zezi-bazaha sy ny fahasalamana...
1. mibalika
(
29/03/2010 14:52)
:roll: Asa raha mba nanaitra anareo fa izaho aloha dia gaga sy lasa saina ihany satria:ry zareo vazaha aza niverina amin'ny fomba "bio"(zezika naturelle),dia ny Mpamboly Malagasy indray no hezahan'ny teknisiana sasatsasany hanao ny fomba fambolena haingana izany hoe :hamporisihina ny mpamboly gasy mba hividy zezi-bazaha satria io no manome vokatra haingana ??? ary mino mihitsy aho fa tsy ho lazain'ireo teknisiana ireo ny loza ahazo ireo tantsaha hampiasa izany na ny fiatraikany eo amin'ny tany hambolena sy ny vokatra...Mampalahelo,mino aho fa ny mpivarotra zezi-bazaha tsy manana mpividy any aminy intsony no mitady hevitra HANAPOTIKA ny tanintsika amin'izany,ka manainga ny rehetra ho mailo fa tsy ny tany ihany no ho potika fa ny FAHASALAMAN'ny rehetra,ka ampitampitao any amin'ireo mpamboly izay fantatrareo izao hafatra izao!
Mahereza daholo!
Mahereza daholo!
novalian'i soanja ny 02/04/2010 04:57
2. rakapy
(
29/03/2010 15:11)
Tena marina mihintsy io volazanao io. Ny mampalahelo anefa dia nohon'ny tsy fahafantarantsika Gasy ilay effect ao aoriana dia roboka mividy zezika simika sy vokatra simika avokoa ny mpamboly sy ny mpanjifa satria hita mivaingana sy malaky ilay vokatra. Sady vaventy no haingana.
Ity resaka ity dia mitaky fahalalana sy fianarana fa tsy ho hazava @ olona tsy dia nadia fianarana loatra izy ity.
Mila ampianarina ny mpamboly sy mpanjifa, izay maro @ izy ireo no tantsaha sy mpanjifa tsy dia nandalo fianarana loatra.

3. mibalika
(
30/03/2010 11:56)
Misaotra Rakapy â!tsy izany mantsy fa ny tenako tia mikaroka ny momban'ny fahasalamana, araky ny boky vakiako momban'ny neurologie dia betsaka ireo olona any an-dafy ankehitriny no manana aretina toy ny Parkison na dia tanora aza; betsaka ny zavatra manome izany aretina izany ary anisany ny mahatonga izany ireo fanafody fambolena na zezika ampisainy ;io no hatahorako hoe: ny fahasalamantsika tsy ho jeren'izy ireo fa izay hamarotany ny zavatra tsy mandeha any aminy intsony no ataony aty! :cry: :cry: :cry:
4. rakapy
(
30/03/2010 16:36)
Angamba tsy maintsy handalo izay nolalovan-dry zareo any an-dafy isika eto M/car raha tsy mahery vaika ny fampahafantarana sy fampianarana ny voka-dratsin'ny zezika simika eo @fahasalaman'ny olombelona sy tontolo.
Mandoka be mantsy ilay vokatra azo rehefa mampiasa zezika simika. Ny voatabia lasa ngeza be, ny karaoty lasa vaventy be sns... Ka na ny mpanjifa aza dia tsy te hividy ilay vokatra madinika organika mihintsy rehefa mahita ny tarehin'ilay vokatra simika tsara bika sy lehibe. Ny mpamboly moa dia faly tokoa satria mitombo ny vokatra.

5. soanja
(
31/03/2010 01:21)
mibalika:
:roll: Asa raha mba nanaitra anareo fa izaho aloha dia gaga sy lasa saina ihany satria:ry zareo vazaha aza niverina amin'ny fomba "bio"(zezika naturelle),dia ny Mpamboly Malagasy indray no hezahan'ny teknisiana sasatsasany hanao ny fomba fambolena haingana izany hoe :hamporisihina ny mpamboly gasy mba hividy zezi-bazaha satria io no manome vokatra haingana ??? ary mino mihitsy aho fa tsy ho lazain'ireo teknisiana ireo ny loza ahazo ireo tantsaha hampiasa izany na ny fiatraikany eo amin'ny tany hambolena sy ny vokatra...Mampalahelo,mino aho fa ny mpivarotra zezi-bazaha tsy manana mpividy any aminy intsony no mitady hevitra HANAPOTIKA ny tanintsika amin'izany,ka manainga ny rehetra ho mailo fa tsy ny tany ihany no ho potika fa ny FAHASALAMAN'ny rehetra,ka ampitampitao any amin'ireo mpamboly izay fantatrareo izao hafatra izao!
