VERY TADIDY ( TROUBLE DE MEMOIRE)

1. xxx ( 27/04/2010 09:27)
MBA MANGATAKA FANAMPIANA AMINAREO FA MORA VERY TADIDY KA RAHA MBA MISY FANAFODY NA TAMBAVY NA TORO-HEVITRA HAFA DIA MBA VONJEO E !
novalian'i soanja ny 28/04/2010 05:07
2. ikaretsaka ( 27/04/2010 17:48)
soraty ilay eritreritrao na zavatra tokony hatao
3. Tanora ( 27/04/2010 19:14)
tandremo ny misotro tambavy raha tsy avy amin'ny dokotera fa manimba voa ireny;
4. niryna ( 28/04/2010 03:52)
ed memory loss doesn't prevent you from living a full and productive life. You just need more time to remember a name or the task you had set out to do. You're aware that you're forgetful and may even joke about it.

People with memory loss due to something other than normal aging, such as Alzheimer's disease, may feel that something's not quite right, but they're unable to pinpoint what's bothering them. Rather than call attention to a memory lapse, they may behave as if everything is fine.
Isika rehetra dia mety ho manadino zavatra indraindray,saingy rehefa mitombo koa ny fahaterana dia mihamanadino zavatra koa isika:toy ny lakle,nataoko aiza ny solomasoko,ny penina eny an-tanana kanefa tadiavina,ny anaran'olona,ny toerana efa nandehanana kanefa dia tsy tadidy

indraindray dia mila miezaka ny mitadidy isika na ilay zavatra natao farany dia miverina tsikelikely ilay izy,tsy azo atao fotsiny no mana-forcer ny saina hitadidiny rehefa tsy tadidy ilay izy fa vao maika mteraka zava-doza amin'ny farany

Misy aretina anefa ,tsy fantatro ny filaza azy amin'ny teny gasy fa "alzheimer"s disease " no antsoina azy:tsy mahatadidy zavatra maro ilay olona ka raha io no mahazo ny olona iray miampy ilay fanadinona kely (memory loss) dia tena mampalahelo tokoa

Ahoana no fitrangany amin'ny voalohany?
manontany zavatra izay iray ihany ary efa nanontaniana teo aloha
sarotra be ho an'ilay olona ny ahatadidiy ny teny izay nolazainy teo
manafangaro teny raha kiraro ny tiany ho tenenina dia kitapo no lazainy
Zavatra fanoany taloha dia adinony ny mamerina azy ohatra sakafo
mametraka zavatra any amin'ny toerana tsy tokony azy
tsy mahatadidy toerana efa naleha isan'andro
Tsy mahatadidy izay zavatra nampanaovina azy
Tsy tapotapoka eo dia mova fihetsika(tezitra be na malahelo sns
ireo izany no mety mahazo antsika indraindray ary ilay aretina dia mila fitsabona sy arahamaso ilay olona satria mety ny olona ao an-tranony aza dia tsy ho fantany amin'ny farany,indraindray anefa toa eritreretintsika tsy ho misy dikany ilay izy dia avela amin'izao.

5. niryna ( 28/04/2010 04:06)
Mety ho antony iray mahatonga antsika ho very fitadidy koa anefa dia ny tsy fahampiana torimaso,be rehana sy fanahiana be loatra,tsy mitombina ny saina fa ahiahiana avokoa ny zavatra rehetra,tsy ampy fanatanjahantena,mety koa anefa voan'ny dona ka ny loha no voa tamin'izany
Misy fomba tsotra koa anefa atao raha manomboka manadino zavatra isika: soratana izay zavatra tiana atao,na miantsena dia atao ny lisitra,mianatra mitadidy ny anaran'olona indray mandeha fa tsy olona roa na telo no ho tadidiana,mila ampy torimaso sy manao exercices.Ny atidoha dia mbola afaka mianatra zavatra maro ka ampiasao ny atidoha hianatra zavatra:mamaky boky sy mandaliny boky tsikelikely,mampiasa ny atidoha amin'ireny karazana kilalao ny atidoha ireny.
izay no mba fantatro dia rehefa mividy zavatra na mandalo fivarotana koa dia tsy manombatombana elabe eo fa tonga dia mianatra ny mifidy izay tiana dia raisina avy hatrany . Tsy ampiasana mafy amin'ny zavatra tsy misy dikany ilay ati-doha,mila maka rivotra kely koa rehefa miasa be ilay atidoha ,Tsy azo atao koa ny tezitezi-dava ,misento kely dia avela izay zavatra tena nampatezitra.
6. soanja ( 28/04/2010 05:07)
xxx:

MBA MANGATAKA FANAMPIANA AMINAREO FA MORA VERY TADIDY KA RAHA MBA MISY FANAFODY NA TAMBAVY NA TORO-HEVITRA HAFA DIA MBA VONJEO E !


Ny sakafo misy tamotamo dia manampy tokoa ny memoira. Azo atao aza misotro ranona tamotamo na turmeric na carry any amintsika fa ao anatin'io misy fanafody manampy tokoa ny atidoha sy ny fiasany.
Ny ranona sakaitany na sakamalao dia mahasoa koa.
Ny dite misy kanelina na cinnamon koa dia manampy manaitaitra ny atidoha sy ny fisainana.
Ny sokola mainty na dark chocolate dia isany koa.
Ny gingko biloba dia azo sotroina in=3 isanandro eo am 80mg
Ny Siberian Gingsen izay hanina na sotroina in 2 isanandro 250 mg

Ny azo amin'ny fofona kosa dia ny
Rosemary sy ny basilika. Ireo HE n'ireo dia manampy ny atidoha tokoa.

Mazotoa mitrangaka izay mety mbola ho azo ary tano ny azo fa sarotra ny mila!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4946