rafy vavy

1. xxx ( 04/03/2010 06:02)
niaraka t@ lehilahy iray aho t@ roa taona izay, nizotra nilamina tsara ny fiarahana ary tena tiako tokoa izy nefa rehefa afaka volana vitsivitsy dia nilaza tamiko izy fa efa manana vady be ary mianatra any an-dafy io sipa io, tena nankarary ny foko ny fandrenesana an\'izany ary dia niteny taminy aho fa raha izay no fandehany dia aleo hajanona ny aminay.
Tapaka hatreo izany ilay fiarahana saingy izao ny tohiny, tonga taty aminay ilay sipa hoe hanao vacances, (mifanakaiky tsinona ny misy anay ka de tsy afa-manaotra fa de mifankahita e), tsy namelan\'io sipa io za raha tsy fantany sy hitany satria mino aho fa efa nisy nitantara tany aminy hoe za no nampirafesan\'ilay bandy azy
Tsy ho tantaraiko eto ny fahoriako fa dia nozakaiko teny izany na de mafy aza.
Aza manody ny mahita ny rafivavinao miedinedina eo anatrehanao sy manao izay handrangitana anao, nefa za tsy nahafantatra azy mihitsy fa dia ny fihetsika no tonga de nahalalako azy sy ilay bandy somary mahina ka tsy mety milahatra aminy mihitsy (???) de nahavariana ahy aloha ny fihetsik\'ilay bandy e ????
Za koa anefa tsy manda fa maharary an\'ilay sipa ny fahalalana ny fisiako, samy tia olona iray izahay, nefa dia izy no nisafidian\'ilay bandy fa tsy za
Vita ny vacances, lasa niverina any an-dafy le sipa, tsy nifankatia sy nifankahita t@ io bandy io mihitsy aho, tsy nila fihavanana fa dia notaphiko tanteraka.
Amin\'ny ora tsy nampoizina akory dia nifampody izaho sy le bandy, tsy haiko ny manazavana azy fa de concours de circonstance ve sa ahoana ; fa alohan\'ny tena niverenanay niaraka dia nilaza taminy aho fa za tsy te hampalahelo an\'io sipa io ary efa izy no nisafidinao ka mijanona aminy, teo vao nivaky ilay bandy fa efa nisaraka ry zareo satria le sipa lasa niverina any an-dafy iny de izay koa ny vita ny amin-dry zareo (avec preuve à l\'appui izany hoe message sns raha izay no mahalaza azy), tsoriko fa na de izay aza ny zava-nitranga dia tsy afaka tanteraka ato anatiko ny doute momba an-dry zareo.
Niverina niaraka izany izahay roa, ka eo no mitranga ny olana, le bandy milaza amiko fa efa nadio ny rano nitan\'ilay sipa ka tsy misy tokony hampanahy ahy intsony, tsy nino azy aho fa tsy nambarako taminy fotsiny
Nisy fotoana ary vacances indray ka ny loza dia za niantso azy iny indrindra no vehivavy no namaly ary olona vonona ny hiady aminao izany ny famaliny na de malefaka tahaka ny inona ary, niantso ahy moa ilay bandy avy eo niala tsiny fa olon-kafa no nandray ny téléphone-ny, nanomboka teo dia nifikitra be amiko ilay bandy ary manao izay tsy hahatafitohina ahy mihitsy, ekeko fa mahafinaritra ahy izany fihetsiny izany nefa dia tsoriko fa sarotra amiko ny hanadino, efa tena miezaka aho ny hanadino kosa aloha e
Tena vaka ny saiko ankehitriny ary tena mamoy fo tanteraka mihitsy, tiako ilay bandy, te hanohy ny fiarahanay aho, nefa koa te hisaraka aminy fa mbola misy fifandraisana @ io sipa io izy izany, voir hoe mbola miaraka ry zareo na dia any an-dafy aza ilay sipa.
Lava dia lava ny tantarako ary misaotra anareo, raisiko daholo na fanakianana na fankaherezana satria tena mila fanampiana aho handinihako ny fana-pahan-kevitra farany ho raisiko ary vonona ny hizaka ny vokany
novalian'i xxx ny 08/03/2010 09:53
2. botra10 ( 04/03/2010 12:52)
xxx:

Lava dia lava ny tantarako ary misaotra anareo


de misaotra andry ihany konko:wink:
3. Djhamhal ( 04/03/2010 13:50)
raha ny fahitako azy manokana dia tsy tokony hametraka tanteraka ny fitiavanao sy ny fo nao manontolo ho azy ianao !satria efa hitanao ny zavatra niseho teo aminareo ! aoka tsy ho baikon'ny fo ary aza terena ihany koa ny saina hanaraka ny fihetsem-ponao ! satria rehefa avy misy olana ianao sy ilay olon-tianao vao te hiteny ianao oe: tahak'izay !! fa ny torohevitro dia tsara raha manana olon-tiana hafa miitsy ianao ! satria ny tsy fanananao izay no mahatonga anao hiaritra foana izay zava-mitranga eo eny fa nadia tsapanao fa maharary anao aza izany !dia mahereza é!
4. Mirananirina ( 04/03/2010 14:10)
tena nisento aho namaky ny tantaranao ary tena malahelo anao tokoa :cry: :cry: :cry: Mafy rehefa tia ary tsy mety adino mihitsy izy io mazàna.Indrindra tratra an'izao mahazo anao izao.Ary mieritreritra fa hoe iny izao no tiany fa tsy izaho.Raha tena tianao izy dia izao,ataovy izay hiarahanareo ka hitan'io sipa io,na fianakaviany.aza avela hiaraka aminy intsony izy fa na ianao na izy.
hevitra 1 koa fa mankarary,ilazao izy fa tsy tantinao ny ataony ka vonona ny hanao sipa hafa ianao ka hisaraka tanteraka aminy.Aza manadala ahy intsony amin'izay hoe.
(efa nataoko izy ity ka nahahomby,nefa aho tena lasa adala tamin'ilay bandy mihitsy sy narary fo):Nisy ol efa nanadala ahy taloha ,avy dia nekeko dia niarahako,nataoko izay nahitan'ilay bandy anay 2,fa izy indray no lasa adala nanenjika ahy eran'ny tanana.izaho moa tsy niresaka taminy intsony,ary tsy niverina taminy intsony.Mahereza.
5. cowgirl ( 04/03/2010 15:50)
:arrow:
Rehefa avy eo aho miverina eo fa mbola tsy manam- potoana aloha @zao (l) (l) (l) :arrow:
6. xxx ( 05/03/2010 09:02)
cowgirl:

Rehefa avy eo aho miverina eo fa mbola tsy manam- potoana aloha @zao

Ho avy masika be eto zany i cowgirl ry xxx voalohany ka dia manantena an'azy isika mianankavy. :wink:

Sinon, tsy dia tena miombi-kevitra amin'i Mirana aho amin'ilay hoe miaraka amin'ny olon-kafa mba handrangitana azy fotsiny dia en plus tsy hiverina amin'izany akory rehefa avy eo. Plutot te hiteny anao za hoe arahao izay safidin'ny fonao, eny na dia mety hankarary INDRAY na TSIA any aoriana. Izay ilay fitiavana e!

