ny Ran'ny Zanakondry

1. Mandefitra ( 11/03/2010 06:39)
Efa manakaiky ny Paska, ka dia misy fanontaniana manitikitika ahy ity ho antsika Kristianina.
"11 Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin'ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tànanareo; dia ho­haninareo faingana izy, fa Paskan'i Jehovah."
"13 Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho." (Eksodosy 12)

"Fa voavono Kristy, Paska ho antsika"(IKorintiana 5:7)

"27 Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;
28 fa ity no rako, dia ny amin'ny fanekena, izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka."(Matio 26)

Ny Ran'ny Kristy, tokony hosotroin izay Mino Azy, fa zay no didiNy, ary ho famantarana ny vahoakan'Andriamanitra (Paska ho antsika).

- Manao ahona kosa ary ireo milaza ho kristianina, nefa tsy misotro ny Rany?
- Tena zanak'ondry tsy nisy kilema no novonoina, ka nantentina ny varavarana ny rany, ary nohanina ny henany rehefa avy natsatsika. Mofo sy divay no notondroin'i Kristy ho Tenany sy Rany, ka nasainy nohanina sy nosotroina ho famelan-keloka. Io ilay sakramenta (Hita maso miombona @ Tenin'Andriamanitra), hanoloran'ny Tompo ny fiasam-pahasoavany. Koa nahoana ary no betsaka ny fiangonana kristianina no tsy misy io fandraisana ny fanasan'ny Tompo io? (adventiste, Jesosy Mamonjy etc ...)



novalian'i fijo ny 17/03/2010 22:14
2. Mirananirina ( 11/03/2010 09:45)
Manao ahona kosa ary ireo milaza ho kristianina, nefa tsy misotro ny Rany
azonao lazaina ve hoe inona ilay rany...sa divay???Toa presque misotro daholo na tsy Kristianina aza.
3. fijo ( 11/03/2010 22:39)
za aloha tsy kristianina,fa tena mankafy le ran'i razezo e
4. bor2lais ( 12/03/2010 08:40)
Mandra-piandry ny valinteny mety ho entin\'ireo namana tondroin\'i mandefitra dia misy fanontaniana ihany koa mba tiana apetraka amintsika milaza ho mpanara-dia Azy.

Inona moa no fahazoantsika ilay hoe \"misotro ny Rany ?\"

Araka ny fahitako azy manokana dia \"mandray Azy ho fiainana\" no mety azo andikana an\'io koa.

Ka izay fandraisana Azy ho fiainana izay ve mila porofoina sy aseho ivelany (eo amin\'ny tolanam-baravarana tahaka ny zanak\'isiraely tany Egypta) sa ny ao am-po tsy miloaka (izay tsy misy miafina Aminy) dia mety ampy ?\"

Mety eo angamba no misy tsy itovina ... Misy ny manisy lanja be kokoa io fandraisana ny fanasan\'ny Tompo io, ao koa anefa ny manisy lanja kokoa ny toriteny ...

Amiko ihany koa dia \"fahatsiarovana\" ny asa famonjena vitaNY ny fandraisana ny fanasan\'ny Tompo ...

Fomba fijeriko ihany anefa io ary miala tsiny raha toa ka mety mivoana amin\'ny lohahevitra ny zavatra lazaiko ! :D
5. Mirananirina ( 12/03/2010 10:14)
za aloha tsy kristianina,fa tena mankafy le ran'i razezo e
:-D :-D :-D
6. fijo ( 12/03/2010 23:17)
za tena tia azy io ka,izay ihany no mah akama anay roalahy
7. niryna ( 13/03/2010 04:54)

Manao ahona kosa ary ireo milaza ho kristianina, nefa tsy misotro ny Rany
Mirananirina:
azonao lazaina ve hoe inona ilay rany...sa divay???Toa presque misotro daholo na tsy Kristianina aza.
izaho koa miandry ny valiny


8. ikaretsaka ( 13/03/2010 14:01)
Sao ilay hoe :

