Fijerena ny olana ao anatin'ilay finoana inoana?

1. soanja ( 23/04/2010 01:01)
Averina ombieny ombieny eto ny tsy fetezan'ny finoana ny Razana sy ny fanompoana isan-karazany tsy mitory an'i Kristy. Ahitana izao faharatsiana rehetra rehetra izao sy ny hoe mbola miaina ao anaty maizina sns sns ireo olona ireo. Tsy mandeha mankaiza sy ny maro hafa hanapotehana ilay finoan'ny hafa ho tsinotsinona.

Tsy mahafaly antsika anefa ny ankamaroany angamba no ndeha hilazako azy fa tsy isika rehetra rehefa mba misy mitsikera ny finoantsika, indrindra ao anatin'ilay finoana iny ianao. Iny fa misy hitsangana hilaza fa mila jerena koa ny amin'ireto finoana sy fomba ireto sns sns... tonga dia mihevitra sy mitsangana ny hafa fa izay ilay "Anti-Krist" izay miteny izay. Asa na tsy mahazatra ilay mijery hoe aiza no olana raha misy olana ny finoana izay heverina fa natao mbambaray sy navondrona ao anaty boky iray. Ny olana mitranga ao amin'ny fiangonana ohatra, avy aiza io? Ilay finoana voizina mihitsy mety misy pitsony tsy ao tsara. Mety hoy aho? Jereo akaiky!

Raha milaza arina eny an-tavan'ny hafa tsy manahy fa ny an'ny tena aoka fa tongalafatra tanteraka. Izay ve no izy?

Tsy misy tongalafatra eto an-tany. Fa raha misy tsy mahasoa ny fanompoana ny Razana dia aoka koa ianao hilaza hoe aiza no mety tsy mahasoa ny anao matoa misy ny fikorontanana eo amin'ny samy Xtianina indrindra ny fisarantsarahana.

Inona no ambony ny anao ve? raha mivondrona ny mpino ny razana, ny anao manao ahoana??

novalian'i soanja ny 27/04/2010 16:03
2. rakapy ( 23/04/2010 08:59)
Marina tokoa izany ry Soanja. Amiko ny fitsikerana dia tsy tokony ampisy olana raha toa ka fitsikerana tsy manabaty sy manambany. Mety misy ny fitsikerana mahery nefa tsy manabaty koa fa anjaranao no maka sy mandinika izay voalaza eny fa na dia manindrona aza.

3. ikaretsaka ( 23/04/2010 12:05)
namaste
4. soanja ( 23/04/2010 15:21)
Ika sy Rakapy> Namaste ianareo!
5. LAVASANGA ( 27/04/2010 11:26)
Fa aminareo moa inona no atao hoe FINONA ? sao dia tsy azonareo tsara mantsy ilay atao hoe FINOANA.
-Tsy ny anaran'ilay Fiangonana akory anie no atao hoe Finoana fa ilay Andriamanitra hivavahana eh!
-Ka ny Andriamanidra hiavavahanao ve lai Ray pamorona ny zavatra rehetra sa ilay noforonina"fanompoan-tsampy izany" toy ny hoe: hazo, vato, olona mety maty, eny fa na io vola io aza, sns.....
-Ary ilay fombafoba atao ve mifanaraka ao @ Baiboly voalazan'ilay Mpamorona fa tokony ho atao sa tsia ?
Tsara ho fantatrao:(NB) Roman. 10:17
6. ikaretsaka ( 27/04/2010 14:35)
finoana= le fomba entina mi communiquer amina "etre superieur " na "entite" heverin'olona iray fa manana hasina be kokoa noho izy (mety Atra io /mety raha hafa)
Raha ny baiboly eritreretinao: dia izay izany no finoanao sy ny fomba entinao mi communiquer @ ilay raha inoanao
Raha Q'ran io na Torah de zay koa...

fa ny hoe rehefa tsy manao ny fombanay/fombantsika/fombanareo dia tsy mino= tsy mitombona loatra... satria mino ireo olona ireo ary manana finoana koa, saingy hafa fotsiny
7. soanja ( 27/04/2010 16:01)
LAVASANGA:


Fa aminareo moa inona no atao hoe FINONA ? sao dia tsy azonareo tsara mantsy ilay atao hoe FINOANA.



Mino aho fa tsy azonay ny fiheveranao ny atao hoe Finoana.

LAVASANGA:


-Ka ny Andriamanidra hiavavahanao ve lai Ray pamorona ny zavatra rehetra sa ilay noforonina"fanompoan-tsampy izany" toy ny hoe: hazo, vato, olona mety maty, eny fa na io vola io aza, sns.....
-Ary ilay fombafoba atao ve mifanaraka ao @ Baiboly voalazan'ilay Mpamorona fa tokony ho atao sa tsia ?



Ilay Andriamanitra hivavahako inoako fa itovizako amin'ireo izay mino ny Zanahary sy ny Razana.

Tsy manana baiboly milaza hoe fanompoan-tsampy izy ireo aloha hatramin'izao.


8. soanja ( 27/04/2010 16:03)
Tsara ho fantatrao koa Lavasana jereo aloha ny arina an-tavanao vao milaza ny an'ny hafa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.3439