foza iray harona

1. fijo ( 04/03/2010 20:23)
Teny ifampierana»
Nirava maina ny mpivory, tsy nisy zavatra tapaka omaly

Saika mpanohana an’Ing. Andry Rajoelina ny ankamaroan’ireo mpizaika. Dia hita anefa fa toa miady an-trano izy ireo.
Farany vao nisy ventiny ny omaly! Nisamaritaka ireo mpandray anjara amin’ilay atrikasa «Teny ifampierana» omaly hariva, rehefa natao amin’ny alalan’ny fifidianana tsangan-tanana ireo hevi-dehibe nivoitra ny maraina. Nandeha ny fifidianana ny tokony hananganana ny CENI fa lany zato isan-jato izany. Fa nihitsoka tanteraka teo amin’ ny tokony hanaovana an’ilay fifidianana solombavambahoaka na fikaonandoham-pirenena handinihina ny Lalampanorenana ny raharaha. Raikitra ny fanakianana samihafa satria nisy ireo nahatsikaritra fa nisy nanangan-tanana indroa. Efa tapaka hatramin’ny voalohany anefa fa hatao latsa-bato miafina ilay izy. «Aza fitahina izahay» hoy ny fanamarihan’ny maro. Ing. Lahiniriako Jean, mpikambana ao amin’ny FAT dia nanakiana mafy ny mpitarika. «Misy kolikoly sahady ilay fifidianana. Efa reraka ianao mpitarika. Aza asiana fitaka mihitsy ity raharaha ity. Tsy ekenay ny zavatra efa tapaka teo» hoy izy.
Dia fanina ny mpitarika ny fivoriana satria nitaky fandaminana ny ankamaroan’ireo mpizaika. Tsy nisy zavatra tapaka fa lany teo am-pihainoana ny fanakianana sy ny fanamarihana samihafa ny fotoana. Dia nirava maina aloha ny omaly. Anio maraina no lanin’ny rehetra fa hanaovana ny fifidianana izay fehin-kevitra farany hotanterahina raha saika mbola nikiry hanao izany ny mpitarika. Efa saika niala an-daharana avokoa rahateo ny ankamaroan’ny mpandray anjara.
Nandeha ny fanamarihana samihafa fa efa fikaonandoham-pirenena ity tanterahina ity. Namaly avy hatrany, sady nandrahona ny hivoaka ny efitrano ny ekipan’Ing. Eric Lemalade nilaza fa «ady hevitra no niantsoana anay fa tsy nisy resaka fikaonandoham-pirenena tao amin’ny fanasana». Dia andrasana izany tena hivoaka indray amin’ity anio ity.
Ny Tahiry R.

inona ity ra wiwi an?????tena foza iray harona kleu leu
novalian'i fijo ny 07/03/2010 22:06
2. andrywui2002 ( 04/03/2010 20:29)
tsy taitra ianao fa mbola hivadika ny rasa radem e
vao mifandinika tsara aoha
3. AndriambyII ( 04/03/2010 22:28)
Andriatsimasiso ôôô !! vonjeo zahay manimanitra !! Tonga fofona ny ny poukouna rehetra !! Aza avela hivika ny resaka ry akama na dia kibo voky rivotra lazaina difotra sakafo aza no entintsika miady hevitra ao !,ka aza avela hivezivezy ny fanahy na noana aza ny kibo fa sao mipatitaka ny saina ka isika reetra no hizaka ny hakiviana avy eo !!Mahery ny onjan\' ny fiainana , be ny olona very finoana tsy mahita hitarainana , mahatoky anefa fa ho tonga ny maraina izao ankehitriny izao ,tsy azo atao ny ketraka , samy manana ny tokony ho tenenina daholo rehefa olompirenena !Izay mety ho vita androany , vitao dieny izao ,f\'aza andrasana rahampitso , ny kaly mialinandro mety ho mantsina sy hasiso !! :!: :!:
4. AndriambyII ( 04/03/2010 22:31)
Fozamagro sa fozaivato ?
5. fijo ( 04/03/2010 22:31)
ahannn
6. AndriambyII ( 04/03/2010 22:36)
Ka aôna fijo ? fozavato sa fozamioga ?
7. fijo ( 04/03/2010 22:39)
an an,orana eny an tsaha ka
8. ramosekely ( 04/03/2010 23:08)
be tsy misy handraofana fotsiny le teny ivato
9. pikatti ( 05/03/2010 06:10)
«Aza fitahina izahay» hoy ny fanamarihan’ny maro. Ing. Lahiniriako Jean, mpikambana ao amin’ny FAT dia nanakiana mafy ny mpitarika. «Misy kolikoly sahady ilay fifidianana. Efa reraka ianao mpitarika. Aza asiana fitaka mihitsy ity raharaha ity. Tsy ekenay ny zavatra efa tapaka teo» hoy izy.

Efa samy mpamitaka daholo ireo tsy mifampatoky ireo leisy fijo
Koa hoe , samy hanome daty 5000 hono ry zalahy @ hanaovana fifidianana
5000/365=13 taona mahery izany ry lerony vao ahita valiny, :-D :-D :-D kiiiiiiiiii tena tsy ati-doha marina ny fozaorana
10. Noue ( 05/03/2010 07:35)
fijo:

inona ity ra wiwi an?????tena foza iray harona kleu leu
zany no tena atao oe foza T() eeee !!! à la poubelle !!!


11. ndotofetsy ( 05/03/2010 13:11)
NIFADY FOZA WIWI FA KENDAN NY OTA POZA

=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
12. pikatti ( 05/03/2010 19:42)
Toa fika fanenjehana isan'olona fotsiny le atelier sannn a!
http://www.taratramada.com/ de klikeo le politika :roll: :roll: :roll: hitako tsy any mitsy le resaka
13. fijo ( 05/03/2010 23:27)
izy samy izy aza mahatsapa fa tsy mety le zavatra ataony,izay no tena mahatsikaiky
14. zama92 ( 06/03/2010 12:34)
RALENINABEMISOTROLAVAKATSYMAHALALAFOMBA A AIZA I ANGILETERA NO TSY HARARY LAVA AIZA I LONDRES NO TSY HALOTO LAVA ? SATRIA VE I LONDRES NO MPANALA FAKO TEO AMIN FARIHIN I BEHORIRIKA REHEFA FAHAVARATRA
15. fijo ( 07/03/2010 22:06)
foza inona koa re ity ry neny e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.091