TIAKO IANAO fa tsy afaka miaraka isika

1. bobimarolahy ( 07/03/2010 13:58)
Tena teny mankarary saina io teny io.nefa tena marina no nambarany,ataony ahoana tokoa moa ny andeha hanary tena hiaraka @ olona tsy azo hianteherana @ ho avy? Toy izany no sehatra hiainako ankehitriny nanana olon'tiana ihany aho fa efa samy lao izahay dia samy niala. Efa tsy andriko ery ny nialana taminy ahazoako miresaka sy mitia an'io olona io, tsy neniko ny nisaraka tamin'ilay teo aloha satria raha ny olon-tsy tiana no manafosafo tsy aleo ve misaraka hoy ny hira fa loza ihany koa anefa no nafitsok'ity nantenaina ho solony, aza mahavoa ny goavy manta an, lehilahy anefa ny tena ka tsy kivy manantena.
Inona no hevitrareo? Hitady hafa ve sa hototoiko tsy hamelako io sipa milaza fa tia ahy nefa tsy mety hiaraka amiko io? Izy aloha dia micharme e ary mahavita misarika hatrany anaty lobolobo fa rehefa tonga ao izy dia lazainy ahy foana io teny io hoe tiako ianao fa tsy afaka miaraka isika. Tsorina aloha fa efa manana olon-tiana izy e! Ary olona moderna be araky ny filazanay mpiakama azy ka asa inona no ndeha atao?
novalian'i soanja ny 29/03/2010 14:07
2. Mirananirina ( 07/03/2010 14:37)
Ary olona moderna
ahoana koa izany???amiko aloha dia tsy mety izany,rehefa tia dia hiarahana ilay olona fa tsy misy izany.Matoa tsy miaraka aminy dia tsy tia izany ,he izany izy hoe efa manana olotiana ka inona intsony no antenainao aminy eo.Manova no mety.
3. bobimarolahy ( 07/03/2010 15:20)
Misaotra an'I Mirana,
Ekena hoe tsy misy antenaina,misy ny namako akaiky milaza ahy an'izany nefa tena siora ve indry fa izay hatramin'ny farany? Indriko mantsy mety vehivavy ka afaka maka ny toerany, ny charmes sy ny fanintonany ahy nefa dia hilazan'ireo namako hafa fa tia ahy marina io fa tena tsy sahy mampirafy.
Gaigy ty leaza a
Hionona izany?
Sa somary hisintahana sy hiavonana kely hitsapana ny fihetsiny.
4. Djhamhal ( 07/03/2010 16:36)
tiako ianao fa tsy afaka miaraka isika.

ny fahitako an'io dia misy point anananao izay tsy itany any ¨@ lé ray no hitiavany anao ! fa ny fitiavany manontolo tsy anao miitsy !
ny charmes sy ny fanintonany ahy nefa dia hilazan'ireo namako hafa fa tia ahy marina io

ianao no tompontsafidy sy mahafantatra azy be be kokoa noho ireo namanao ! fa ny itan'ny namanao anie ka ny fihetsika ivelany fotsiny ihany é! azony amboamboarina daholo zany !
coté ray ndray ! sô dé mbo mampifilafila kely aloha izy vô tena hiditra ??? fanaon'ny vehivavy koa mantsy zany !! kourazy leisy â!
5. soanja ( 07/03/2010 16:41)
bobimarolahy:

Tena teny mankarary saina io teny io.nefa tena marina no nambarany,ataony ahoana tokoa moa ny andeha hanary tena hiaraka @ olona tsy azo hianteherana @ ho avy? Toy izany no sehatra hiainako ankehitriny nanana olon'tiana ihany aho fa efa samy lao izahay dia samy niala. Efa tsy andriko ery ny nialana taminy ahazoako miresaka sy mitia an'io olona io, tsy neniko ny nisaraka tamin'ilay teo aloha satria raha ny olon-tsy tiana no manafosafo tsy aleo ve misaraka hoy ny hira fa loza ihany koa anefa no nafitsok'ity nantenaina ho solony, aza mahavoa ny goavy manta an, lehilahy anefa ny tena ka tsy kivy manantena.
Inona no hevitrareo? Hitady hafa ve sa hototoiko tsy hamelako io sipa milaza fa tia ahy nefa tsy mety hiaraka amiko io? Izy aloha dia micharme e ary mahavita misarika hatrany anaty lobolobo fa rehefa tonga ao izy dia lazainy ahy foana io teny io hoe tiako ianao fa tsy afaka miaraka isika. Tsorina aloha fa efa manana olon-tiana izy e! Ary olona moderna be araky ny filazanay mpiakama azy ka asa inona no ndeha atao?

