YOGA

1. xxx ( 30/03/2010 09:58)
ARKA NY HENOKO DIA TOA MAHASITRANA ARETINA MARO BE HONO IZANY "YOGA" IZANY KOA RAHA MISY NAMANA AFAKA MANORO HEVITRA NA MAMPIANATRA IZANY DIA MBA TANTARAO ETO FA TENA LINA IZAHAY. MISAOTRA NDRINDRA E! (ITY LOHA HEVITRA ITY DIA MISOKATRA HO AN'NY NAMANA REHETRA TSY ANKANAVAKA.)
novalian'i soanja ny 07/05/2010 16:37
2. hana ( 30/03/2010 11:05)
tsy aleonao ve mivavaka? Manasitrana ny aretina rehetra!
3. soanja ( 31/03/2010 12:58)
xxx:

ARKA NY HENOKO DIA TOA MAHASITRANA ARETINA MARO BE HONO IZANY "YOGA" IZANY KOA RAHA MISY NAMANA AFAKA MANORO HEVITRA NA MAMPIANATRA IZANY DIA MBA TANTARAO ETO FA TENA LINA IZAHAY. MISAOTRA NDRINDRA E! (ITY LOHA HEVITRA ITY DIA MISOKATRA HO AN'NY NAMANA REHETRA TSY ANKANAVAKA.)


Miankina lalandava amin'izay Yoga atao. Fa misy mantsy mandray ny Yoga toy ny finoana ireny. Ny Yoga ataoko dia tsy misy resaka finoana fa fahasalamana toy ny manao sport ireny ihany fa ny saina no ampanaovina sport ary ny vatana manaraka izay takian'ny saina.

Raha hiresaka finoana indray raha ny amiko ihany no resahiko dia nefa toy ny mahita olona manao Yoga ny manao azy dia antsoina hoe "meditation" ka io dia tena mivavaka amin'Andriamanitra mihitsy no ataoBold text ao fa tsy mieritreritra zavatra hafahafa toy ny Yoga fantatro tany Dago tao Ambatonilita taloha.

Tsy dia misy sekire firy ny atao hoe Yoga fa dia mila mianatra ho tony aloha. Mila mahalala mifantoka. Bold textAry mahalala mampiasa ny saina hivalapatra hijery izay zavatra tiany karohana sy tiana ho tratra. Misy teknika io ka tsy ho haiko ny hanazava azy eto fa dia boky angamba mila vakianao.

Ny idiran'ny Fahasalamana amin'io dia tony lalandava ny vatana ary afaka misaina tsara tsy taitaitra moa manantena fahasitranana, na atao izay maha positive ny zavatra atao sy eritriretina. Mahasitrana tokoa ny Yoga satria isany tafiditra amin'ny fanaovana Yoga ny sakafo mahasalama, fiainana milamina ary fifandraisana amin'ny tontolon'ny natiora izay mitondra fahavelomana.


4. sitlo ( 01/04/2010 14:53)
Misy karazany 4 raha tsy diso aho ny Yoga. Fa roa ihany no fantatro, sa 3 moa?

Fomba fiaina (fisefo) no tena fototry ny iray. Dia manamboatra ny vantana (kotrana tsotsotra) haharay oxygene bebe kokoa.
Dia ny iray fomba fisainana (meditation), tsy hoe lasa manidina fa mana-calme tena fotsiny.
Dia misy koa ilay power yoga, ohatra an'ireny aerobika ireny. Tsy tena haiko akory aza ny manavaka azy.

Fa ny fahitako azy ny Yoga, zavatra efa fatao isan'andro ihany fa nomena anarana fotsiny. Ohatra ny hoe jogging, dia ny olona mieritreritra be hoe mahasalama hono izany jogging, kay ilay hazakazaka fataon'ny zaza ireny ihany.

Ny lafy ratsin'ny yoga, dia ilay sipa sexy be ireny daholo no mpanao azy dia tsy concentré mihitsy ny bandy.
5. ikaretsaka ( 05/04/2010 00:23)
hana:

tsy aleonao ve mivavaka? Manasitrana ny aretina rehetra!



karazana yoga ange ny vavaka e
6. soanja ( 05/04/2010 22:37)
ikaretsaka:

hana:

tsy aleonao ve mivavaka? Manasitrana ny aretina rehetra!



karazana yoga ange ny vavaka e


Namaste! Saingy ny olana dia tsy mbola nisy nilaza sy nampianatra an'io fa zary ratsy ny fahalalan'olona ny atao hoe Yoga raha any Dago.

Ny mahasamihafa azy fotsiny dia ny Yoga aloha hatramin'izay nahalalako azy dia ilana fitoniana tanteraka sy fifantohana na dia eo aza indraindray ny feo mivoaka atao, fa tsy ny vazavaza sy teratsemboka be ary efa hila hiloatra tapaka avy any mihitsy ny tadim-peo amin'ny karazam-bavaka sasany fahita ety an-tany indraindray.


7. booboo ( 06/04/2010 12:40)
ny ahy yoga sy sophrologie no nataoko t@ préparation à l'accouchement -ko. resaka respiration sy mouvements kely isa-karazany hi-soulager-na ny bassin sy hampiomanana ny vatana sy ny saina rehefa hiatrika ny raharaha manga.

