MAMONO TENA VOKATRY NY FAHADISOAM-PANANTENANA T@FITIAVNA

1. xxx ( 30/03/2010 10:17)
INONA RE OLONA NO FANAMPIANA AZO ATAO AMIN'IRENY OLONA DISO FANATENANA TAMIN'NY FITIAVANA IRENY ? MBOLA MISY VE VAHA OLANA AZO ATAO ? MISAOTRA MIALOHA AMIN'NY VALITENY OMENAREO. DE MBA MIAGAVY MBA ATAONTSIKA TENA RESAKA SERIEUX ITY ANAKIRAY ITY FA TSY VAZIVAZY INTSONY.
novalian'i karinah ny 22/04/2010 15:20
2. nilex ( 30/03/2010 12:14)
Ny olona iray matoa mieritreritra ny hamomo tena dia na tsy hitany intsony izay hatao na olona kanosa ka mamono heritreritra.
Tsy tokony hamono tena ny olona raha ny tena izy ka mahay manazava tsara sy mandresy lahatra azy ny olona izay manatrika azy eo.
Tokony ho fantatry ny olona mandrakariva fa ny zavatra mitranga rehetra dia fandaharan Atra avokoa fa tsy voatery izay tiantsika no ho tanteraka fa izay fantany fa mahasoa antsika.Mila olona mivavaka koa aloha e.Resaka lava io fa ny atao rehefa misy olona mitady hamono tena dia ataovy aloha izay hevitra tsy ahafahany manao izany mandrampitony ny fony fa rehefa afaka ny fony dia mino aho fa azo resahina ihany izy.
3. Mirananirina ( 30/03/2010 14:03)
Ny olona rehefa te hamono tena na tsy resaka fitiavana aza dia tsy misy azo hanakanana izany mialoha matetika,raha tsy efa hita fa saika hamono tena izy.Nisy izao zatovo 13 ans namono tena noho itony net itony ihany,fanaratsiana azy ao dia namonoany tena.
4. soanja ( 31/03/2010 12:12)
xxx:

INONA RE OLONA NO FANAMPIANA AZO ATAO AMIN'IRENY OLONA DISO FANATENANA TAMIN'NY FITIAVANA IRENY ? MBOLA MISY VE VAHA OLANA AZO ATAO ? MISAOTRA MIALOHA AMIN'NY VALITENY OMENAREO. DE MBA MIAGAVY MBA ATAONTSIKA TENA RESAKA SERIEUX ITY ANAKIRAY ITY FA TSY VAZIVAZY INTSONY.


Ianareo tsy sipany na vadiny na ianareo havany sy namany no aoka hanome azy fitiavana mahatoky tokoa! Izany hoe fitiavana tsy miovaova endrika fa mazava. Manoro azy fa tsy iny olona iray iny akory no nahatongavany teto an-tany fa ho an'ny rehetra; ny ray aman-dreny , zoky sy zandry ary ireo namana aman-tsakaiza isan-karazany. Misy dikany ny fiainana fa tsy fitiavana fe fitiavana fiarahana amin'olona fotsiny! Io izany no entina mamaha ny olana rehetra. Raha ampy ny fitiavanareo azy dia tsy hihevitra ny handeha hiampita fiainana hafa any ankoatra izy. Ataovy matanjaka ny system na support moral avy amin'ny hafa. Raha misy psy moa eo akaiky ka zakan'ny vola dia ampio izy hijery izany mpitsabo izany fa tena zavadehibe tokoa. Fa raha tsy izay dia mihinana sakafo mahasalama tsara ary aza avela hisotro toaka na hoe hifokafoka zavatra sns sns... Mila fotoana ny fiatrehana aretim-po! Izay fotoana izay dia fitiavana hafa tsy nananany sy noheveriny no atolotra azy! Mahereza!


5. LAVASANGA ( 09/04/2010 09:38)
Marina tokoa aloha fa mafy zany hoe tena tia, kanefa na dia eo aza ny fisehoanjavatra izay mitranga eo @ tontolon'ny fitiavana dia tsy tokony halahelo be ny fo satria na dia izay fotsiny aza dia mety hamotika ny ho avinao rehetra indrindra ny fahasalamanao ny fahatsarantarehinao sy ny snss e ka ny mety dia misy ny andro tokony hisaonana ary misy koa ny tokony tsy hisaonana intsony mila mahazaka fahadisom-panantenana izany e ka atao ahoana moa fa tsy afaka ny hanome tsiny an'Andriamanitra izany isika fa ny misaotra azy foana @ zavatra rehetra mitranga na soa io na ratsy aza, jereo fotsiny ny tantaran'i JOBA nafoy daholo ny zvtra rhetra eny fa na ny vady izay noheverina fa tsy hiala na @ sarotra aza dia fantatrao tsara ny tohiny ka mahereza e aza mora kivy zany fa fiainana daholo izany.Ny Devoly daholo no mahatongan'zany.
6. karinah ( 22/04/2010 15:20)

INONA RE OLONA NO FANAMPIANA AZO ATAO AMIN'IRENY OLONA DISO FANATENANA TAMIN'NY FITIAVANA IRENY ? MBOLA MISY VE VAHA OLANA AZO ATAO ? MISAOTRA MIALOHA AMIN'NY VALITENY OMENAREO. DE MBA MIAGAVY MBA ATAONTSIKA TENA RESAKA SERIEUX ITY ANAKIRAY ITY FA TSY VAZIVAZY INTSONY.
__________
Slt! >>>ny fanafodin'ny fitiavana hoe dia fitiavana ihany!


:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1796