fitsaharana !!

1. Djhamhal ( 12/03/2010 11:55)
ny pasitera ny mopera ny presbitera , sy izay mpitarika fiangonana ! ny fanontaniako dia oe : miasa ve izy ireny ?? zany oe miasa @ fiangonana ve izy ireny ?? nefa aôna moa zany no andro tokony hitsaharana no iasany ??? ary tena miasa mafy miitsy izy reny refa alahady na sabotsy ho an'ny finoana sasany !satria misy fidirana in 2 na 3 !nefa tsy tokony ho fitsaharana ho an'ny rehetra ve io andro io ????
novalian'i fijo ny 18/03/2010 21:59
2. ikaretsaka ( 12/03/2010 20:15)
fitsaharana @ asa atao andavanandro ankoatran'ny asa fiderana an'Atra angamba no dikan'ilay hoe "fitsaharana" eto
arak'ilay hoe "aza miasa fa manompoa sy midera an'Atra" (didy faha3)
(amiko io a)
Satria misy amin-dry zalahy ireny ohatra @ andavanandro dia mampianatra , manao gazety, mamboly, manampy ny mpitsindroka fako, manao politika sns...
3. sipagasy ( 12/03/2010 20:18)
mmhh dia ahoana ireny miasa @ hopitaly sns miasa sabotsy sy alahady ireny izany????? resaka beh amiko izany hoe 'adro fitsaharana = alahady na sabotsy' izany kouhhhh
4. ikaretsaka ( 12/03/2010 22:02)
le hoe "mitsahatra" mihitsy angamba no tsara raha velavelarin'ny mpanokatra sobjektra aloha ny fahazoany azy
5. fijo ( 12/03/2010 23:15)
efa voazava etsy ka,le hoe fitsaharana,dia fitsaharana tsy hiasa,fa hanompo amin'izay.
izany hoe isanandro enao afaka mitondra pikla foana,fa le andro iray io ,mba manompo,ny anay moa mba misotro.
6. ikaretsaka ( 13/03/2010 03:59)
ka izay koa no nazahoako azy ra fijo... hoe raha isanandro mamboly voaloboka dia rehefa alahady (na sabotsy.. iny mao tsy hidirako lalina le hoe andro inona fa iny amiko araka ny point 0 an'ny kotin'andronao ihany) mba tsy mamboly fa midera an'Atra @ vokatry ny Voaloboka
7. niryna ( 13/03/2010 04:51)
ikaretsaka:

fitsaharana @ asa atao andavanandro ankoatran'ny asa fiderana an'Atra angamba no dikan'ilay hoe "fitsaharana" eto
arak'ilay hoe "aza miasa fa manompoa sy midera an'Atra" (didy faha3)
(amiko io a)
Satria misy amin-dry zalahy ireny ohatra @ andavanandro dia mampianatra , manao gazety, mamboly, manampy ny mpitsindroka fako, manao politika sns...

io voalazan'ika io no anisany valiny .
Ajanona avokoa ny asa fanao rehetra andavanandro fa ny asa fanompoana an'Andriamanitra no ataontsika,midera azy,mankalaza ny anarany amin'ny lokanga sy valihy.

Manana fahaizana mitendry zava-maneno hianao dia afaka miditra mitendry ny zava-maneno ao am-piangonana ,tsy karamaina fa manao izany maimaim-poana
santionany ireo,mihira: mandraisa anjara ao amin'ny chorale,mampianatra ny tenin'Atra ,manao asa ao am-piangonana ,mitaty rakitra,mandray andraikitra amin'ny fandraisana ny olona tonga miangona na inona izany na asa inona kanefa tsy mila vola na tambiny fa manasoa sy mampiroborobo ny fanjakan'Atra . Santionan'ny asa atao amin'ilay andro fitsaharana anaovana asa andavan'andro ireo.
Raha toa ka miasa ny sabotsy na alahady indray dia misy fiasana manome ilay andro ka mamela azy ireo tsy miasa

8. hery ( 13/03/2010 06:55)
Jereo ny nataon'i Jesoa

Matio 12:


1 Tamin'izany andro izany Jeso namaky ny tanimbary tamin'ny andro sabata, ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana; 2 fa nony nahita izany ny Farisiana, dia nilaza taminy hoe: Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin'ny sabata. 3 Ary hoy izy taminy: Moa tsy novakinareo va izay nataon'i Davida raha noana izy sy izay nanaraka azy, 4 fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy, ka nihinana ny mofo alahatra, kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? 5 Sa tsy novakinareo ao amin'ny Lalàna va fa amin'ny andro sabata dia mandika ny sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly, kanefa tsy meloka izy? 6 Ary lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly. 7 Raha fantatrareo mantsy ny hevitry ny teny hoe: Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona, dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny hianareo; 8 satria tompon'ny sabata aza ny Zanak'olona.