(tsisy idiran'ny devoly sy ny tariny fa dia ohatra jogging lazain'i Sitlo e)
8. ikaretsaka ( 06/04/2010 23:48)
ka ny mahazatra ny gasy rehefa raha tsy mazava de tonga de "devoly io" no mandeha aloha ko :-D
9. niryna ( 07/04/2010 04:16)
hana:

tsy aleonao ve mivavaka? Manasitrana ny aretina rehetra!

marina tokoa izany ary jereo ao amin'ny fandaharana fivavahana ao fa mijoro vavolombelona aho mikasaika ny fanasitranana nataon'Atra ahy tamin'ny fivavahana nataoko
Ny yoga dia resaka meditation no betsaka

ka raha mahay maka aina ny saintsika dia efa manampy antsika koa io,mila mitaiza ny saina izany isika,mila maka sasatra tsy mitebiteby na mitaintaina foana.Mazava ho azy fa ny olona izay manana an'ATra dia tsy matahotra na mitebiteby na mitaintaina rehefa tena mino ny asaNy.

Afaka mianatra ny mamoaka fofon'aina koa isika,tafiditra amin'izany ny olona tia mihirahira na ireo chorale fa izay no fantatro aloha.Mianatra mitazona fofon'aina,mianatra mamoka fofon'aina eny fa na dia mandeha tsotra fotsiny eny an-dalana aza isika dia afaka manao izany.
Ny fo mora tezitra no tandremo fa misy olona to-po ka dia miakatra ho azy ny tosi-dra avy eo.ka tsy ho voatery hanao yoga isika vao afaka anasitrana ny aretina,
ny yoga dia toy ny fanaovana exercices rehetra ireny ihany fa ny maha samy hafa azy dia ny bodhista no tena manao an'io ka raha ataona fitaizana ny vatana fotsiny dia tsy manino satria afaka manampy ny olona voan'ny depression ny yoga saingy raha ny amiko manokana dia Atra no anatonako raha misy aretintsaina na olana aratsaina tsy voavahako izany satria izay manatona an'Atra dia tsy mba ho laviny: mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho no anome anareo fitsaharana>resaka saina antsahatra no anisany iray ilay amin'ny fanaovana exercices ka anisany karazana exercices koa ny yoga.Fianarana manala ny doute sy ny eritreritra ratsy foana koa dia ilaina fanaovana exercices saingy raha manana doute isika dia tsy mahatoky an'Atra izany fa mbola be fanahiana ,ny tenantsika ihany dia efa afaka manala izany.
Tsy fivavahana akory eto fa resaka yoga izay meditation ataon'ny bodista no niandohany no nahatonga ahy iteny an'izany an.Hevitro io ka avereno aty raha misy tsy mitovy hevitra amiko .ekena !


10. ikaretsaka ( 07/04/2010 16:45)
Ka ny vavaka anie meditation koa e
11. belakely ( 12/04/2010 12:33)
oh! efa saika tsy hamaly mihitsy aho fa tsy naharitra dia hanoratra ihany.
Raha yoga no resahana dia na boky eran'ny trano manontolo aza tsy ampy hanoratana azy; tsy vita amin'ny fiainana iray fa mety hiverimberina ety ambonin'ny tany ianao hianatra azy (reincarnation io)
I Boudha no niteny hoe "hiverimberina ety ambonin'ny tany aho mandra-pifohan'ny ahitra kely indrindra ho Andriamanitra".
Ny tsara indrindra dia mitady Mpampianatra, satria tsy misy atody afaka mikotrika ny tenany.
Misy karazany maro koa ny yoga: karma yoga, yanana yoga, hatha yoga, Rajha yoga,.............. fa arakaraka izay zaka sy ilainao io.
Ka aleo manatona centre misy manazava aminao ny tena marina momba ny yoga toy izay hiteniteny foana ka manjary hananana olana.

12. niryna ( 18/04/2010 19:23)
belakely:

oh! efa saika tsy hamaly mihitsy aho fa tsy naharitra dia hanoratra ihany.
Raha yoga no resahana dia na boky eran'ny trano manontolo aza tsy ampy hanoratana azy; tsy vita amin'ny fiainana iray fa mety hiverimberina ety ambonin'ny tany ianao hianatra azy (reincarnation io)
I Boudha no niteny hoe "hiverimberina ety ambonin'ny tany aho mandra-pifohan'ny ahitra kely indrindra ho Andriamanitra".
Ny tsara indrindra dia mitady Mpampianatra, satria tsy misy atody afaka mikotrika ny tenany.
Misy karazany maro koa ny yoga: karma yoga, yanana yoga, hatha yoga, Rajha yoga,.............. fa arakaraka izay zaka sy ilainao io.
Ka aleo manatona centre misy manazava aminao ny tena marina momba ny yoga toy izay hiteniteny foana ka manjary hananana olana.



marina izany,ny zavatra tsy hay tsy azo hibitabitahana e
misy ihany koa programme tsotra sady tsy misy ilay mivavabavaka ireny,mampianatra ny olona yoga,ao amin'ny channel misy ny fampianarana ireo karazana exercices mitaiza vatana no misy azy.Lesona tsotra kanefa mahomby tokoa ilay izy

13. diamondra27 ( 06/05/2010 17:04)
ny vavaka dia tsara fa ny meditation koa resaka mentale mifameno ireo amiko, tsy voatery hoe yoga ihany fa na relaxation zany na zavatra hafa ddia ilaina ankoatry ny vavaka.

14. soanja ( 07/05/2010 16:37)
Ny Yoga dia resaka saina ary ny vavaka dia resaka fanahy. Rehefa ireo no miaraka dia manome ny meditation. Tsy misy tsara ny sady manao meditation no sady mitaiza tena koa ara-batana amin'ny sakafo sy spaoro isan-karazany izay vita. Ireo no mitambatra no manome fahasalamana. Tsy mandeha irery ireo fa mila miaraka ary ny fiarahany no asan'Andriamanitra amiko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3114