokina hatramin'ny fanahiny.
Tokony misy manao pub banderoles entina rahampitso sy ny tolona manaraka.
Ny savony MADIO, savony MALOTO indrindra eran'ny Nosy.
Savony MADIO savony SATANA
Izay mihosotra MADIO, mihosotra SATANA.
Samy mitady antipub.
Izay tsara, ahely eran'ny Nosy.
Mikatona ho azy ny ozin'i ramarosokina, raha tsy misy mpividy savony.
:wink:
14. feticon ( 19/05/2010 22:51)
fa tsy misy kil intsony ny savoniny lery anie dia io izy manao botolo @ resaka politika io
15. diloo ( 19/05/2010 23:03)
Midi Mada, dia manamafy ny hetsika ny FIGN:

FIGN : Vonona ny hiady !
Jeudi, 20 Mai 2010 00:00

« Aleo ho tonga izay ho tonga fa samy lehilahy nosoran-dreniny menaka »
. Izany no naverimberin'ireo zandarin'ny FIGN izay sady nametraka barazy no nisava ireo izay nivezivezy teny amin'ny manodidina, omaly alina. Barazy marobe no indray napetraka ary nahatapaka ny fifamoivoizana teny an-toerana. Raha ny antony nandraisan'ity toby ity ny fepetra hanamafisana ny fiarovana ny toerana misy azy indray dia manoloana ny vaovao henon-dry zareo fa misy toby miaramila mikasa ny hanafika azy ireo rehefa nandre fa hanao fanambaràna amin'ny RNM ny FIGN. Efa namoaka basy sy fitovam-piadiana marobe mihitsy io toby io raha araka ny vaovao azon'ny FIGN ka nahamailo azy. Manginy fotsiny koa ny fahatapahan-jiro tampoka izay tsy mba nisy fampandrenesana kanefa fantatra mazava fa faritra mena iny toerana iny. Anio dia manainga ny olona ny FIGN mba hanampy azy hiaro ny toby. Etsy amin'ny mausolée, amin'ny valo ora maraina, ny fotoana ho an'izay vonona, raha araka ny fanambarana nalefan'ny tompon'andraikitra an-gazety omaly alina.

D.R
Misaotra ny FIGN ny Vahoaka mijaly.
Masina ny Tanindrazana.

:-*
16. pikatti ( 19/05/2010 23:43)
Ilay savon'i ramarosokina ve! Ntss
Tandremo ry zareo fa maloto rà iny savony MADIO fopla iny an! mampisy cancer.
Savony MALOTO ny savony MADIO.
Izay mihosotra MADIO dia mihosotra ramarosokina hatramin'ny fanahiny.
:-D :-D :-D
Ramarosokina efa nanary akanjo sahady , bandy mavozo iny tary iny anie e, rehefa mifanena @ basy lery de teratay :lol:
17. ramarosokina ( 19/05/2010 23:57)
Izay mihosotra MADIO, mihosotra SATANA.
Samy mitady antipub.
Izay tsara, ahely eran'ny Nosy.

Mha vexé anay izany fombanareo izany an, ho saombrinay sy ho potipotehiany ity seraseranareo ity fa manao diffamation loatra :twisted: :twisted: :twisted:
18. pikatti ( 20/05/2010 00:22)
Ialahy anie ramarosokina no tena mpampihorohoro vahoaka tao e, ary mivoaha tao ialahy radem fa aza misitsi-belona hoe jerena azy tsara
19. Rajakoo ( 20/05/2010 00:22)
Ary aza miantsoantso vonjy aty aminay aty mihitsy an, efa niteny aho izay , aleo ialahy hitanty ny vava nataon'ialahy ao :evil: :evil: :evil:
20. rijadolly ( 20/05/2010 04:28)
Fijo:
ary ahiako mihintsy ny hoavin'io ramaroson io le???,marina moa an
Vatofototra:
maro ny archive
henonao tsara ireo ry Hery a!
Tsy matoho-maso mena, Masina ny Tanindrazana. Fahamarinana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1496