Nony avy nisakafo.. noraisiny ny kalisy misy ny divay, nisaorany Ianao... notsofiny rano de hoy izy t@ mpianany.... "samia misotro @ ity ianareo fa ity no Ra-ko hatolotra ho anareo"
9. soanja ( 13/03/2010 17:33)
Mandefitra:

Efa manakaiky ny Paska, ka dia misy fanontaniana manitikitika ahy ity ho antsika Kristianina.
"11 Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin'ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tànanareo; dia ho­haninareo faingana izy, fa Paskan'i Jehovah."
"13 Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho." (Eksodosy 12)

"Fa voavono Kristy, Paska ho antsika"(IKorintiana 5:7)

"27 Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;
28 fa ity no rako, dia ny amin'ny fanekena, izay alatsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka."(Matio 26)

Ny Ran'ny Kristy, tokony hosotroin izay Mino Azy, fa zay no didiNy, ary ho famantarana ny vahoakan'Andriamanitra (Paska ho antsika).

- Manao ahona kosa ary ireo milaza ho kristianina, nefa tsy misotro ny Rany?
- Tena zanak'ondry tsy nisy kilema no novonoina, ka nantentina ny varavarana ny rany, ary nohanina ny henany rehefa avy natsatsika. Mofo sy divay no notondroin'i Kristy ho Tenany sy Rany, ka nasainy nohanina sy nosotroina ho famelan-keloka. Io ilay sakramenta (Hita maso miombona @ Tenin'Andriamanitra), hanoloran'ny Tompo ny fiasam-pahasoavany. Koa nahoana ary no betsaka ny fiangonana kristianina no tsy misy io fandraisana ny fanasan'ny Tompo io? (adventiste, Jesosy Mamonjy etc ...)






Izao no azoko havaly amin'ny maha-Krsitianina ahy.

Ny lalana ao anaty baiboly dia nifanaraka tokoa tamin'izany andro izany. Raha arahina ara-bakiteny dia mety hanimba tokoa ny mahaolombelona antsika amin'izao satria ny zavamisy amin'izao fotoana dia mitaky lalana/ fomba fiaina/ fijery hafa , saingy kosa tsy miala amin'ny hafatr'i Jesoa izay manainga antsika hitia an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitiavana ny tenanao sy ny hafa ary atao amin'ny fo tokoa izany.

Omeko ny ohatra, raha nandalo taty aminay ny areti-mifindra "swine flu" dia najanona mihitsy ny fampisotroana ny divay irahana amin'ny rehetra rehefa any ampiangonana. Amin''izao isaky ny avy misotro divay dia mila fafana ny sisin'ilay kalisy. Nisy an'izany ve tamin'izany fotoana izany??? tsy hinoako fa nisy izany fa dia nifindrafindra vava ilay vera ifandimbiasana ary samy mizaka izay azo amin'iny. Tamin'ny andron'i Jesoa dia nisy ny fandroana miaraka ataon'ny lehilahy , izay heveriko fa fomba romana, ary tamin'ireny fotoana ireny aza no nisy fanasitranana be dia be tokoa nataon'i Jesoa satria eo no ho fivoriana sy fahitana olona ary fifandraisana. Amin'izao moa ve mbola manao izany fomba izany ny Kristianina???

Ny ra sy ny vatan'ny Kristy amiko dia isika mifandray ao aminy ary miara -mirohotra mifanampy hanatsarana ny tontolo ifampizarantsika mba tsy hisy anie ny tombo sy hala. I Kristy miaina ao anatintsika isanandro isanandro amin'ny asa sy ny zavatra imatematesantsika tsirairay avy ka mampiombona antsika amin'ny hafa ao AMINY.

