Safidin\'ny RAD !

1. xxx ( 07/03/2010 18:25)
izaho dia nipoitra tao ¨@ fianakaviana tsy dia nanana ny ampy loatra ! nanana olontiana aho ary noraran\'ny fianakavian\'ilay vehivavy tsy hiaraka izahay fa oe saranga tsy mitovy !refa nandinika aho toa rariny ihany ny azy ireo satria tsy mitovy velively na ny fomba fiainanay na ny kipitsopitso-piainana rehetra ! io tovovavy io anefa tsy nitsahatra ny nitia ahy eny fa na dia efa nisy tovolahy efa nomanin\'ny rad aza! ary izaho miitsy aza no nanapakevitra fa hisintaka any ¨@ faritany miitsy ¨@ zay dia ho vita ny anay ! dia vita tokoa satria tsy nisy serasera tsony teo aminay ! afaka 5 taona taty aoriana anefa zay efa samy nanambady ary nitantara tamiko ny fahoriany ao antokantranony! sady ny naha ontsa ahy dia tsy nifampiteraka izy sy lé vadiny nefa ilay vadiny efa nanambady sy efa niteraka talohan\'ny fanambadiandry zareo ! mampalahelo ahy ny tantarany ka hoy aho oe: izao tokoa ve safidin\'ireo ray amandreniny ho anjarany ??
novalian'i muro ny 16/03/2010 12:52
2. cowgirl ( 07/03/2010 20:53)
Matetika tokoa ny RAD no diso miditra lalina @ fiainan- janany, na fanambadiana io na fianarana koa aza. Ary milatsaka antsehatra mihitsy izy ireo eo amin´ireo lafiny ireo satria heverin´izy ireo tsy mahasambatra an- janany ny safidiny ohatra.
Nisy tovovavy iray toa ny tantaranao izay. nifankatia t@ tovolahy iray mbola mpianatra t@zay de tsy neken´ireo RAD fa toa tsy andrina sady mavomavo, fa ny tovolahy mendrika an- janany de tovolahy andriana sy zanak´i ny mpanana dia nanaiky rakalakely satria nanara-kefa sy nankato ny ray sy reniny taty ahoriana tafita ra- tovolahy mavomavo fahiny nahazo asa tsara fa ilay tovolahy zanak´andriana mpamono vady sy mpiloka no tsy an´asa.
ny zaza @ io tonga isan- taona zao 8 taona izay 8 ny ankizy ramose mamo lava sy mpiloka , ilay tovolahy mavo nahita ny sahaza azy sy miadana @zao. Kodiaran- tsarety tokoa ny fiainana.
Ny Rad de maro ny diso tetika @ io safidy raisiny io nefa ao ihany koa ny marina rehefa ny zanaka izay no maditra tsy laitra tenenina.
3. Ratoa ( 07/03/2010 23:00)
Izany ve no ato hoe tody?
Amin'ny vehivavy, ny saina no mibaiko ny vatana. Rehefa tsy tomombana ny saina dia tsy mahazo zaza mihitsy izy. Ity faharoa izany mahay manary dia ny tenany na matanja-tsaina kokoa dia nahazo zaza.
Fa ity indray tantara hafa. Ny zazavavy, samy mpianatra ho dokotera izy sy ilay niarahany. Be vohoka izy dia nialan'ilay bandy. Nahare izany ny renin'ilay bandy dia naka an-drazazavavy hipetraka aminy fa lahy tokana mojna ny zanany. Nony lehibe anefa ny kibo dia nahazo latsalatsa be foana ilay zzvhv. Farany izy niala tao.
Lasa tany Frantsa ilay bandy dia nanambady tovovavy tany, mitovy saranga hono sy mbola madio fa ilay reninjaza tsy nahatan-damba. Tsy niteraka efa ho 20 taona izay. Iny ary fa tonga manjohy ny renin-dzanany ity rangahy. Nitory tamin'ny tribonaly mihitsy haka ny zaza ary tsy nomen'ny tribonaly rariny moa lay zaza tena mitovy aminy sy lahy ary mahay dia mahay tsy te hierika azy mihitsy. satria na ilay renibe aza taty aoriana nampiseho tsy fitiavana.

Fiaina izany. Tody ve?
4. soanja ( 08/03/2010 04:43)
xxx:

izaho dia nipoitra tao ¨@ fianakaviana tsy dia nanana ny ampy loatra ! nanana olontiana aho ary noraran\'ny fianakavian\'ilay vehivavy tsy hiaraka izahay fa oe saranga tsy mitovy !refa nandinika aho toa rariny ihany ny azy ireo satria tsy mitovy velively na ny fomba fiainanay na ny kipitsopitso-piainana rehetra ! io tovovavy io anefa tsy nitsahatra ny nitia ahy eny fa na dia efa nisy tovolahy efa nomanin\'ny rad aza! ary izaho miitsy aza no nanapakevitra fa hisintaka any ¨@ faritany miitsy ¨@ zay dia ho vita ny anay ! dia vita tokoa satria tsy nisy serasera tsony teo aminay ! afaka 5 taona taty aoriana anefa zay efa samy nanambady ary nitantara tamiko ny fahoriany ao antokantranony! sady ny naha ontsa ahy dia tsy nifampiteraka izy sy lé vadiny nefa ilay vadiny efa nanambady sy efa niteraka talohan\'ny fanambadiandry zareo ! mampalahelo ahy ny tantarany ka hoy aho oe: izao tokoa ve safidin\'ireo ray amandreniny ho anjarany ??