Aza mba mety lalaovim-behivavy zany tompokolahy! Lehilahy ny tena ka manana tokoa hazon-damosina. Mitenana mazava aminy hoe " Aoka ny fandrebirebena" sady tohizo ny dia . Ny olombelona ary maninona no mety lembilembena, efa hita fa tsy hitondra mankaiza ny raharaha. Raha ny fitiavana no saro-takarina sy tsy ahitan-tsirony no mandreran-tsaina dia aza mandany fotoana fa mbola be ny tsara hafa any miandry anao.

6. Djhamhal ( 07/03/2010 16:49)
Aza mba mety lalaovim-behivavy zany tompokolahy!

melsy Soanja an! marina be ny anjyyy!!
7. bobimarolahy ( 07/03/2010 17:24)
Misaotra Soanja,
marina hoe lehilahy ny tena ka tokony hanana hazo ao andamosina, isan'ny olona mora mionona raha izaho ka tsy olana ny tsy hirarahiako azy intsony rehefa tsy anao izy, nefa tsy maintsy mila hevitra avy aminareo namana aho vao manapakevitra.
indrindra fa ireo vehivavy toa azy, tsy manaiky rebirebena aho fa nisafidy mihitsy ny hiaritra sao mba tiany ihany fa rehefa tonga moa ny fotoana tsy maintsy ierehana dia tsy maintsy lasa koa e!
8. soanja ( 07/03/2010 17:35)

Misy tokoa ny fitenena hoe " Izay maharitra vadin'Andriana" fa saingy aza hadino manisy fetra ny faharetana. Ianao ihany no mahalala ny fetra momba anao na zakan'ny sainao, aoka ho izay no zavamisy satria misy ny fomba fiteny Malagasy hafa hoe " Miandry vasoka" na hoe " atoandro fitery ronono ka nilaozan'ny omby nihahaka." Sarobidy ny fotoana na iray minitra aza dia efa miodina ny tany eo amin'ny masoandro! Tsarava izany havako!

Djhamal> Misaotra anao koa manoro hevitra. Mahafinaritra ny mitafa!

:-* :-* :-*
9. mangidy ( 07/03/2010 18:02)
,, hoy ilay mpanakato iray izay hoe,, ny miombona tsy afa miaraka hono ,dia naman'ny tafasaraka" tsy ory tsy faly,,, fa olona samy,,, mifanaitra fa tsy mifoha ,, mitady aretina andoha,, aza mahavoa ny goavy manta an, lehilahy anefa ny tena ka tsy kivy manantena. io no hevitra tsara indrindra,,, ka mahereza e!!!
de mitsikia kely
tsiky de ampy!!
10. cowgirl ( 07/03/2010 21:02)
bobimarolahy:

Efa tsy andriko ery ny nialana taminy ahazoako miresaka sy mitia an'io olona io, tsy neniko ny nisaraka tamin'ilay teo aloha satria raha ny olon-tsy tiana no manafosafo tsy aleo ve misaraka hoy ny hira fa loza ihany koa anefa no nafitsok'ity nantenaina ho solony, aza mahavoa ny goavy manta an, lehilahy anefa ny tena ka tsy kivy manantena.