10. Mandefitra ( 15/03/2010 05:13)
bor2lais:
Ka izay fandraisana Azy ho fiainana izay ve mila porofoina sy aseho ivelany (eo amin'ny tolanam-baravarana tahaka ny zanak'isiraely tany Egypta) sa ny ao am-po tsy miloaka (izay tsy misy miafina Aminy) dia mety ampy ?"

ekena ilay hoe fandraisana Azy ho fiainana saingy zao no tadidio :
H@ zanak'Isiraely, ka fony Jesosy Kristy tety, ary mbola notohizan'ny Apostoly, dia nisy foana ny fanasan'ny Tompo (latabatry ny Tompo), santatry ny fanasana lehibe @ fampakaram-badin'ny Zanak'olona any andanitra.
Ny mana tany an'efitra, ny papelika, ny mofo dimy sy ny hazan-drano roa, ny mofo sy ny divay zay notondroin ny Tompo Tenany sy Rany, zay mbola notohizan'ny Apostoly koa.
Ka ny fanasan'ny Tompo, hatrizay ka hatrizao, dia vatsin-dalana ho an'ny Mpino, handehanany araky ny finoana, fa miaraka aminy ny Tompo mandram-pahatongan ny fahataperan'izao tontolo izao.
Ka seho ivelany monja na famantarana na fahatsiarovana, fa tena fiainana, hahazoana famelan-keloka raha raisina @ finoana.
11. Mandefitra ( 15/03/2010 05:16)
AHitsiko kely :
Ka tsy seho ivelany monja na famantarana na fahatsiarovana, fa tena fiainana, hahazoana famelan-keloka raha raisina @ finoana.
12. Mandefitra ( 15/03/2010 05:24)
Soanja> aty ny anglikana efa io mamafa kalisy io foana no ataony na mbola tsy tonga aza ny swine flu ka.
Ny protestanta moa any Mada, efa samy manana ny verany ka tsy olana loatra.

Izay mahatonga ilay fanontaniana dia tsotra : Moa ve tena tsy miasa @ zavatra hita maso intsony Kristy fa @ ara-panahy sy anatin'ny fo sisa?

Betsaka no tsy mino intsony fa ny sakramenta anie ka tena fiasam-pahasoavana naorin'i Jesosy ka nandidiany ny mpianany fahizany (Manaova Batisa azy; raiso hano ... sotroinareo rehetra ity).
Fiasam-pahasoavana : hahazoana famelan-keloka sy fiainana mandrakizay @ finoana an'i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy.
Ka raha Baikon'Andriamanitra ve, tsy izy ko no miasa hahatanteraka zay teny fikasana nampiarahany taminy?
13. Mirananirina ( 15/03/2010 10:31)
amin'izao loza etsy ,loza aroa,miha-mihena ny fahatokisana sy ny finoana.
14. bor2lais ( 15/03/2010 13:38)
Voalaza teo :
"Ny mana tany an'efitra, ny papelika, ny mofo dimy sy ny hazan-drano roa, ny mofo sy ny divay zay notondroin ny Tompo Tenany sy Rany, zay mbola notohizan'ny Apostoly koa.
Ka ny fanasan'ny Tompo, hatrizay ka hatrizao, dia vatsin-dalana ho an'ny Mpino, handehanany araky ny finoana, fa miaraka aminy ny Tompo mandram-pahatongan ny fahataperan'izao tontolo izao."
---------
Mazava tokoa ilay "ordre chronologique" lazain'i mandefitra.

Tsy amin'izao fotoana izao tokoa no ndeha hihinana mana sy papelika. Ka eo indrindra no tiako ahatongavana.

Ny "fond" dia tsy laviko ary inoako fa iraisan'ny mpanara-dia Azy rehetra : ny fiainana miaraka amin'ny Tompo.

Fa ny tiako tsindrina fotsiny dia eo amin'ilay "forme" : amin'izao vanim-potoana anio izao mantsy dia heveriko fa tsy amin'ny alàlan'ny mofo sy divay ihany akory no azo iainana an'io fanasan'ny Tompo io. Ary ny valinteny omen'ny namana sasany eto dia manaporofo fa toa aviliny aza ny hevitra fonosin'ilay izy !

