Ny fiangonana aty Amerika

1. soanja ( 24/03/2010 15:43)
Dia variana aho mahita fa misy ny fiangonan'ny mainty ary misy ny fiangonan'ny fotsy hoditra any aminareo ao Atsinanana ka hatrany midina any Atsimo ao. Fa ahoana loatra re ny fandehany amin'io? Isika gasy izany mankaiza amin'ireo rehefa any?

Raha tany Arkansas aho dia niteny ny namako mainty hoditra iray fa tsy hoe manavakavaka akory ry zareo fa io no moramora kokoa aminy ny hankanesany satria samy mainty ao. Raha tany New York indray aho dia ilay namako fotsy no niteny hoe misokatra ho an'ny mainty ny fiangonandry zareo fa ny mainty no tsy tonga.... Dia hoy aho hoe ny tantara izany no ni-shape ny zavanisy saingy hatramin'oviana izany no hisy foana?

Nisy fianakaviana Malagasy iray naka fanapahan-kevitra fa hamonjy ny fiangonana fotsy. Nahatsapa izy ireo anefa nony tao fa mijerijery ny olona ary tsy tena azoazon-dry zareo ny ainy tao.

Raha hiombona ao amin'ny fitiavan'i Kristy isika dia nahoana no tsy vonona hifanosihosy sy hifandray? Vao aty an-tany ve tompoko! Miala tsiny izay voatohina fa izay no zavamisy ao an!
novalian'i neaj ny 07/03/2015 16:04
2. xxx ( 24/03/2010 18:44)
ny fanavakavahana d mbola misy ary tsy ho foana zany io raha ny fijeriko azy,fihatsarambelatsihy no betsaka ataony ny olona sasany fa ny ao an-tsainy d mbola mipetraka ny mainty sy fotsy, rehefa tsy fotsy mitovy aminy d efa mainty enao zay, ny lokon-tsika gasy d mifangaro misy mainty misy zarazara ary misy fotsy fa ny fotsy @tsika d mainty @ zareo tena fotsy
Andriamanitra irery ihany no tsy manavaka
3. sylvain ( 24/03/2010 23:04)
ireto fikambanana ireto no tena mpanavaka sy mpankahala mainty indrindra any Amerika
http://observers.france24.com/fr/content/20090226-obama-ku-klux-klan-ressort-ombre
http://www.lorgane.com/OBAMA-BRULE-PAR-LE-KKK-!_a695.html
4. Belle ( 24/03/2010 23:06)
Tsy misy hafa amin'io resaka io ihany ny resaka saranga (andevo sy andriana) any amintsika. Tsy hisy farany mihitsy io mandra-pahatapitry ny olombelona...
5. ikaretsaka ( 24/03/2010 23:12)
soanja> tsara soritana hoe fiangonana denomination inona io aloha?
6. soanja ( 25/03/2010 04:20)
ikaretsaka:

soanja> tsara soritana hoe fiangonana denomination inona io aloha?


Tsy te hilaza anaram-piangonana aho mantsy teo fa tsy dia izay no tiako soritana saingy aleo lazaiko izay nandalovako.

Ny hitako tany aloha dia fiangonana Protestanta satria ilay iray Baptist ary ny iray Methodist dia ilay farany tao Florida Episcopal.

Ny Katolika ihany no mbola hitako mifangaro aloha raha tany DC sy New York ka asa re na misy manao an'io koa ny Katolika any an-toeran-kafa any.

Mampalahelo ilay toe-draharaha.