Momba ny infirmiers sy ny dokotera miasa amin'ny andro alahady indray

Matio 12:
10 ary nisy lehilahy maty tànana teo, ka hoy ireo nanontany an'i Jeso: Moa mety va ny manasitrana amin'ny andro sabata? Mba hiampangany azy no nanaovan'izy ireo an'izany. 11 Dia izao no navaliny azy: Iza moa aminareo no manana ondry iray latsaka an-kady amin'ny sabata ka tsy handray azy sy hanatsoaka azy ao? 12 Ary moa tsy ambony lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany, azo atao ny manao soa amin'ny sabata. 13 Ary tamin'izay dia hoy izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny, ka sitrana tahaka ny ilany. 14 Ary lasa nivoaka ny Farisiana ka niara-nioko ny amin'izay hahafaty azy.

9. Djhamhal ( 13/03/2010 13:25)
ny miasa tiako tenenina dia ny oe : ny pastera sy ny presbitera (reo aloha no fantako) angéh ka mandray vola isambolana é!ny fiangonana sy ny foibe no manakarama azy ! zany oe ra dika tsotra zany dia miasa izy reo !ary azo atao hoe mikarama ! ôtran'ny olona rehetra miasa é! mamelom-bady amanjanaka , miaina ôtran'ny olona rehetra ! fa ny andro hitsaharan'ny olona izy reo no miasa ! ary io andro io fôna no iasandry zareo ! !ka raha io tenind-ra Hery io dia manaiky tsara an'io miitsy za ! fa tsy hoe isaky ny sabata akory i jeso dia nanao asa fôna ! fa zany hoe cas exceptionnel io !
ny andro fitsaharana tiako lazaina dia ny hoe : repos !
10. ikaretsaka ( 13/03/2010 13:46)
Djhamhal:

ny miasa tiako tenenina dia ny oe : ny pastera sy ny presbitera (reo aloha no fantako) angéh ka mandray vola isambolana é!ny fiangonana sy ny foibe no manakarama azy ! zany oe ra dika tsotra zany dia miasa izy reo !ary azo atao hoe mikarama ! ôtran'ny olona rehetra miasa é! mamelom-bady amanjanaka , miaina ôtran'ny olona rehetra ! fa ny andro hitsaharan'ny olona izy reo no miasa ! ary io andro io fôna no iasandry zareo ! !ka raha io tenind-ra Hery io dia manaiky tsara an'io miitsy za ! fa tsy hoe isaky ny sabata akory i jeso dia nanao asa fôna ! fa zany hoe cas exceptionnel io !
ny andro fitsaharana tiako lazaina dia ny hoe : repos !



Mandray vola isam-volana izy, ekena hatreo, ary mikarama toy ny mpikarama rehetra ry zalahy. fa kosa tsy hoe ny andro sabata na alahady ihany akory ry zalahy no miasa sy karamaina sy manao ny asa maha pasitera sy mompera sy presbitera...
amin'ny akapobentsika manko maro ny mihevitra ny hoe "asa n'ireny olona ireny" de le rehefa miakanjo fotsy ery ambony pilipitra ery ihany... tsia de tsia
11. soanja ( 13/03/2010 17:14)
Ny ahy dia hoe:

" AOKA TSY HITSAHATRA NY HITIA" io dia azo ampiharina amin'ny zavatra rehetra. Raha ilaina ny hamelomanao ny vady aman-janakao ao anaty asa mifandraika amin'ny fanirianao dia ny andro fitsaharana dia miankina amin'ny fahitanao azy ao, satria mila maka aina ny vatana ary hiasa milamina hatrany ny fanahy.
Raha ny fitiavana no manesika ny mpitondra fivavahana hanome fahafaham-panahy hidera sy hitsaoka avy amin' ireo ondriny izay mitaky izany dia aoka hiasa izy na maraina na ny hariva. Ny andron'Andriamanitra dia tsy azontsika antsaina akory! Izy ihany no mahalala azy!
12. fijo ( 16/03/2010 22:18)
tsy mandray karama ry rapasy ka.hevitra diso io.
raha mandray karama ry zareo ,dia tokony hisy "grille"ny karama raisiny.izany hoe rah arapasy vao manomboka izao no raisiny,efa elaela kos a,dia lasa izao;
rah anyfahalalako azy anefa tsy misy ary tsy mitovy ny vola raisin'ny rapasy.ny rapasy ao ampamarinana eny andohalo ohatra tsy hitovy vola raisina amin'ny rapasy any analalava,izay faritra lavitra be.
noho izany dia tsy karama io,fa karazana fanmpiana azy.
raha lazaina hoe eo izy vao miasa,koa diso,satria ny rapasy sy damopa,dia isanandro no manao ny asany,fa tsy miandry hoe alahady ihany.

