ny gasy anie

1. bazylou ( 05/05/2010 04:38)
Olona kamo velona izay ihany ka ny hataka etsy sy eroa no ivelomany e.
De rehefa tsy omen ny vazaha vola kely tonga dia maty e.

Efa zadratsy loatra ka izao no nalehany.

Vive TGV
novalian'i bonazy ny 06/05/2010 09:14
2. bonazy ( 06/05/2010 09:14)
ianao ra bazilou dia isan'izany kamo be tenda izany,efa ela no namakiako ny hevitrao sy ny fivoaran'ny fandrangitanao teto amin'ity serasera ity,tsy dia namaly anao matetika ny hevitra atsipinao zah,tsy hitsara ny hevitrao koa ny tenako fa malalaka hamoaka hevitra ny rehetra saingy ny anao dia hitako hoe"tena mivoana ary fankahalana olona no betsaka ,ary tsapako fa olona tsy mahalala fahantrana ianao fa ireny zanaka ngetroka very seza taloha ireny na ireny tampohan'ny harena tsy nisasarana ireny ka miaina amim-piadanana aty an-dafy aty ka tsy nahalala fahoriana izany ,satria sahy manompa ny fahantran'ny gasy toa anao matetika satria hitako tsy hoe fanompako anao, fa olona tsy mahalala marina an'i Madagasikara ianao fa olona miteniteny foana,ary tsy any madagasikara mihitsy,ka azafady ry zandry fa ny TGV anao sy ny firongonareo mianakavy amiko dia mpamotika an'io Madagasikara tanindrazana iombonana io fa tsy an'ny razanareo irery akory io,satria Repoblika i Madagasikara fa tsy fitondram-panjaka fahiny izany,an'ny rehetra mahatsapa fa gasy, ka izay mandavo sy mamotika an'io dia kapaina fa manimba ny tany ,asa ianao aty ivelany io raha mahalala fa ny TGV dia misy fiafarany ny lalamby fa tsy mitohy any anaty ranomasina akory?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 2.3156