7. ikaretsaka ( 25/03/2010 17:37)
ah ok.. no comment indray zahako raha izay :wink:
satria tsy haiko ilay denominations sasany
8. fijo ( 25/03/2010 21:40)
izay mihintsy.io dia araka ny zavatra niainann'y vahoaka tany us.
tsy hiteny ny kanto aho,satria io dia tsy misy kanto fotsy sy mainty fa miray ao aby.

ny mpomba ny finoana pros kosa,dia nizarazara maro.ny pantekotista,sy batista ny evanjelista sns.
ny evanjelista raha ny fahalalako azy ,dia saika ny mainty no ao.marina tokoa,fa hoe tsy manavaka ry zareo,saingy,efa izay no nahazatra,ka toa sadaikatra raha mahita hafa fihodirana tonga ao.
ny any atsimo moa,dia mbola mipetraka aratsaina ny fanavahana.ka tsy mahagaga.
9. ikaretsaka ( 25/03/2010 23:35)
somary gaga kely aho , satria noheveriko hoe ireny fiangonana "mbola majinika" ireny indrindra no tsy manavaka satria mbola "mitady kil"!
kay moa izany...
10. Hinagasy ( 26/03/2010 02:37)
Efa nandeha fiangonana baptist koa aho fony mbola tany US, dia misy ny an'ny fotsy sy ny mainty fa misy alahady hiombonan-drizareo. Misy tsirairay fotsy ao amin'ny mainty ny hitako fa ny fiangonana fotsy no mainty mpiavy no tonga ao fa tsy ny mainty amerikanina. Ary ny hitako aloha dia na samy baptist rizareo dia samy hafa ny fomba fiderany. Ny mainty mietsiketsika kokoa, ireny alleluia tsy hifandrenesana ireny isaky ny miteny ilay ery aloha ery, ny any amin'ny fotsy indray dia mihetsiketsika mitehaka ihany fa somary milamina.
Ny nazavaina tamiko dia hoe misokatra koa ho an'ny mainty sy fotsy ny varavarana fa noho ny tsy fitovizan'ny culture dia izany no mampisy ilay izy.
Ny fiangonana methodist sy presbyterian indray dia tsy misy mainty koa, mpiavy ihany koa ny mainty ao.
Ny fiangonana katolika indray koa dia tsy misy hoe mainty sy fotsy teo amin'ilay toerana nianarako fa iray ihany fa izany hoe fotsy daholo koa ny mpiangona fa tsy misy mainty amerikanina mihitsy fa mpiavy koa raha misy mainty.
Izany hoe ny mainty amerikanina hitako dia baptist daholo ny ankabeazany teo amin'ilay toerana nisy ahy.

11. fijo ( 26/03/2010 22:45)
io marketing ry ika an,ciblena ny communauté iray,dia lasa hery koa ilay izy avy eo.misy ny mafia ao vatican,fa ireo zanaka pros ao zamerika sy brezil ireo koa no tena loza.
12. ikaretsaka ( 27/03/2010 17:39)
ekena fa tsy ilaozan'ny mafia ka... fa ny tsy azoko ange le hoe raha misy de misy ireo fiangonana zanajanany ireo dia 450 na 500 taona mahery nisiana.. nefa dia izany sahady..
13. soanja ( 27/03/2010 21:51)
Hinagasy:

Efa nandeha fiangonana baptist koa aho fony mbola tany US, dia misy ny an'ny fotsy sy ny mainty fa misy alahady hiombonan-drizareo. Misy tsirairay fotsy ao amin'ny mainty ny hitako fa ny fiangonana fotsy no mainty mpiavy no tonga ao fa tsy ny mainty amerikanina. Ary ny hitako aloha dia na samy baptist rizareo dia samy hafa ny fomba fiderany. Ny mainty mietsiketsika kokoa, ireny alleluia tsy hifandrenesana ireny isaky ny miteny ilay ery aloha ery, ny any amin'ny fotsy indray dia mihetsiketsika mitehaka ihany fa somary milamina.
Ny nazavaina tamiko dia hoe misokatra koa ho an'ny mainty sy fotsy ny varavarana fa noho ny tsy fitovizan'ny culture dia izany no mampisy ilay izy.
Ny fiangonana methodist sy presbyterian indray dia tsy misy mainty koa, mpiavy ihany koa ny mainty ao.
Ny fiangonana katolika indray koa dia tsy misy hoe mainty sy fotsy teo amin'ilay toerana nianarako fa iray ihany fa izany hoe fotsy daholo koa ny mpiangona fa tsy misy mainty amerikanina mihitsy fa mpiavy koa raha misy mainty.
Izany hoe ny mainty amerikanina hitako dia baptist daholo ny ankabeazany teo amin'ilay toerana nisy ahy.




