FARANDRO NA FIN DU MONDE

1. xxx ( 07/04/2010 12:55)
Misy mpaminany (mpandinika, manampahaizana,...) milaza fa amin'ny 2012 hono vao tena ho tonga marina ny FARANDRO (na fahataperan'izao ntotolo izao). Efa maro be koa anefa ireo mpaminany nilaza fotoana talohan'izany, nefa tsy mety tonga izany, koa asa na mba misy amitsika namana ato amin'ny serasera afaka manambara na manazavazava mikasika izany FARANDRO izany fa tena maha- lina tokoa ny mahafantatra ny amin'izany ? Raha misy manana hevitra azo porofoina na ara-siantifika na mathémathique na ara-tsoratra masina,( baiboly na coran na boky hafa...) na ara-tantara, na fambarana hafa mety hanazavana izany dia tena raisina ampanajana tokoa. Koa ho antsika namana rehetra te- hamaly dia hilazana mialoha fa tsy natao hifandirana ara-pinoana akory ity lohateny ity (SANATRIAN'NY VAVA LADIN'
NY LELA) fa natao kosa mba ho fanitara-pahalalàna ny réalité fotsiny ihany. Aoka mba atao ampahatoniana tanteraka ny valiteny rehetra eto (raha sitrakareo). Misaotra antsika mialoha hamaly ampahendrena sy ampanajana.
novalian'i Mpanazava ny 21/04/2010 08:13
2. xxx ( 08/04/2010 07:55)
Tena mahalina toko ty resaka farandro ty saingy hatramin'izao de diso daholo ny daty-n'ireo mpaminany nanonona andro na taona hatongavan'ny fin du monde. Henoko tamin'ny vaovao avy any ivelany fa hisy météorite goavana be izany hono hilatsaka avy any an-danitra, ka araka ny fahitan'ireo mpandinika azy io de mety hidona amin'ny tany izy io. De izay angamba no nahatonga ilay voalaza fa mety amin'io fotoana io no fin du monde. Tsy mbola misy porofo mazava anefa izany fa fandinihin'ny scientifique ihany , izany hoe mety hitranga na koa mety tsy hitranga. izay no mba kely fantatro ny amin'io; ka na izany na tsy izany dia tokony hiomana ihany isika olombelona fa raha ara-tsoratra masina (Baiboly) no jerena dia amin'ny ora sy fotoana tsy ampoizina no hatongavan'izany farandro izany. Ka tsy aleo ve miomana dieny izao eee ! Ka raha ny hevitro manokana de aleo re hisika samy hibebaka sy hiala amin'ny fahotana, hanatona ilay NAHARY. NDAO ISIKA HIFANKATIA SY HIFANASOA DE AJANONA HATREO NY ADY SY NY FIFANDRAFESA. AOKA NY FIHAVANANA NO HILOFOSANTSIKA KA HAHAY HIFAMELA HELOKA SATRIA NY TOMPO ZANAHARY ANIE MBA EFA NAMELA NY FAHOTANTSIKA KOA EEEEE!
3. xxx ( 12/04/2010 15:02)
Tsy misy atahorana ny farandro fa izay matahotra maty ihany no matahotra izany !Tsy maintsy ho tsaraina amin'ny asany daholo ny olombelona rehetra ! Koa samia mihezaka manao ny tsara daholo e!
4. ikaretsaka ( 13/04/2010 13:45)
Amiko manokana dia. Toy ny faran-javatra rehetra ihany io:Ny olona tsy nanao na inona na inona no matahotra..
Toy ny hoe tonga ny fararano dia ny olona tsy namboly no matahotra ny hoe inona no hojinjainy
Na tonga ny fanadinana farany @ taona dia ny olona tsy nianatra no mihorohoro @ ze ho atokony any @ fanadinana anyu..
Fa ny olona vonona tsy misy ahiany loatra @ zany
5. Mpanazava ( 15/04/2010 08:34)
Inona aloha ilay monde? satria misy karazan'ny maro ny monde ao amin'ny baiboly.
6. ralaisolo ( 20/04/2010 15:49)
ity no porofony fa midona amin'ny tany io niribu io amin'ny 21 decembre 2012 araka ny calcul n'ireo manampahaizana
http://www.youtube.com/watch?v=pS7Rky3V7Wk&feature=related
7. Mpanazava ( 21/04/2010 08:13)
Fa iza no hanao an'io Fin du monde io, olombelona ve sa Andriamanitra?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3715