Mahereza daholo!
Marina mihitsy izany voalazanao izany saingy nohon'ny fahantrana be loatra mianjady amin'ny tantsaha sy ny hakamoana koa hiaritra kely hanatsara izay efa eo ampelatanana amin'ny alalan'ny zavamisy dia roboka ry zareo amin'izany zezi-bazaha izany.
Tadidiko mihitsy ny fitomanian'ny tantsaha izany zezika izany tamin'ny andronay ka na dia mba te hampiditra ny fanaovana composte aza ianao dia tsy asiany hasiny mihitsy satria mena miraviravy loatra ilay tolotra ery ambadika. Hany ka midi-trosa tokoa izy rehetra noho izany, ka raha sanatria misy ny havandra na valala na loza voajanahary dia sady very momoka ny vokatra no ianao dobon-trosa.
:(
6. mibalika
(
31/03/2010 06:45)
Misaotra ny rehetra mamaly ny hevitra izay natolotro,rehefa namaky an'i Soanja aho dia lasa saina tokoa, marina ny anao, isika Malagasy koa moa mora varotana saka be loha :jereo fotsiny amin'ny sigara sy ny dokam-barotra ,izay tsy mifoka no manenina hoy ny fitenenana,any amin-dry zareo na Amerika izany na Eropa dia mitolona amin'ny tsy hifohana sigara intsony,aiza no alefany ny bizna :aty amin'ny tany mahantra ,dia faly mipololotra daholo fa tsy fantatra akory ny ao ambadik'izany...Izy manana ny villa any,ianao aty tsy misy tratra intsony ...Tsy adala akory izy fa fitadiavam-bola ny azy fa isika no tokony HISAINA bebe kokoa!
Mahereza daholo e
Mahereza daholo e
7. soanja
(
31/03/2010 12:45)
Mibalika> Ie ary izy tsy eo hanome hoe izao no voka-dratsin'ny entam-barotrany! Na hampianatra hoe ahoana no atao hialana amin'ny hafasimbana sns sns...
Raha tany Costa Rica aho indray mandeha dia tena nidanaka tokoa nahita ny pub ny sigara eo amin'ny tele. Isaky ny 10 minitra angamba dia raikitra indray. Sady amin'izany sipa milailay sy zatovolahy katraka no eo amin'ny pub! Ny films-ndry zareo feno fifohana sigara tsy misy ohatr'izany! Mampalahelo ny raharaha... fa dia roboka dia robaka tokoa ireo tanora fanahy!
Raha hiverina amin'ny zezibazaha sy ny fahasalamana angamba dia ny fahitako azy dia tokony ho adidin'ny fanjakana ny mametra/ mampahalala ny fampiasana azy raha tsy mahalala ny tantsaha satria tsy vitan'ny hoe hitondra aretina fa ny tanintsika mihitsy no ho potika ary ny tontolo iainana no ho voa. Zany hoe takiana izay mivarotra an'ireo hanome fanabeazana ho an;ireo ivarotany hoe inona ny vokadratsiny. ankoatrany hoe mahatsara azy koa.

8. mibalika
(
31/03/2010 14:01)
Marina ny hevitrao ry Soanja, ny hilazana sy fampitandremana ny tantsaha,ny olana dia ity fanjakana mbola tsy hita izay vodiny sy lohany ity kanefa ny biznesy mandeha ihany! ary eto dia maporisika "ny atoko Ecologie "aho ho mailo sy hiady mafy mihitsy satria ny ho avin'ny taranaka no tsinjovina...
:D
:D
9. soanja
(
31/03/2010 19:19)
mibalika:
ity fanjakana mbola tsy hita izay vodiny sy lohany ity kanefa ny biznesy mandeha ihany! ary eto dia maporisika "ny atoko Ecologie "aho ho mailo sy hiady mafy mihitsy satria ny ho avin'ny taranaka no tsinjovina...