Marina tokoa ireo voalaza ireo.

Ny Gasy FJKM aloha no fantako raha vao tonga aty dia ny Loterana no manakaikikaiky azy kokoa sady io tena be gasy miasa. Ny olona ao efa betsaka no tany Mada.

Ny Loterana aty anefa dia toa ireny mivavaka any amin'ny Katolika ireny ihany no fahitako azy, dia ny tena tsy mahazatra ahy dia mahita azy ireo manao shorts na dia eny amin'ny koral aza. Izay inoako fa fady (tsy fanao) any Mada io , sa ve diso aho? Ny fahalalako azy dia tsy mahalala izay manala devoly izany koa raha ny Loterana aty aminay (West) no resahina, io anefa malaza any Mada?

Ny temoins koa mifangaro tsara ry zareo.

Ny Katolika indray dia mifangaro tokoa aty tsy misy mainty sy fotsy izany , torak'izay koa ny Pantekotista mitambatra.

Ny ankoatr'izay dia ialako tsiny fa tena na fotsy izy na mainty.


14. rijadolly ( 28/03/2010 04:32)
Misaotra Soanja nizara a!

Ny fanotaniako kely Soanja, efa voalazan' sasany ao ihany eny fa na dia se aza fa misokatra ho an 'rehetra ny fiangonana any, dia manotany tena aho hoe tena le culture ny mainty na ny fotsy marina ve no mahatonga io sa complexe ananan 'izy ireo izay mitarika tsy fahzoan' aina rehefa miditra ao? ny fahitan' izay nanatrika, satria mantsy voalaza fa misy mitovy Atoko izireo fa ny fiangonana fotsiny no samy hafa.
15. soanja ( 28/03/2010 15:59)
rijadolly:

Misaotra Soanja nizara a!

Ny fanotaniako kely Soanja, efa voalazan' sasany ao ihany eny fa na dia se aza fa misokatra ho an 'rehetra ny fiangonana any, dia manotany tena aho hoe tena le culture ny mainty na ny fotsy marina ve no mahatonga io sa complexe ananan 'izy ireo izay mitarika tsy fahzoan' aina rehefa miditra ao? ny fahitan' izay nanatrika, satria mantsy voalaza fa misy mitovy Atoko izireo fa ny fiangonana fotsiny no samy hafa.


Raha ny tantara no zohiana dia tao Atsimo Atsinanana no tena niasian'ireo mainty hoditra andevo taloha tamin'izany andro izany, izay vao nitatra niakatra nianavaratra kelikely rehefa nisy ny fanafoanana ny fanandevozana. Ny Kolotsaina niainany no nahatonga azy ireo voatarika tamin'ireo karazam-piangonana ireo satria nisy koa ny fanomezam-pahafahana ny fanahy na dia voageja sy nandevozina aza ny vatana, izy samy izy no nanangana sy nanabe voho izany fiangonana izany. Tamin'izany fotoana izany dia nisy ny fiangonan'ny fotsy ary nisy ny fiangonan'ny mainty, talohan'ny fanandevozana sy tafaran'ny fanadevozana. Noho izany dia tsy mitovy tokoa ny fomba fanompoana an'Andriamanitra tamin'izany satria tsy mitovy ny fijalian'ny fanahy niainan'ny isanisany avy ara-lokon-koditra. Izany tarazo izany no mbola mitohy hatramin'izao. Voa ny toe-tsain'ireo izay nogejaina hatramin'izay na dia tsy eo intsony aza ireo razana niaina izany fanadevozana izany. Ny fanahin'ireo taranaka dia mbola mahatsapa ny fangejana hatrany.... Hita soritra na eny amin'ny fiteny na fihetsika, sarotra ny manadino ny ratra....