Ity vao tay fa vokatra ny vomanga hihihhihi niala an-katso ka niditra an- Ambohidepona. raharaha koa ny manjo anao izany ry tovolahy marina. hitady sipa hafa indray de anao ahoana indray. koa raha tsy afaka ny hiaraka aminao io sipa vaovao io fa milaza tia anao inona ny dikan´izany hihihih ny fitiavana tsy vitan´i je t´aimoko rika fa mila calin calin sy dosidosy koa hihihihih. sao maty antoka eo ingahy be kely koa hihihihih hiandry an´i paulette tsa ho tonga
korazy leisy e!
11. maryline ( 07/03/2010 23:48)
Mampalahelo no sady mampihomehy hihihhihi
Korazy hono e!
12. Mirananirina ( 08/03/2010 09:09)
Misaotra an'I Mirana,
Ekena hoe tsy misy antenaina,misy ny namako akaiky milaza ahy an'izany nefa tena siora ve indry fa izay hatramin'ny farany? Indriko mantsy mety vehivavy ka afaka maka ny toerany, ny charmes sy ny fanintonany ahy nefa dia hilazan'ireo namako hafa fa tia ahy marina io fa tena tsy sahy mampirafy.
Gaigy ty leaza a
Hionona izany?
Sa somary hisintahana sy hiavonana kely hitsapana ny fihetsiny.
eny eh!ekeko fa misy indraindray ny fitiavana olona hafa ,nefa tsy afaka manoatra satria manana sipa na vady ilay 1.Saingy enao ve dia hiaritra izany eo.Tsy aleo ve mitady olona tonga dia libre hihihi..afak miaraka izao dia izao,raha tsy hoe maharitra hiandry ny rariny sy ny hitsiny eo angaha enao
13. bobimarolahy ( 08/03/2010 11:13)
Eny ary e!
Maro aminareo no nanome hevitra ary ny ankamaroany dia maniraka ahy hiodina any ankafa,ka misaotra tsy nisorona fa ahy amizay ny manaraka.
Tapitra hatreo ny adihevitra.
Mankasitraka e!
Raha misy sondriana @ mety ho tohin'ny tantara dia manorata eto fa izaho eto foana isan'andro tsy miala.
14. Mirananirina ( 08/03/2010 12:47)
ny ankamaroany dia maniraka ahy hiodina any ankafa
ahoaan koa izany.fa angaha moa vadinao izy no hiodina ianao???
15. xxx ( 13/03/2010 20:23)
za vhv fa ny ahy ndray dia izao:efa 8 taona izao no nifankahalalanay ; vao nifanojo izahay dia samy babo: izy tonga dia nibaboka hoe tia ahy , za tsy nahateny fa ankina fontsiny , tonga za dia norohany t@ izay , mon 1er bisous ;
Izy anefa dia efa manambady,manajanaka za tokana t@ zay , ary mbola tokana h@ zao ; 8 taona aty aoriana
Tany dago dia mifanerasera izahay, tsy lasa lavitra fa dia platonique be:za manko namaly azy fa efa manambady izy ka tsy mety ny hiarahanay; h@ zay dia manaja ahy izy;
aty france aho zao, rehefa mandalo aty france izy dia mampiaraka izahay; tsy mifanoroka , tsy manaon'inon'inona fa miara_misakafo, miaraka mi_ballade partout, sy manao shopping, dia rehefa hariva dia samy mody, mifanao veloma @ fomba tsotra, biz eo @takolaka 2 ; platonique é
Tsapako @ fihetsikay 2 anefa fa tena mifankatia izahay ; fa saingy Amour platonique aloha hatreto; iny 1 er bisous iny dia tsy nisy geste hafa intsony
Mampijaly be ilay izy; saingy za tsy mahafoy , izy koa tsy mahafoy dia ampy anay angamba aloha izao platonique izao ; asa raha mandany zara tena aminy aho na tsia!!! inona ny torohevitra azonareo omena ahy?
16. Ratoa ( 14/03/2010 05:06)
ô ry xxx â!

na ianao mitantara fiction sy eritreritra na ianao tsy mahatsiaro tena . Aiza ve ka olona any lavitra any, tsy hita maso, manambady no ifikirana. Fa angaha ianao tsy mba te hanana toka-trano? sy zanaka? Asa lahy!!! fa ny taona dia mandalo, miazakazaka ary tsy hay tazomina, indrindra ny an'ny vehivavy fa misy fetra ny taona azahoana miteraka. 8 taona be izao!!!!
17. bibidia ( 19/03/2010 10:02)
é ray olona e ny ftiavana anie tsy voafehin'ombelona atao izay maha mety azy ilay fitiavana tsy ianao miara mipetreka mifakantia e fa misy endrika maro tsy tambo isaina fa rehefa mifankatia ianareo dia izay ary mifanaja dia izay no zava-dehibe ra ha izay maha mety anareo tohizo ary mifanaja e izaho dia tsy afaka manakina olona @ fitiavana fa mahatoa izy mitaraina misy indro kely hoy ny mapandrafitra zara asa misy anareo eto mba itarainana sa tsy izany.
18. Mirananirina ( 19/03/2010 11:53)
Tany dago dia mifanerasera izahay, tsy lasa lavitra fa dia platonique be:za manko namaly azy fa efa manambady izy ka tsy mety ny hiarahanay; h@ zay dia manaja ahy izy;
aty france aho zao, rehefa mandalo aty france izy dia mampiaraka izahay; tsy mifanoroka , tsy manaon'inon'inona fa miara_misakafo, miaraka mi_ballade partout, sy manao shopping, dia rehefa hariva dia samy mody, mifanao veloma @ fomba tsotra, biz eo @takolaka 2 ; platonique é
Tsapako @ fihetsikay 2 anefa fa tena mifankatia izahay ; fa saingy Amour platonique aloha hatreto; iny 1 er bisous iny dia tsy nisy geste hafa intsony
Mampijaly be ilay izy; saingy za tsy mahafoy , izy koa tsy mahafoy dia ampy anay angamba aloha izao platonique izao ; asa raha mandany zara tena aminy aho na tsia!!! inona ny torohevitra azonareo omena ahy?
valiny
ô ry xxx â!

