politika hivarotna ny zava-ratsiny aty amitsika...

1. mibalika ( 29/03/2010 14:58)
:roll: Asa raha mba nanaitra anareo fa izaho aloha dia gaga sy lasa saina ihany satria:ry zareo vazaha aza niverina amin'ny fomba "bio"(zezika naturelle),dia ny Mpamboly Malagasy indray no hezahan'ny teknisiana sasatsasany hanao ny fomba fambolena haingana izany hoe :hamporisihina ny mpamboly gasy mba hividy zezi-bazaha satria io no manome vokatra haingana ??? ary mino mihitsy aho fa tsy ho lazain'ireo teknisiana ireo ny loza ahazo ireo tantsaha hampiasa izany na ny fiatraikany eo amin'ny tany hambolena sy ny vokatra...Mampalahelo,mino aho fa ny mpivarotra zezi-bazaha tsy manana mpividy any aminy intsony no mitady hevitra HANAPOTIKA ny tanintsika amin'izany,ka manainga ny rehetra ho mailo fa tsy ny tany ihany no ho potika fa ny FAHASALAMAN'ny rehetra,ka ampitampitao any amin'ireo mpamboly izay fantatrareo izao hafatra izao!
Mahereza daholo!
2. milamm ( 29/03/2010 16:07)
mibaliaka,fanazavana sy fanabeazana ireo mpamboly rehetra voakasika mivantana(80% mponina) araky no fahalalako ilaina fanetsehana sy fahafampatarana ny soa sy ratsy @ fampiasana zezi-bazaha(chemical compost).Inona avy no ho mety vokatra-dratsiny sy ny tombony azo avy @ fambolena moderna(pesticide,fertiliser voara-maso akaiky noho ny fandrosoany hai-tao) sy ireo nenti-paharazana(biodynamic izay navaoziny i rudolf steiner taty aoriana) ary ny minisitry ny fambolena no iantefan\'io andraikitra io.Ireo sampana ministeriely misahana ny loi agricuturel ,ny fahasalamambahoaka(manao regulation na lois ministeriels mametra ny fampiasana akora simika betsaka ,ary ny raharaham-barotra izay miaro ny zo-ny mpanjifa RAHA manao ny asany izy ireo,ny tsara de samy mailo sy mifampizara ireo fomba maharitra mandaitra ao amintsika ,tsy vita indray andro nefa izany fa mbola eo ny fanaovambeloma an\'i lavanify ho avy tsy ela




:lol:
3. andrywui2002 ( 29/03/2010 17:17)
aza be resaka eto aby fa ny fifidianana izao no malaza ,manolora kandida hofidianay e hon hon hon
4. xxxw ( 29/03/2010 23:38)
Ny fifidianana mbola miandry ny fivarotana na tafa na tsy tafa ny unilatéralisme :-D efa vita t@ 20 Mars 2010 teo angamba izy izay :-D fa mbola tsy misy mahalala foana ty fozatay
5. milamm ( 30/03/2010 09:04)
mibaliaka > iverenako kely ilay ahiahy voalazanao momba ny fampiasana ireo zezika samihafa, tsy ela izay araky ny fanambarany tale jeneraly fambolena no nampidirana ilay fandaharan'asa fampitomboana ny vokatra isam-paritra isan-taona,ireo fepetra fototra dia ireto
- ny fampidirana ireo masomboly safiotra(hybrid crops Genetically Modified) mampiakatra ny taham-bokatra isam-paritra(56 tonnes no vatsy @ ireo masomboly ampiasaina ho andrana sy vaha-olana maharitra)

- ny fisafidianana ny zezika ampiasaina izay efa fantatra fa mizara 2

. zezika biolojika(izay kely dia kely ny fangaro simika hita ao ary mampiroborobo ny fambolena mavitrika/bio-dynamic,oh.toy ny zezi-pahitra tain'omby,tandrok'omby,mololo nialon'andro na bozaka sns) ny sarany moa dia mora ra oharina @ ilay zezi-baha hafa manaraka,mahery ny 75% ny tantsaha no mampiasa azy io no sady mora kokoa 940 Ar/kg no ilaina
. zezika simika(zezi-bazaha)compost,insecticide,pesticide izay tena famokarana indostrialy hanafaingana ny vokatra(teren-ko masaka) no tsy tsara ho an'ny fahasalamany mpanjifa ,sarany moa dia 2000 Ar/kg
Ireo no azo ambara hatr@ zao ka asa raha manampy
6. vitalkamaoly ( 30/03/2010 11:25)
efa misy polifika momba ny fambolena ato @ governemanta e.Zaraina 2 ny tany: -ny iray ampasana zezibazah (le omena ny daewoo)de ny iray gasy.De ny antsika le mbola natoraly ihany no ohanitsika fa le ray alefa any ivelany ny vokatra.
7. AndriambyII ( 31/03/2010 07:54)
Ny fampiasana ny masomboly OGM mikasika ny sakafo notokony ho arahina maso sy atao izay tsy hidirany ao Mada ,raha OGM @ coton ohatra dia tsy maninona ,na sisal , na hazo fanao fanaka ,ny @ engrai chimique indray dia tsy tokony hampidirana engrai animal ao dago ao , fa manova ny toetry ny tany .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0563