Tsimandrimandry ? ? ?

1. ravonjison ( 30/03/2010 15:37)

Tany dago aho teo ka nitady ireo zavatra mahaliana tao antoerana no nataoko. Nisy ranamana iray izay nitantara tamiko ny fiainana any Diego, satria nipetraka tany ampolony taona maro izy.Nilaza izy fa misy karazana fety izany atao any Diego. Programa ao anatin' io fety io ny tromba , fifaliana sns...ary ny tsimandrimandry koa . Io tsimandrimandry io dia toa misy andro iray izany, tonga ao daholo ny mpivady izay te handray hanjara. Ka rehefa tonga ao na lehilahy na vehivavy dia toa manao afaka manao @ izay olona tianao ianao ( rapport sexuelle), ary tsy misy mibedy na manakiana, fa vao maika ary hafaliana be no misy ao.Afaka manala fo mihitsy, saingy toa iray andro fotsiny no azo hanaovana izany.
Izay no fahazoako azy , fa ahitsio aho raha diso.

Ka mba misy mahalala izany fomba izany ve, na mba afaka manome antsipirihany ? Ry Soanja toa avy any Diego any sao mba manana information ?
novalian'i soanja ny 02/09/2010 03:43
2. xxx ( 01/04/2010 01:11)
Refa mba milaza zavatra dia mba zavatra marim-pototra no lazaina

Raha za hamoaka hevitra eto hoe ny any @ fianakavian'dry Ravonjison dia toa hoe misy andro natokana hoe mahazo mifamototra avy izy mianakavy( manao rapport sexuel) na ny zanaka miaraka @ ray aman-dreny na mpianadahy na mpirahalahy amin'io andro io
dia ahoana hozy anao???
Mba diniho ny resaka holazaina fa izay no tsy itovizana @ biby, satria ianao mety mba manantsaina ihany

Ny fianakaviako misy avy any Diego
Ny tsimandrimandry dia tsy misy hafa @ hoe reveillon hozy tsika @ fiteny baiko
Refa misy fety ho ankalazaina ao an-tànana (oh: 26 jona, noely, crémaillère, famadihana..) dia ny alin'iny manao reveillon mandihy sy mifaly misantatra an'ilay fety sy andro lehibe ny ampitso, ka izay no atao hoe tsimandrimandry satria mi-veiller tsy matory (mandry= matory ny dikany)

Tena mampalahelo ny toe-tsain'ny sasany eto
3. ikaretsaka ( 02/04/2010 14:53)
efa misy fanazavana lavalava ihany momban'io araka ny isam-paritra ao @ fivavahana sy finoana ry xxx a
4. milamm ( 02/04/2010 20:06)
xxx ,tsy mpisolo vava an'i ravonjison aho fa oadray kosa fanotaniana apetraka ve dia ahadiso satria tsy fantatra ny valiny na marina na tsia .Raha resaka tsy azo dia azo ahitsy izany fa tsy misy idirany toetsaina mampalahelo,mora tonga fofona @ resaka tsotra ianao fa raisinao ho fanevatevana ny fanotaniana,fifanakalozana fahalalana avy @ rehetra no vaha-olana (aleo manotanitany foana to izay manaonao foana),ento milamm fotsn fa aza mikoropaka tompoko o :lol: :-D
5. xxx ( 02/04/2010 23:38)
xxx:

Refa mba milaza zavatra dia mba zavatra marim-pototra no lazaina

Raha za hamoaka hevitra eto hoe ny any @ fianakavian'dry Ravonjison dia toa hoe misy andro natokana hoe mahazo mifamototra avy izy mianakavy( manao rapport sexuel) na ny zanaka miaraka @ ray aman-dreny na mpianadahy na mpirahalahy amin'io andro io
dia ahoana hozy anao???
Mba diniho ny resaka holazaina fa izay no tsy itovizana @ biby, satria ianao mety mba manantsaina ihany

Ny fianakaviako misy avy any Diego
Ny tsimandrimandry dia tsy misy hafa @ hoe reveillon hozy tsika @ fiteny baiko
Refa misy fety ho ankalazaina ao an-tànana (oh: 26 jona, noely, crémaillère, famadihana..) dia ny alin'iny manao reveillon mandihy sy mifaly misantatra an'ilay fety sy andro lehibe ny ampitso, ka izay no atao hoe tsimandrimandry satria mi-veiller tsy matory (mandry= matory ny dikany)