Mahereza.
7. xxx ( 05/03/2010 10:23)
misaotra antsika rehetra namaly, na dia izay hoe nisy nifampizarana ny alahelo sy ny olana izay fotsiny ihany aza dia efa zava-dehibe
misy hotsakotsakoina daholo ireo torohevitra ireo
8. 3188 ( 05/03/2010 21:16)
Sinon, tsy dia tena miombi-kevitra amin'i Mirana aho amin'ilay hoe miaraka amin'ny olon-kafa mba handrangitana azy fotsiny dia en plus tsy hiverina amin'izany akory rehefa avy eo. Plutot te hiteny anao za hoe arahao izay safidin'ny fonao, eny na dia mety hankarary INDRAY na TSIA any aoriana. Izay ilay fitiavana e! marina io
9. cowgirl ( 05/03/2010 23:03)
:arrow: rehefa namaky ny tantaranao aho dia nalahelo tokoa, indrindra izany hoe: \" mifanehitra @ rafivavy izany\" matetika rehefa tia ny olona iray dia misisika ihany na efa fantatra izao ary fa tsy ho anjarany , Izay le fitiavana. Mahajamba ny mitia. @ zao fotoana izao dia be ny tsy tena sur @ fitiavany fy ny atsy mamy ny eroa , tsy foina havela ilay teo aloha ary tsy tiana halefa ilay vaovao. ankehitriny tsy misy intsony ilay fitiavana toy ny an´i \" cendrillon\". na ny fanambadiana ankehitriny ary toa maro ny tsy tonga , manjaka de manjaka tokoa ny fampirafesana na eo @ lahy na vavy le GRAND AMOUR tsy misy intsony hihihiihih c´est juste une simple reletion. ny tantaram- pitiavana mamparevo ny olona tantara ihany sisa manonofy ny ho tiavin´olon- tokana ny tsirairay.
Indrisy anefa tsy izany intsony @zao.
lava loatra indray ny soratro fa dia ny any toro-hevitro de izao. araho izay eken´ny eritreritrao fa mety e! ny fitiavana sarotra be ihany e! raha mbola mitohy sy mampijaly ny eritreritrao ny ataony dia aleo miala na maharary aza e! tanala very sampy ka ny manova no mety arakarakao io rehefa eken´ny sainao ilay situation de tsy maninona fa raha mnkarary anao kosa de miala fa ho tapaka lalan- dra eo ianao e!
Mahereza e!
10. soanja ( 06/03/2010 16:54)
xxx:


Tena vaka ny saiko ankehitriny ary tena mamoy fo tanteraka mihitsy, tiako ilay bandy, te hanohy ny fiarahanay aho, nefa koa te hisaraka aminy fa mbola misy fifandraisana @ io sipa io izy izany, voir hoe mbola miaraka ry zareo na dia any an-dafy aza ilay sipa.



Raha ny fisipana na hoe fiarahana tsy ao anaty fanambadiana no be olana dia tsy mamokatra no dikan'izany.

Aza mandany hery/ herintsaina amin'ny fifandraisana manome olana sy adin-tsaina. Sarobidy ny fiainana sady ny minitra iray dia toy ho fitakiana/ hitondra amin'ny filaminana sy fitoniana.

Mirary filaminantsaina lalandava ho anao. Indraindray dia mila ialana kely mihitsy aloha ny eritreritra fiarahana sy fitadiavana fanambadiana sns sns fa mampiakatra ny mahatsara ny mahaizy antsika aloha tsy misy idiran'ny olon-kafa mihitsy!



11. Ratoa ( 06/03/2010 21:51)
Raha izaho ianao ialako tanteraka io bandy io. Ilay kala any an-dafy no andrandrainy satria angamba heveriny fa misy avenir ho azy any ary ianao ataony fila-tsy mahita eo. Lavitra ilay kala ary ianao eo akaiky eo sady fantany fa tia azy. Mety ho rava ny any an-dafy, mety hitohy dia ianao nanantena tsy misy anefa ny taona mandeha. Tsy mitovy ny lahy sy ny vavy raha ny fotoana mandeha no jerena. Izy manao fitan-droa. Ianao tsy mahita ny hafa izay mety ho tsaa lavitra noho io; amin'ny lafin-javatra rehetra.
12. xxx ( 07/03/2010 08:21)
ny bandy matetika rhf manana sipa avy any andafy dia matetika matin'ny interret fotsiny! io tsy misy fijerena na fanadihadihana akory ny momba an'ilay vhv, na mivaro-tena na inona ataony any.mety tsy fidiny azy ny niaraka taminy nohon'ny antony samihafa ka nahatonga azy manaiky hanaovan'ilay sipa va et vient toa izany. zao fotsiny e! manaova koa ianao dia ho adinonao tsikely2 izany rht izany.
13. xxx ( 08/03/2010 09:53)
akory moa atao izany fa dia mahereza ianao.tadidio anefa fa raha tapa-kevitra ny hijanonoa aminy ianao dia tsy ho voafafa na oviana2 io ratra-po nahazo anao io,ka sao dia ianao indray no hivadika any aoriana any.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1658