Bokin'i Soanja

1. Belle ( 11/04/2010 15:57)
Miarahaba an'i Soanja sy isika rehetra,

Saika mba hanontany aho e! Manao ahoana efa mba any ho any ve ilay boky natombokao navoaka tan-tranokala dia natsahatra iny ry Soanja!? Nahafinaritra mantsy ilay izy ary ianao toa hitako matetika eto ihany ka mahatonga ahy manontany hoe sao dia mba efa manangasanga any ilay tohiny?

Misaotra mampahafantatra ny mpankafY namaky azy rehefa mba tonga ny fotoana e!

Belle
novalian'i cyril ny 12/10/2010 10:20
2. soanja ( 12/04/2010 13:28)
Misaotra an'i BELLE,

Efa eo an-dalam-pamitana azy aho ka. Nitsahatra kely mantsy ilay izy 2 taona lasa izay satria voatery niverina nianatra aho. Lasa tsy arako ilay manoratra sady miasa no mianatra. Ho Boky 3 ilay izy ary ny voalohany dia efa ampanaovana editing satria hovana daholo ny anaran'olona sy anaran-tanana noho ny fangatahan'i be sy maro fa akaiky loatra ka manahirana. Step manaraka dia ny anatonta azy any Inde. Efa manoratra tantara hafa koa aho ka mino fa ho tianareo eto. Raha vao manomboka ny fall dia afaka miverina eto indray ny tantarako ka. Izao aloha mbola be ny raha manahirana. Misaotra mankafy ny tantarako sy mitia ny kolotsaina malagasy. :-* :-* :-*
3. sipagasy ( 19/06/2010 07:06)
miandry izany รด!
4. Lejoba ( 30/08/2010 15:02)
momba inona ilay izy?
5. soanja ( 02/09/2010 04:05)
Raki-Piainana Madagasikara-USA no Titre aloha hatramin'izao. Tsy inona moa fa ankapoben'ny fiainan'ny Malagasy iray sy ny nofiny.
6. cyril ( 12/10/2010 10:20)
tongava ary ialahy ry belle fa inona no hitonatonanan'ialahy aty ?
resaka apela no ato fa i foudre ampiasao ho jerenay eto
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1124