Miankina amin'ny RAD isanisany avy io, indrindra ny fomba nitaizana sy kolotsaina nahalehibe koa ireo RAD ireo. Ny RAD dia mikatsaka lalandava ny hampanjary sy hampiroborobo ny fianakaviana sy taranaka. Mety mahita lavitra izy ireo ary misy ny fohy fisainana koa saingy iray ihany no ao ampony dia ny fitiavan-janaka.

Azoko lazaina fa raha tena tia tokoa ravehivavy dia tsy nanaraka ny baikon'ny RAD niny fa nandeha nanohy ny safidin'ny fony. Saingy eo koa ny kolotsaina namehy azy hanaiky RAD. Noho izany dia tsy anjara ianao no fahitako azy fa tsy hoe ny RAD no nampiditra angano ny zanany. Tsy misy mahalala izay ho aviny any ny olombelona satria tsy dia mpaminany isika. Saingy ny fiainana dia vokatry ny zavamisy matetika. Iza no safidin'ny fonao. matanjaka ve ianao hiatrika ny mafy, ny higoka ny mangidy. Mangidy ny ho hala -dRad saingy ny vady no hanome mamy anao tokoa!

Ary raha ataoko hoe mamolava ohatra ilay rangahy ka mijaly ampanambadiana ilay vehivavy dia ny vy tsy mikitrana irery fa matoa misy ny fimamoana ohatra dia mbola lalina kokoa ny aretina. ohatra fotsiny io an. Ny tokatrano tsy olan'irery fa olan'ny roroa. Tsy ny zanaka roa na telo alohan'ny fanambadiana re no olana ary tsy ny fiterahana fa matoa izy nidtra dia efa nanaiky izany tokoa. Mila mijery akaiky ny fiainany ilay vehivavy amiko. Ny fitiavana taloha anie mavaivay foana rehefa hita tampoka indray e. Hisy hanadino izany fitiavana tany amin'ny Lycee zany ve matetika? na dia hita aza fa tsy novadiana ilay olona saingy izay no zavamisy.

Tsy anjara ny aminareo no tiako tenenina. Izay no fiainany dia aoka ho izay no anjarany izany. Ny hoe hitsetra azy dia marina tokoa saingy aoka tsy hanome tsiny ny hafa satria ny fanambadiana dia safidin'ny tsirairay hiditra aminy ka na hipoaka aza ny varatra dia tsy hisy hahatana ny mpifankatia tsy hifanantona sy hIfamihina ary hiray.


5. Mirananirina ( 08/03/2010 09:04)
izao tokoa ve safidin'ireo ray amandreniny ho anjarany
mampalahelo tokoa fa amin'izao fotoana izao dia mbola misy RAD manao izany ihany ,sakanana ny mpifankatia dia tolorana vady...nefa ny tany efa mandroso. :( :( :(
6. Djhamhal ( 08/03/2010 12:16)
itako fa mbola olana sedrain'ny tanora miitsy ty safidin'ny rad ty ! zao mantsy ! ny tanora dia mbola eo ambany fifehezan'ny rad fôna mandra-panambadiny sy raha mbola izy reo no miahy ny zanany ! matetika anefa dia ny anaran-dray no vadiana @ malagasy zany oe: zanak'iza izy ?? avy aiza ?? inona ny fananan'ny rad?? sns ... io anefa no diso be satria izay harenan'ny rad sy ny mombamomba azy reo! dia azy reo zany ;fa tsy haorina eo ambonin'zany miitsy ny fifankatiavan'olon2 !sy ny fiarahany! ary ny tokantranony ! ekena fa misy fahasarotany ihany koa anefa ny handà avy hatrany izay safidin'ny rad satria ho tonga ny oe: tsy zanako tsony enao ! tsy hitso-drano izahay ! izy no mahavita anao fa inona tsony moa zay aminao ..sns....! ka itako fa sarotra ! nefa araky ny voalaza ery ambony dia: iza ary no mibaby ny fahoriana rehefa any aoriana ?????
7. njari ( 15/03/2010 12:51)
za de anisan'ny tratran'io resaka RAD io mitsy, fa saingy tsy niasako loha, ny vadiko fotsiny no nanontaniako tam zany raha hanohy zahay na tsia fa sinon de aleo faranana avy hatrany, saingy rehefa nozohina ny marina de tsy misy mahasakana le fitiavana raha tsara orina le izy..... am zao le RAD mbola mitady hiditra lalina am le fiainana ndray refa tonga ny zàzà fa za tsy hanaiky e, za no nanao azy de za kou no mandidy sy manapaka, za no mitaiza azy am zay tiako hitazaina azy....
misy ihany ny guerre froide entre-nay, zay tsy maka lagy aminy fa ny fiainako fotsiny non tsy tiako hidirany lalina, de kôpy izy de sady sosotra no mipirina
mais c com ça la vie.....
fa ho an'ireo zay tratran'zany an, de torohevitra ny ahy hoe diniho tsara alou raha ça vaut le coup et la peine le partenaire nao (na lahy io na vavy) raha tena vonona hisedra tokoa, sao de miady nefa tsy hahatody hatrm farany akory ka oainina sady latsalatsain'oul fotsiny eo
nefa kou, na tafiditra aza ka sendra ny hoe nivadika le iray de tsy koi jou zany fa atrehina satria natao, mila mi affronter sy mandray responsablité am zay natao e.... fa rehefa miatrika enao de matetika vainqueur foana.....
courage daôly e

:lol:
8. muro ( 16/03/2010 12:52)
Ny RAD tsy maintsy miteny ny zanany foana ka dia anjarantsika zanaka no manavaka izay azo raisina sy tsia satria tsy tokony ny RAD no manapa-kevitra eo @ toerantsika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2402