fomba fahandro pirina

1. cicine ( 23/03/2010 16:31)
fanontaniana: mba saika hanontany izay afka manambara amiko fomba fahandro pirina azafady.
novalian'i soanja ny 05/05/2010 23:13
2. sipagasy ( 23/03/2010 17:00)
Miarahaba anao

raha ilay pirina hita aty frantsa ilay mbola surgelé aloha ny fanaoko azy dia toy izao:

avoaka ho décongele adiny 1 na 30 minitra eo ho eo ny pirina dia somary arotsaka anaty ronono misy sira sy dipoavatra, dia avy eo arotsaka anaty farine kely dia arotsaka anaty menaka mahamay endasina ohatran'ny manendry ovy frity,
dia hanina miaraka @ vary sosoa
mazotoa homena
3. cicine ( 23/03/2010 17:23)
misaotra betsaka anao,
ary inona no antony hampiasana ronono?
mety hoe manalefaka azy ve satria manko efa nanandrana manendy aho fa tsy nasiako ronono aloha tamin izay e, dia ohatrany mafy be ka izay no nahatonga ahy nanontany eto.
ary misy fomba fahandro amin ny saosy voatabia ve?
misaotra
4. sipagasy ( 23/03/2010 18:46)
mmhh tsy dia haiko loatra ilay hoe naninona no nampiasa ronono, hihih fa fanao dia mba nataoko koa e! hihih, izany hoe hitako t@ ilay mpanampy anay tany an-tanàna fahizay dia tohizako fotsiny,

ny mety hoe aharo atao saosy dia mety hoe efa voaendy iny vao anaovana saosy tongolo sy voatabia miaraka??? tsy haiko aloha e!
5. Ratoa ( 23/03/2010 20:53)
endaso aloha ny tongolo sy voatabia sy flirfliriny rehetra dia izay vao arotsaka ny pirina
6. soanja ( 25/03/2010 05:04)
cicine:

fanontaniana: mba saika hanontany izay afka manambara amiko fomba fahandro pirina azafady.


Tsotra be aloha ny anay any ambanivohitra. Alaina vilany tsatokaty, arotsaka ny pirina voasasa sy voasivana tsara; lena ary vao azo avy any anaty rano. Asiana rano kely zara raha hatototra azy, menaka kely, sira sy dipoavatra dia andrahoana amzay mandrapahamasany ka ritra tsara. Mazotoa.


7. bobone ( 04/05/2010 07:05)
tahaka ny Soanja koa ny anay fa izao tsy dia sasana tsara ny pirina dia arotsaka anaty tsatokay efa misy menaka mila tena mafana tsara ny menaka vao harotsaka ny pirina ! tsy asiana na iona na inona afatsy ny poivre kely na tongolo gasy kely !! tsy asiana tomaty hoan\'ny olona voan\' ny goty!!! fa ilay izy mikarepoka iny mihitsy no tena matsiro !!! andramo anie e!! indrindra hohanina @ vary gasy mavokely tsara ireny ! hatao sosoa ! hmmmm tsara laholo an! ataovy anie e!!
8. diamondra27 ( 04/05/2010 13:19)
inon zany tsatokay
9. soanja ( 05/05/2010 23:13)
bobone:

tsy dia sasana tsara ny pirina


Raha vao tsy sasana tsara anefa akia raha izy avo nanihana iny dia indraindray feno dinta kely na malotoloto na fakofako. Ny rano nanihana azy koa matetika tsy madio loatra satria sady ao ny vehivavy miroboka ao (ireo matetika tsy mikilaoty) , ny ganagana sy ny hafa maro avy any an-tanimbary. Dia mila diovina tsara mihitsy fa tsy potsehina kosa aloha fa manjary simba.

Ny pirina koa dia tsara atao lafi-kenakisoa. Ka atao ohatra ny fandrahoana rehetra ny henakisoa aloha ka rehefa akaiky ho masaka dia esorina ny henakisoa ary arotsaka ny pirina haka ilay mendimendy matsiro ery ambany dia totofana henakisoa amin'izay. Avela homasaka tsara daholo, azo asiana rano kely raha toa ka ritra loatra ny henakisoa. Fa tena atao ritra tsara avo esorina ambony afo malefaka.

Mazotoa homana o.

Ny pirina koa dia tsara atao tonga dia afangaro ny vary rehefa mahandro ka masaka tsara miaraka ao toa rikantone saingy tsy asiana n'inona n'inona afa tsy ilay menaka manendy pirina sy sira ary poavra. Avy eo arotsaka ny vary sy ny rano mahamasaka rehefa izay.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3865