:D
Ie, ny Fanjakana no mambotry antsika ka! Io no tena olana. Azoko lazaina fa tsy ampy Fahendrena ny ao! Tsy mitsinjo lavitra fa ny izay hameno ny paosiny. Ka raha mbola izay foana no eo dia maizina ny ho avin'ny taranaka.
Isika olom-pirenena tokoa no mila mandray andraikitra hatrany. Raha hambony ry Dadatoa Rakoto dia aoka ny tenako ohatra no milaza moramora azy hoe Da'toa aoka kely aloha sao mba mahasoa anao ity hevitro ity...
:D Fa mety tsy hahasoa eo no hoe eo fa hahasoa ny zanak'o bozikely vao mianamamindra io! Enga anie mba hihaino izy.
Mazava ho azy moa fa dia miaraka amin'izay ihany koa ny antoko rehetra na tontolo iainana na ny fahasalamana na ny fiarahamonina sns sns... asio Fanabeazana izay idirantsika sy hinoantsika fa handaitra ho an'ny taranaka ampara! Merci MIBALIAKA :-* :-* :-* :-* (l)
10. sakaizakely
(
01/04/2010 12:49)
marina daholo ny voalazanareo
fa mivaona kely amin'ilay lohahevitra aho, nefa resaka fahasalamana ihany koa avy @ tontolo iainana tsy misy ifandraisany @ resaka zezika
taloha ny amiante dia nampiasana @ taontrano. Ankehitriny moa dia fantatra fa mitarika homamiadana izy io, na ho an'ireo mpiasa mikirakira izany, na ireo olontsotra monina @ trano misy amiante. Nanapakevitra ny fanjakana ho diovina ireo toerana poblika misy amiante, tahaka ny oniversité, ny birao mpanjakana sns...
Vao haingana nisy mpanao gazety nanadihady ny resaka désamiantage, hay moa ka io amiante nongotandreo tsy misy fanarahamaso, fa natsipindreo eny @ saha eny ireto izy, décharge sauvage moa no iantsoany izany, ary amantaonina mihitsy. Vokatrizany dia ahitana diana amiante ny nappes phréatiques maromaro. Dia mankany @ rano ampiasain'ny mpamboly anondrahany ny vokatra io rano io, tsy ferana koa ny ahatongavany any @ sinibendrano sasany...
Mbola resaka arapahasalamana ihany, fantatra koa fa ny plastika dia misy phtalate, bisphenol A samy mitarika homamiadana daholo. Raha ny tokony ho izy dia tsy tokony ampifampikasohana @ sakafo mafana ny plastika, ireo fanafody, na kojakoja (crèmes cosmétiques, dentifrices...) mamindra phtalates ireo dia tokony ialana koa...
Santionany ihany @ ireo loza arampahasalamana mananontanona ny olombelona izany. Zary very maina avokoa ny ezaka atao , raha mitandrina ny aratsakafo ianao, na rivotra iainana, na rano sotroina poizina avokoa. Mahakivy ny mahita fa tsy mety mandray andraikitra sy fepetra mikasika ny tontolo iainana ny governemanta mifandimby rehetra. Indrindra ny an'ireo firenena matanjaka tia tena tsy mahay mitsitsy fa mandanilany foana ny harena ankibontany, no mandoto ny tontolo. Asa ianareo raha naheno fa misy nosy kely any anivon'ny ranomasina Antlantic sa Méditerrannée tsy tadidiko, fa nosy plastika izy io, izany hoe ny plastika aririan'ny olona eny rehetra eny taritin'ny onjandranomasina ka tonga any @ ilay toerana ihaonan'ny onja dia miodinkodina mivangongo eo. Ny plastika anefa toa 90 taona any vao levona
Tsetsatsetsa tsy aritra ihany fa aleo hidina ny baraketra :lol:

11. mibalika
(
01/04/2010 15:55)
:D Dia mamerina fisaorana anareo namana eto amin'ny serasera,maneho ny hevitrareo amin'ny fahasalamana sy ny totolo hiainatsika, tsy ho antsika ihany fa ho an'ireo zanaka amam-para,
raha alefa ny saina dia tena mbola lavitr'ezaka be isika kanefa tsy misy mafy tsy laitran'ny zoto,ito ary ho tohizako ny zavatra manapoizina ny fiainana mety tsy ho fatatry ny Malagasy: ny amiante(tsy fantatro raha misy eto amitsika na tsia ,tsy maintsy mitandrina ihany anefa satria ny batiments administratifs antitra rehetra dia ny vazaha no nanangana ka raha nataony toy ny tany aminy :roll: :roll: :roll: )
ny Piles na wonder io na tsia dia tena poizina(tadidiko tamin'ny taloha misy ankizy mitsindroka ireny piles ireny dia sokafany dia lalaoviny atao tsikonona; izaho aho manotany tena hoe aiza izao ireny ankizy ireny,mbola salama ve?)tsy maiintsy hampianarina ny olona hitandrina tsy hanary izany any an-jaoridira na andevina izany fa mba tokony hisy fanariana manokana amizany...