ilay alahady izany dia andro natokana "hifampirisihana"fa ny asa efa andavanandro ny azy ireo.
13. ikaretsaka ( 17/03/2010 12:47)
hay? de ahoana lety le rapasy manana sarety sy bizna sns any @ dezaka ireny?
Ny an-dry damopra manko araka hoe an'ny concregation misy anazy iny daba ampiasainy iny na an'ny foibe na an'ny sekoly na an'ny hopitaly , iznay hoe raha affecte any an-kafa ry zalahy dia mijanona eo iny
14. niryna ( 17/03/2010 18:10)
Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona fa tsy toy ny finoana hafa hoe raha tsy miangona ny Sabata dia tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra ooops .Nisy nandefa hafatra aho dia izay no noteneniny ahy miampy ny hoe tsy tokony ihinana henan-kisoa koa kanefa kisoa tamin'izany andro izany efa maty avokoa dia mbola ho aloto ihany ve ? raha hoe toem-pahasalamana dia hafa indray

ireo voalazan'i hery ireo dia santionany ihany koa

Misy tsy afaka manoatra kanefa izany tsy midika fa ho meloka eo anatrehan'Atra izy satria tsy mitsahatra amin'ny andro tokony hitsaharana.
Ho antsika dia mila manokana andro hitsaharana isika anompoana an'Atra kanefa toy ny hafan'ny Tompo dia miteny hoe aza manao toy ny ataon'ny fariseo ... maro no fanoharana fa ny jiosy ohatra dia tsy mety mamono jiro izy ny zoma fa olona no asainy mamono azy,miakatra rehefa miakatra mody indray izy dia miandry ny mpiandry varavarana eo na olona fa tsy mety manindry ilay boutton fiakarana amin'ny ascenseur ireny izy.
Dia mitovy ihany koa ny hoe tsy ny sakafo no mampaloto antsika fa ny teny izay avoakan'ny vava

15. fijo ( 17/03/2010 22:21)
ka izay mihintsy no antony mahatonga ny rapasy manao bizna.hatraty frantsa io dia mbola ita foana.
efa voalazako,fa tsy mandray karama izy,fa fanampiana.ilay fanampiana io anefa tena zara raha ahafahany misakafo(izy manana vady sy zanaka).vao midina kely eo ambanivohitra antananarivo elahy,dia efa mahita rapasy,tena mampalahelo,na ny fiakanjony aza.misy aza de ny vahoaka no mba manatitra vary hoazy.

izy anefa olona "mba"toteny eo aminn'y fiarahamonina,ary somary araraotiny izay hanaovany ny bizna kely hiainany.

tena zavamisy mampalahelo io,saingy maro.ary ndrema aza efa nilaza mihintsy hoe "ilaina ny handinihana ny rafitra misy eo amin'ny pros,hialana amin'izany zavatra izany,satria lasa misy manao ny tsy fanao ry zalahy.
16. ikaretsaka ( 18/03/2010 12:44)
de io koa ve iznay ny mahatonga ny olona rehefa hoe tena may ny endim-boanjony de any @ ndry mopre sy ry masera no mandeha nohon'ny hoe ho any @ ndrapasy?
ohatra tsotra fotsiny izao ilay cyclone naha tondra drano any Manajary, ... Manakara sns... teo iny... ny reaction an'ny olona tra-boina tonga de hoe ny hamonjy ny trano sy ny sekolin-dry mompera sy ry masera, nohon'ny hoe ho any @ pasitera...
adino nyt resaka"fanolanana" sns rehefa cas ohatran'io
17. fijo ( 18/03/2010 21:59)
izay mihintsy.
efa hiaraha mahalala aloha,fa ny rafitra kanto no rafitra tsarapetraka indrindra erantany.ary aza hadino hoan'izay mbola variana,fa vatikano dia firenena.izany hoe manana ny rafitra politika sy ekonomika azony ampiasaina.

ary rehefa dinihina ,dia tsy miafina,fa ny kanto aloha izao,raha ny any amintsika no hafaka manampy kokoa noho ny pros.ohatra fotsiny amin'izao fotoana izao,dia tsy mahavita zavatra ny fanjakana satria tsy misy vola,nefa fantatro izoa,fa ny kanto ao mada ,dia manao fotodrafitrasa maro any amnaivohitra any.(sekoly,tsena,hopilay sns)ka tsy mahagaga raha toa ka any ny olona no mandeha raha vao misy olana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0466