hyperglicemie na diabeta

1. xxx ( 13/04/2010 07:41)
in no mba fanafody na tambavy gasy mety ahafaka tanteraka anio na olona mety manasitrana azy tanteraka mba ampio e
novalian'i rdskol ny 08/04/2015 08:30
2. xxx ( 13/04/2010 10:09)
i Dr ihany no mahay azy fa aza miditra @ tambavy loatra aloha , sarotra ny dosage mantsy . AMADIA
3. Ratoa ( 13/04/2010 15:49)
tsy mety sinatra tanteraka izany mihitsy ny diabète satria tsy mahalevona siramamy izany ilay olona. Misy isankarazany ny siramamy, ary na dia samy siramamy mitovy izao aza, misy mahalevona azy tsara, misy mitana siramamy. Misy koa diabète nolovaina (héréditaire).
Ny azo atao dia mihezaka tsy mihinana siramamy mihitsy na siramamy kely dia kely ihany no hanina (sucre rapide no tena ratsy). Manao "régime" tsy misy na kely siramamy izany ilay olona. Jereo anefa fa ny vary dia be siramamy tena saro-devonina, misy koa voankazo sasantsany.
mahita olona anefa aho nihidina be ny siramamy amin'ny rany. mahery mihinana légume izy ary tsy manisy siramamy amin'ny café na dité ary tsy misotro itony Fanta sns itony.
Tandremo ny aspartam - édulcorant - na sucre pour diabètique fa tena ratsy ho an'ny fa tena ratsy amin'ny fahasalamana akapobeny.
4. ravonjison ( 14/04/2010 08:59)
Raha efa voaporofo hyperglicemie avy @ diabete ( misy koa hyperglicemie avy @ zavatra hafa ) ilay izy dia izao angamba no azo laizaina :
- misy karazany roa ilay diabete ( primaire sy secondaire ), ary arakarak' izay koa no maha-serieux na tsy serieux ilay izy.
- raha toa mbola tsotsotra ilay izy , dia mety mbola azo tsaboina @ resaka tambavy gasy ihany.
- @ ankapobeny anefa ny diabete dia aretina mila fanarahana matotra , satria mila refesina sy araha-maso ny taux de sucre @ ra. Tsy vitan' ny resaka fametrahantanana, na fampidirana energie sns...na fanovana ny sakafo fotsiny. Matetika ilaina ny fampiasana ny " insuline "

Noho izany tsara dia tsara raha apetrakao ho an ' i dokotera tanteraka ny fanarahamso ilay aretinao.

Marihiko fa aretina efa tena metrisé tsara mihitsy io @ izao fotoana izao , ka tsy misy atahorana @ ilay fitsaboana.
5. Ratoa ( 17/04/2010 00:01)
tsara dia tsara raha apetrakao ho an ' i dokotera tanteraka ny fanarahamso ilay aretinao.
marina mihitsy.
efa tena metrisé tsara mihitsy io @ izao fotoana izao , ka tsy misy atahorana @ ilay fitsaboana.
Marina koa izany saingy tena ilaina dia ilaina ny mahava-tena
6. soanja ( 18/04/2010 16:14)
xxx:

in no mba fanafody na tambavy gasy mety ahafaka tanteraka anio na olona mety manasitrana azy tanteraka mba ampio e


Efa ireo voalazan'ny namana ireo no tokony atao fa isan'ny koa manampy amin'ny hialana (fisorohana) mba tsy hidirana amin'ny Type 2 dia ny fanaovana spaoro na mandeha tongotra isamaraina miezaka mampihena tena. Raha toa milaza ny dokotera fa atahorana fa mety hisy diabeta ianao dia mila manena tena eo amin'ny 8% ny kilaonao amin'izao ianao farafaharatsiny.

Isany sakafo tsy tsara ho an'ny misy diabeta ny vary fotsy. Koa ezaho mihinana vary mena fa ireny mba tsy dia be loatra ny mivadika ho siramamy.

Ity misy tambavy sinoa manampy tokoa amin'ny fitazomana sy fanarahamaso ny fiakatry ny siramamy ao anaty: Ireo no atambatra ary atao dite sotroina in-2 isanandro. Ny haben'ny iray sase dite ireny no fanaovana azy miaraka amin'ny rano mangotraka 3-5 minitra eo.

- Mulberry leaf
-Fetid cassia seed
-Solomon seal
-Atractylodes root
-Scrophularia root
-prunella
-tender green tea leaf
-Jasmine flower.


7. niryna ( 18/04/2010 19:12)
ny katsaka koa dia mahasolo ny vary ary misy tsy mihinana vary fotsy intsony fa katsaka no ataony ho an'ny olona voan'io aetina io
8. Ratoa ( 18/04/2010 20:51)
inoa daholo ary ireto teny tsy mitenin'i soanja ireto?
9. soanja ( 19/04/2010 01:24)
Ratoa:

inoa daholo ary ireto teny tsy mitenin'i soanja ireto?


Ireo no tambavy sinoa fantatro fa manampy amin'ny diabeta na dia gasy aza no tadiaviny. Amin'ireny mpivarotra sinoa any Mada ireny mety misy mivarotra an'io dite io.


10. Ratoa ( 19/04/2010 21:41)
Ho saratana izany dia ho any dia hijery ny boîte tsirairay hoe ity ve ilay izy? O ry soanja, ny masonay efa tsy dia mahita intsony.
11. soanja ( 22/04/2010 02:20)
Ratoa:

Ho saratana izany dia ho any dia hijery ny boîte tsirairay hoe ity ve ilay izy? O ry soanja, ny masonay efa tsy dia mahita intsony.


Tambavy (dite) iray madina io rehefa andrahoana ka. Mankany amin'ny labotika sinoa fotsiny dia anontaniana raha manana dite mpandio lio sy tsy mampiakatra siramamy izy ireo. Fa ny nanoratako azy dia amin'izay ianao tsy hihinakinam-poana fa ireo nomeko ireo ny ingredient.

Itovizana re ny resaka maso Ratoa o. Ataovy vonona aby na ny solomaso na ny soratra mazava sady atao vonona koa ny teny sinoa manao bozoro Sinoa.


:-D
12. Ratoa ( 23/04/2010 00:17)
sinoa manao bozoro Sinoa.
:lol: :lol: :lol: ka tsy ny maso ihany no efa dila fa ny tadidy koa!!! Na dia tsy lavitra ny sinoa aza ny razambe-ntsika, sarotra ihany ilay hanakatra izay volazanao izay!
13. Ratoa ( 23/04/2010 00:22)
adinoko foana fa ny ananambo dia tena tsara itaizana diabète. Na izy ataonao anana, na atao polipoly dia kosehana tsara dia afangaro amin'ny sakafo hanina iny vovoka iny (raviny) na koa voasana tsara ny voany dia tsetsafina. Mangidiginy mamy.
Ilaina koa ny misotro rano na ravimboafotsy
14. xxx ( 27/04/2010 06:42)
ary tsara ve le madeglucil an'i IMRA IZA NO MBA EFA NANANDRANA
15. rdskol ( 08/04/2015 08:28)
Aza adino koa ny fampiasam-batana fa tena ilaina io refa misy diabeta, mandeha tongotra 30mn isan'andro no tsara. De ny regime tsy adino, indrindra ny legume sy ny voankazo
16. rdskol ( 08/04/2015 08:30)
Aza adino koa ny fampiasam-batana fa tena ilaina io refa misy diabeta, mandeha tongotra 30mn isan'andro no tsara. De ny regime tsy adino, indrindra ny legume sy ny voankazo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6783