manala tasy am patalo

1. sitlo ( 17/04/2010 15:09)
Nitaingina bisikleta tsy nisy arofotaka izany aho. Dia nipitipitika tao aoriana ilay fotaka. Dia efa fotoana nahamainany vao nosasako ilay izy dia tsy afaka. Inona no fika?

Ilay izy jean beige somary marron. Dia tsy haiko hoe raha vao asiana produit tsy hay tsy hay dia sao dia miofo. Tsy tanteraka hatrany anatiny aloha ilay tasy firitika fa ivelany fotsiny.
novalian'i soanja ny 24/04/2010 13:35
2. maryline ( 17/04/2010 18:31)
osory fotaka indray!! Jereo @ net fa ny fotaka manala tasy tsy mandainga aho an!!
3. Ratoa ( 17/04/2010 18:49)
liquide vaisselle pur koa. Lemana kely ny tasy. Rarahana liquide vaisselle. Kosehana. Kobanina dia madio. Raha graisse consistante, asio dobera na margarine aloha. Avelao hilona kely. Fohan'ny margarine ilay menaka mainty ( atao matvina ny margarine na beurre). Dia iza vao atao ilay liquide vaisselle lazaiko etsy. Mety ilaina halona kely koa raha tsy afaka avy hatrany
4. sitlo ( 19/04/2010 00:31)
Eo fa andramana. Misaotra

Fa le ampiana fotaka aloha somary mampanahy ahy ihany. Izay ve ilay hoe fanosora-potaka?
5. Ratoa ( 19/04/2010 21:58)
Fohan'ny margarine ilay menaka mainty ( atao matvina ny margarine na beurre
ohatry ny manosotra dobera amin'ny mofo izany. Atao hita hoe matevina eo mihitsy ny dobera dia avy eo lasa maitimainty, dia kikisana amin'ny antsy. Dia soloina foana dia rehefa tsy mivaly mainty intsony ny dobera izay vao asiana liquide vaissalle: manala ny menaka no asany.
6. maryline ( 19/04/2010 22:40)
sitlo:

Eo fa andramana. Misaotra

Fa le ampiana fotaka aloha somary mampanahy ahy ihany. Izay ve ilay hoe fanosora-potaka?



Azafady ry Stylo mamaky ny valin´ny comms anao zah matetika fa zah tsy manosopotoka na maniratsira mpisera. hainao ny tiako hatongavana. Jereo fa fanalana tasy ny vovoka somary lemana . ary tena misy mivarotra mihitsy eny @ ireny mangazay lehibe ireny . Misaotra anao
7. ikaretsaka ( 20/04/2010 16:27)
raha ady commando hoe any akebakebany raha tasy mainty na menaka dia marina io fotaka io..

dia osory margarine dia io liquide vaiselle io koa ...sady nen la jeans fa io hita be le faritra nokosehina raha le lamba nylon tena fitondrana beka ireny
8. soanja ( 24/04/2010 13:35)
Tsy ahiko aloha fa betsaka ihany ny loto sy tasy afaky ny "Oxyclean" ry Sitlo an! Na "TIDE" aza dia mety handaitra amin'izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.267