Tena mampalahelo ny toe-tsain'ny sasany eto


Ianao mamaly io no tsy mpandray atendrony tompoko! vakio miadana ny resaka eo ambony vao mitsatsaingoka avy hatrany. Efa nadre izany koa aho ary tena misy io zavatra io arakin´ny fomban´ny tany. Any bresil koa tahak´izany rehefa carnaval t@ andro taloha na mety @ izao fotoana izao aza 5 andro mandritry ny lanonana de azo atao daholo izany, ary efa neken´ny lalana . tsy misy hidiran´ny fianakavian´Ravonjison na iza .
Tena mampalahelo ny toe-tsain'ny sasany eto
6. soanja ( 06/04/2010 15:43)
Sady na misy aza io Tsimandrimandry io dia ny mpihavana akaiky tsy hifampandry mihitsy satria FADY izany. Ny olom-pady dia olom-pady foana na foko inona na foko inona any Mada fa ny mpi-cousin-cousine kosa dia mazava fa tsy olana izany akory raha toa ka mifanaraka amin'izany ny kolontsainany sy ny fombany.
7. ravonjison ( 07/04/2010 13:32)
xxx:

Refa mba milaza zavatra dia mba zavatra marim-pototra no lazaina

Raha za hamoaka hevitra eto hoe ny any @ fianakavian'dry Ravonjison dia toa hoe misy andro natokana hoe mahazo mifamototra avy izy mianakavy( manao rapport sexuel) na ny zanaka miaraka @ ray aman-dreny na mpianadahy na mpirahalahy amin'io andro io
dia ahoana hozy anao???
Mba diniho ny resaka holazaina fa izay no tsy itovizana @ biby, satria ianao mety mba manantsaina ihany

Ny fianakaviako misy avy any Diego
Ny tsimandrimandry dia tsy misy hafa @ hoe reveillon hozy tsika @ fiteny baiko
Refa misy fety ho ankalazaina ao an-tànana (oh: 26 jona, noely, crémaillère, famadihana..) dia ny alin'iny manao reveillon mandihy sy mifaly misantatra an'ilay fety sy andro lehibe ny ampitso, ka izay no atao hoe tsimandrimandry satria mi-veiller tsy matory (mandry= matory ny dikany)

Tena mampalahelo ny toe-tsain'ny sasany eto




Calme fotsiny ianao ra xxx a ! Tsy enti-po be toy izany akory no hitondrana ny fiainana.
Afangaronao mantsy ny zavamisy ara-kolotsaina sy ny fomba fijery ( hevitra).
Izaho tsy nilaza ny hevitro mihitsy mikasika izany, fa nanontany fotsiny ahy hoe : ahoana izy izany @ antsipiriany, satria fantatro fa zava-misy any amintsika any izy io.
8. Mandefitra ( 08/04/2010 09:16)
vakio ty : http://www.hebdomada.net/index.php?p=display&id=1369

fa @ farany misy hoe :
Nisy fepetra manokana koa noraisina tamin'ny Tsimandrimandry ka filaharambe ny an'ireo nanaiky nanao fitiliana ny otrikaretina VIH/SIDA.

Midika zany fa misy kombaka tsy hifankahitana eo, kanefa ny aretina SIDA efa mananika ka aleo tiliana mialoha.
9. milamm ( 12/04/2010 16:59)
dia misy tokoa izay ilay izy fa tsy angano ko,m'si mandefitra misy resaka hafa koa asa na mitovy @ io na tsia ny donia iza no mahalala tompoko ?
10. Lejoba ( 11/08/2010 15:48)
ny donia anie fety e! ohatry ny fankalazana. Fa ny tsimandrimandry, azo asiana azy daholo na famadihana, na fitampoha, na donia , na festival tsotra izao aza
11. arialy ( 25/08/2010 10:50)
ny an'i fitampoha tsy tsimandrimandry ny anarany raha tsy diso aho fa valabe , indray alina iany izy io isaky ny misy fitampoha.
marina tokoa izany fa ny olo-pady mijanona ho olo-pady foana na aiza tany misy azy.
12. soanja ( 02/09/2010 03:43)

Ny Festival Libertalia ao Diego izao inoako misy tsimandrimandry.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0957