Amiko ohatra, ny fandalinana Soratra Masina na ny "cellule de prière" dia isan'ny vatsin-dàlana ihany koa ho an'ny mpino fa tsy voatery ilay mofo sy divay ihany akory !

Fomba fijeriko ihany anefa izay an ! :D
15. ikaretsaka ( 15/03/2010 14:10)
Mandefitra:


Ka ny fanasan\'ny Tompo, hatrizay ka hatrizao, dia vatsin-dalana ho an\'ny Mpino, handehanany araky ny finoana, fa miaraka aminy ny Tompo mandram-pahatongan ny fahataperan\'izao tontolo izao.
Ka seho ivelany monja na famantarana na fahatsiarovana, fa tena fiainana, hahazoana famelan-keloka raha raisina @ finoana.

Toa tsy \"fanasana\" intsony anie le izy e amin\'izoa fa taoko efa vita t@ alakamisy masina ny \"farany\"
ny fanasana izany manko kaly be foana matetika, efa tsy fanasana intsony eto fa efa vatana sy ra
asa aloha an, fa amiko tsy mitombina le lojika
16. fijo ( 16/03/2010 22:27)
io amiko dia resaka "marika"na fifankalalana"iraisann'y samy mpino.
izay revy eo tsy haiko,fa misy sirop misy divaka,tsy any le olana,fa hoe inona le hiraisana.(hoanareo io an)izay zavatra hiraisana izay no ra voalaza rah any fahazahoako azy.
17. Mandefitra ( 17/03/2010 08:40)
bor2lais:
Amiko ohatra, ny fandalinana Soratra Masina na ny "cellule de prière" dia isan'ny vatsin-dàlana ihany koa ho an'ny mpino fa tsy voatery ilay mofo sy divay ihany akory !

Ekeko mitsy hoe tsy io irery. Saingy anisan'ny lehibe satria ny Tompo mihitsy no nametraka azy.

Ohatra iray aty @ misy ahy :
Aty aminay zao, ny mpiasan'ny zone franche miasa h@ sabotsy hariva, alahady sisa zany no fotoana hahafahany mihaona @ Tompo. Ka rehefa tsy misy io, de mihena arak zany ny vatsin-dalana ho azy.
Nisy fiantsoana celle de priere tokoa, tsy maintsy andro hariva mazava h oazy, satria mba hoe avy miasa ny mpiasa. 30 teo ho eo no nanatrika, nefa efa > ny 1000 ny gasy aty. Ny antony :
- reraka ny olona raha andavan'andro.
- Alina ny andro ka manahirana ny fodiana

Ny tiako ho lazaina dia tsotra : efa nisy moyen napetraky ny Tompo, ho famelm-panahy, ho famelan-keloka hita maso @ alalan ny fandraisana ny Tena aman-dran i Kristy ao ampiangonana fa mahagaga ny tsy hanomezan'ny Kristianina sasany Lanja azy.
Hain'ny Kristy tsara anie ny olombelona fa mila zavatra hita maso, mba hahazoany antoka ilay famonjena sy famelan-keloka (Batisa sy Fandraisana).


18. ikaretsaka ( 17/03/2010 12:10)
Amiko ohatra, ny fandalinana Soratra Masina na ny "cellule de prière" dia isan'ny vatsin-dàlana ihany koa ho an'ny mpino fa tsy voatery ilay mofo sy divay ihany akory !


de aiza kay no hidirana sy hifandraisan' le Ran-janakondry (voalaza @ sobjektra eo?

amiko manko matoa izy niteny mazava tsara hoe Ra... de marika izay... matoa izy niteny mazava tsara (sy namerimberina) hoe ra-ko ity, sy hoe izay misotro an'ity... dia misy antony hafa mihitsy
19. fijo ( 17/03/2010 22:14)
izay mantsy,izytsy hoe handidy tena,na hoe haka zanak'ondry de haka nyran'io,fa marika hifandraisan'ireo mpiray fisainana io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2401