Ankehitriny dia sarotra tokoa ho an'ny fotsy ny hiditra amin'izany fiangonana izany satria izy hahatsapa foana fa misy tsy holatra navelan'ireo razany eny an-tratran'ny hafa. Na dia miaiky aza fa iombonana i Kristy dia tsy hahatsapa fiombonanana izy ireo raha vao ny mainty no manodidina eo. Dia toy izany koa ny mainty, eo amin'ny fotsy. Hahatsapa foana izy ireo fa misy angatry ny lasa manaloka ny fiombonana. Iza anefa no omentsiny......

Koa raha hamaly an'i Rija aho dia hoe Eny na mitovy firehena ara-politika aza ireto dia ny kolotsaina no tena manome lanja ny fiain'izy ireo ka tafiditra ao anatin'izany kolotsaina izany ny finoany.

Marihana fa tsy dia tia miparitaka na mifindrafindra toerana toy ny fotsy ny mainty ka zary tsy ahitana azy ireo loatra ny Faritra Andrefana. Moa ny toekarena koa mamehy izay fahafahana izay nohon'ny tsy fitoviana hatrany amboalohany dia manatombo foana ny fotsy manoloana ny mainty.





:(

Marihana koa anefa fa arakaraky ny hidirana aty Andrefana dia mihena ny fitiavan'ireo izay tafita aty ny atao hoe Finoana an'Andriamanitra any ampiangonana na hoe Kristianina noho izany mihavitsy ny fiangonana ary zara raha misy ny mpiangona. :(
16. rijadolly ( 28/03/2010 16:26)
Misaotra Soanja a! :-*
17. ikaretsaka ( 29/03/2010 14:37)
Tena arakara toerana io an fa ny midwest sy ny southwest no mateti-pitranga io lazain'i soanja io

Ny ahy manokana moa dia resaka mozika no tena hitetezako ireny fiangonana hafa ireny (voatery hitendry ohatra na misy seho )

le resaka "manala devoly sy mpiandry" toa tsy kopy akory ry zreo fa iny toa mijanona any Madagasikara fotsiny @ samy loteranina

Ny Kanto no hitako hoe tonga dia mandeha sy tsy manavaka @ io satria kao misy ilay "no standarizeny ny azy" indrindra amin'izao fotoana izao hoe niverina indray ny teny Latinina. dia ny vahiny matetika raha tsy mbola mahay teny Anglisy tsara sy tsy zatra ilay teny sasany (espagnole na sinoa na filipinos) dia naharaka litorjia ihany hoe : sanctus kay izao na gloria na pater...

Tsy dia miantraika loatra kao anefa io raha toerana akaiky Universite no misy anao, na Universitem-panjakana aza fa dia mifangaro ao aby ny loko isankarazany
18. soanja ( 29/03/2010 22:33)
ikaretsaka:

Tena arakara toerana io an fa ny midwest sy ny southwest no mateti-pitranga io lazain'i soanja io




Ilay fihenan'ny mpiangona no resahinao? Marina io saingy ny any amin'ny West coast aloha dia ny Mex sy ny taranany (Latino) no mameno ny fiangonana. Zany hoe mpihavy toa antsika. Ary Katolika no ankamaroany. Efa mihabetsaka koa ny Mexicanina Pantekotista.

Noho izany tsy ny vazaha Amerikanina fotsy sy mainty izay mahery vaika be finoana kokoa toy ny Atsimo ny any fa izay fotsy any ny fahitako azy dia tena efa ambinambiny tokoa na mpihavy. Asa anefa, tsy mahalala ny North West loatra anefa aho.


19. soanja ( 29/03/2010 22:33)
rijadolly:

Misaotra Soanja a! :-*

Samy ho tahian'Andriamanitra daholo!


:-* :-* :-*
20. Mirananirina ( 30/03/2010 14:24)
Ka ny akamaroan'ireo mainty hoditra any tsinona Temoin de Jehovah daholo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0565