mandreraka be le namako..ssssssss foza

1. xxx ( 08/04/2010 11:54)
mandreraka be ny namako : za alou vevav no miresaka de 24ans, de le namako an vevav 20ans, mpiara-monina aminay izy!! ts tiko mits le ataony : efa anaovako fihetsika hahatonga saina azy de mbola misisika ian minamana amiko; ny fiaraha-monina kou nefa mila tandrovana satria ny ray aman ndreniny mifandray aminay kou !! ny tena ts zakako de ity: ny zokinay lahy efa manambady adalainy tadiaviny hiarahana; de ny sipako kou dragué ny !sady aratsiny!! tena sipa foza orana mitsy e !! sssssss !! asa mba innn no nataonareo rah teo am toerako ??? MISAOTRA MIALOHA E !
2. soanja ( 08/04/2010 12:05)
Tsotra be aloha raha za no teo amin'ny toeranao. Milaza tsotra aminy hoe "Tsy afaka hinamana isika satria tsy mety amiko ny zavatra ataon-dry." Dia tanisaina aminy ny zavatra tsy azoazonao ataony. Zavatra maripototra fa tsy fosa. Tsy tezitra aminy miteny an'io fa tsotra sy mazava.
" Rehefa vonona hiova indry dia misokatra ho andry ny foko!" io dia midika hoe ny fihetsiny no tsy tianao na izay ataony no tsy tianao fa tsy izy akory!
Aoka aho tsy hankahala olona amiko nefa izaho ihany io fa tsy mitovy anefa za sy izay hafa rehetra.

Tadidio fa tsy ny olona rehetra no mahay mamaky fihetsika sy resaky ny vatana hoe midika izao sy izao, ary misy aza mody tsy mahalala satria fantany ny tanjony. Ny miresaka mazava ihany , maso roa samy mifandray, no hany mety ahahafahana mampita hafatra mazava raha izay!
3. Mirananirina ( 08/04/2010 15:32)
tena sipa foza orana mitsy e !!
fa inona aloha ilay hoe foza orana aminao??
matetika hono ny mpinama dia mitovy revy,ka hialao haingana sao manjary lasa manaraka ny ataony koa ianao avy eo.
4. joharyjohary ( 10/04/2010 09:06)
Asaivo mifandray amiko izy fa ataotaoko :)
Merci
5. xxx ( 13/04/2010 10:31)
fa inona aloha ilay hoe foza orana aminao??


ny définition n'ny sipa foza orana de zao:
-sipa miaraka am bandy be de be fa ts manaja tena ;
-sipa mora kôtina ze ts mikôty iany no ts mahazo anazy
-sipa ratsy fitondran-tena ary ambany toe-tsaina

point :( :oops:
6. soanja ( 17/04/2010 19:51)
xxx:

fa inona aloha ilay hoe foza orana aminao??


ny définition n'ny sipa foza orana de zao:
-sipa miaraka am bandy be de be fa ts manaja tena ;
-sipa mora kôtina ze ts mikôty iany no ts mahazo anazy
-sipa ratsy fitondran-tena ary ambany toe-tsaina

point :( :oops:


Tsy ambany toe-tsaina izay sipa izay raha ny fahitako ny fanazavana ny hoe "sipa foza orana" fa mety mila fanampiana psisika. Mety tsy ampy fitiavana izy tamin'ny fiainany tany hatramin'izay dia mila fitiavana be dia be avy aminareo namany sy ny manodidina azy. Io no atao hoe sipa mitady attention. Ny sipa manao toy izany dia manana aretina antsoina hoe "mitomany fitiavana" ka izay no fomba entiny mampiseho izany mahazo azy izany.

Mila fanampiana izay sipa izay na dia mbola tsy hitako azy. Tsy fankahalana no tokony asetry azy raha mbola manana fo mitepo fitiavana ianao ka tsy fo vato dia io no atolory azy. Mila toerana milamina izy handaminany ny momba azy. Raha tsy milamina koa anefa ianao dia tsy ianao no afaka hanampy azy. Mitady tany malemy izy hanorenam-pangady. Enga anie ahita izany izy amin'izay misy azy any indray andro any.


7. mandrindra ( 20/04/2010 07:08)
xxx:

fa inona aloha ilay hoe foza orana aminao??


ny définition n'ny sipa foza orana de zao:
-sipa miaraka am bandy be de be fa ts manaja tena ;
-sipa mora kôtina ze ts mikôty iany no ts mahazo anazy
-sipa ratsy fitondran-tena ary ambany toe-tsaina

point :( :oops:

tsy manaja tena ahoana ary? làlana aiza no mametra ny isan'ny olontiana?
ny sarotra kôtina ve no milay kokoa noho ny mora kôtina?

mba azavao kely amiko hoe ny fitsaranao izany hoe ambany toe-tsaina, fa sarotra be amiko mantsy ny manome naoty amin'io

8. falimanana ( 10/06/2010 21:20)
sipa mangididy no atao hoe sipa FOZA!
mangididy ona misy FOZA izy zay!atao iany koa hoe FOZAORANA mazava hoazy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3848