na ianao mitantara fiction sy eritreritra na ianao tsy mahatsiaro tena . Aiza ve ka olona any lavitra any, tsy hita maso, manambady no ifikirana. Fa angaha ianao tsy mba te hanana toka-trano? sy zanaka? Asa lahy!!! fa ny taona dia mandalo, miazakazaka ary tsy hay tazomina, indrindra ny an'ny vehivavy fa misy fetra ny taona azahoana miteraka. 8 taona be izao!!!!
izao izany ilay hoe lany zara,manantena manko ianao fa hisaraka amin'ny vadiny izy dia ho lasanao???hiandry an'i Paoly.Tsy aleo ve manambady amin'izay sa ahoana.
19. xxx ( 29/03/2010 09:22)
Ka inona ihany ny niafaran'ny tantaran'i bobimarolahy, mampangitakitaka be.
20. soanja ( 29/03/2010 14:07)
xxx:

miara_misakafo, miaraka mi_ballade partout, sy manao shopping, dia rehefa hariva dia samy mody, mifanao veloma @ fomba tsotra, biz eo @takolaka 2 ; platonique é
Tsapako @ fihetsikay 2 anefa fa tena mifankatia izahay ; fa saingy Amour platonique aloha hatreto; iny 1 er bisous iny dia tsy nisy geste hafa intsony
Mampijaly be ilay izy; saingy za tsy mahafoy , izy koa tsy mahafoy dia ampy anay angamba aloha izao platonique izao ; asa raha mandany zara tena aminy aho na tsia!!! inona ny torohevitra azonareo omena ahy?

Io ataonao/ nareo dia fataon'ny mpinamana rehetra mifankatia akaiky madio koa raha tonga amin'ny tanana vaovao izy na hoe mamangy toerana iray ka misy namany ao. Tsy voatery ho mpisipa na mifankatia anaty na hoe amour platonika aza.

Ny mpifankatia dia mifampiresaka izay tsapa ao. Mifampilaza mihitsy hoe tia aho saingy aoka isika ho toy izao sns sns. Mifampizara sekire. Mifanolo vetsovetso eo eny fa na dia vonona fa tsy hifanoroka na hanao firaisana aza. Ny amour platonika dia ahavitana anoratana poezia/ hira sns mihitsy aza ilay tiavina na anamboarana zavatra mihoatra ny mahazatra hamenoana ilay firaisana ara-nofo tsy ho feno mandrakizay.

Ny hoe tsara ny miandry azy na hoe aoka fa tohizo ny dia na hoe mety ve ny ataoko, dia ianao irery ihany no afaka mamaly izany. Samy manana ny mahasambatra azy isika rehetra. Be dia be ny masera tsy manambady nefa sambatra. Efa nahalala tovovavy be dia be aho tsy manambady fa mijanona ho mpitovo hatrany ary afa po izy amin'ny fitiavana kelikely eny. Ao ireo izay dify nefa tsy nahalala fitiavana feno na nahalala fa tsy afaka niaina azy satria nisy sakana sns sns... Manana namana be dia be aho tsy manambady sy tsy manana sipa fa sambatra amin'ny maha olona azy.

Anjaranao ny mahalala hoe inona no tanjonao? Tokatrano, zanaka? tsy voatery tanjona mantsy ny tokatrano amiko fa raha tonga izy indray andro any dia izay izany no lahatra ohatra. Ny fivoatry ny mahasambatra anao no tena mila jerena akaiky. Inona no mitondra fitoniana? Izy ve sa misamboamboatra lava rehefa izy no eo na rehefa tsy eo izy? Izy nefa tsy ho eo foana sady tsy nifampiresahana hoe oviana ny fetra iandrasana sns sns.. Mifampiresaha, mifampiresaha.....

Ny zavatra mampijaly dia fandaniam-potoana amiko raha toa ka tsy ahitam-bokatsoa. Ny iray minitra dia volamena ka aoka tsy hijaly tompoko!

Mahereza lalandava mijery ny mampilamina antsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2219