tsy hoe akory mampatahotra fa indray andro aho nahita emission :any Afrika, dia narary daholo ireto olona teo an-tanàna ary be no lasa jamba no sady tsy afaka niaina intsony notadiavin-dry zareo ny antony;inona hoy ianareo? Fako maloto avy any ivelany no neken'ny fanjakana(nomena vola) ho alevina any amin-dry zareo,ny loza dia ilay transporteur tsy nisahirana fa dia navelany toy izao teo ilay izy...ka aoka ho mailo isika satria mandeha daholo ny afera rehetra amizao na tsara ho an'ny firenena io na tsia
:( :( :(

12. soanja
(
02/04/2010 04:57)
Tohizantsika ihany an....
Eto indray ny anti-these zany e.
Raha resaka tontolo iainana moa zany ny ahy dia resaka ambanivolo ihany no tena arako raha ny any Mada amin'izao.
Isan'ny zavatra manahirana tokoa ity resaka kongona sy parasy ary ny parasy lafrika ity zany e. Io moa zany dia matetika ny DDT no famonoana azy any Mada taddidiko tamin'ny andro taloha, fa asa na efa ny mba misy zavatra hafa izao. Na mety kemikaly mitovitovy lanja aminy ihany. Mahery vaika tokoa.
Dia amin'izao anefa ny siantista namana dia mahita fa tsy tsara ho an'ny zavamananaina mihitsy ilay izy , indrindra fa antsika olombelona moa dia mahatonga homamiadana tokoa rehefa iainana matetika. Aty an-dafy moa dia efa nofohanana ny fampiasana azy amin'ny fiainana andavanandro. Ka ny tena isan'ny olana hono dia manova ny mombamomba ilay biby amin'ny taova na ny fiodin'ny taova ao ilay izy ary mety miteraka biby vaovao hafa mihitsy na miova ny amin'ny atidohany dia lasa manao ny tsy fanaony hono izy ireo vokatr'ity kemikaly iray ity.
Ka eo izany no olana satria any amintsika mbola be parasy sy bibikely manadala sy mandrebireby antsika. Mbola ilaintsika ny fampiasana an'io DDT io zany nefa etsy andaniny koa dia manova zavatra ilay izy ary tsy mifandanja ny zavamisy tamin'ny nanamboaran'Andriamanitra azy ireo. Lasa monstre kely eo zany ilay bibikely ohatra. Misy voalavo vaovao izay vao hita any Toliara any ka io dia sady tsy voalavo an-tanana nefa tsy voalavo an'ala koa. Tsy fantatra mihitsy. Ny olana anefa dia ireo voalavo ireo tsy mifampiteraka sy mifandray fa ity iray ity hono sady afaka mivezivezy eo na ala na an-tanana ary tena mitondra aretina avy any amin'ny biby hafa mankao amin'ny olombelona ary ny aretina avy amintsika mankany amin'ny biby any an'ala ka mety hamono ireo gidrontiska izany.... Io hono dia mety vokatra ny fampiasana ilay DDT na kemikaly hafa ao amin'ny tontolo iainana.
Ahoana izany no handanjalanjantsika ny fiainana. Iza no omena laharam-pahamehana? Ahoana ny afahantsika miaina milamina sy mampiasa izay ananantsika ho mety amintsika nefa tsy hamotika ireo tontolo hafa miara miaina amintsika koa???? Mbola betsaka ny zavatra mbola mila karohantsika vao ho hita ny marimaritra iraisana.
Anareo indray! Misaotra Sakaizakely nitondra ny anjara biriky. :-* :-*