miasa saina mila torohevitra

1. xxx ( 25/02/2010 10:37)
Dia faly miarahaba anareo ry reto a, mila torohevitra e
Manambady aho ary efa niteraka zay, vao 6 taona momnja no nahavitanay ny mariazinay. talohan'io mariazy io de tena romantique be, ary tena mampiseho fitiavana be tamiko izy, nandalo sedra maro ny fiainanay roa hatramin'ny fnadraràn'ireo fianakam's, nefa de todinay hatramzao. fa am zao fotoana zao de tena lasa nifanalavitra zay roa satria izy de tena tsy mampiseho fitiavana toy ny taloha. vao niova asa izy tato ho ato ary nanjary sahirana be satria be asa be hono. ka nanjary adino le fifanoloram-ptiavana fa lasa routine adim-piainana ny fianana ao an-tokatrano. ny zanakay moa dia zara raha mahita azy ary sasatry ny manontany hoe fa lasa aiza i dada. satria mbola matory izy no efa miainga ao an-trano ny rainy ary efa matory koa vao mody. Rehefa mananotna azy aho mba miresaka hoe tsy ampy fifankahitana sy le romantisme tsony ny fiainantsika fa na za koa aza de misouffre am le izy ka sao de mba tokony hiova tsika. tsy nampiasa loha azy zany, nolazaiko nahitsy ndray izy avy eo fa hoe tena mi manquer ahy le isika talou fa tiako averina, fa eeeeeee, tsy mampiasa loha an-drangahy zany, de niezaka aho ny hanantona azy tam fomba rehetra tambitamby, resaka tsotra, ady, tomany, zay azo atao rehetra e, fa tsy siny vokany. farany dia nolazaiko izy fa raha izao no mitohy de avy aho hitady am hafa zay tsy omenao ahy. de hozy hoe rehefa tsy hoanin-dry zalahy de tsy maninona fa io ihany ny ahy no tena tsy zakako. coté RS ndray kosa aloha de afa-po aho fa saingy tsy zay ihany anefa no ilaiko ao anaty fiainan-tokantrano. Asa raha azonareo le resako. Za lou alou tsy hiodina zany mitsy e, tsy asiako rafiny zany izy fa efa notiaviko sady tiako ary mbola ho tiaviko foana mandrapahafatiko fa saingy tsy ampy ahy ny omeny ahy ary mijaly ihany aho. Mi se sentir hoe tsy misy hilana ahy afa-tsy io koa zany.
ka eo indrindra le ilako fanamiana hoe inona ndray no tokony hataoko hiverenan'ny le afompitiavana taloha?
Misaotra anareo....
novalian'i cowgirl ny 03/03/2010 14:28
2. muro ( 25/02/2010 12:09)
kaiz!
Tena reveko be lay toe-tsainao hoe tsy hiodina mihintsy!
Tsara raha fantarinao @ fomba rehetra ny antony rehetra mahatonga ny écart eo aminareo satria tsy voatery ho lay resaka asa be fotsiny no mahatonga izany.Rehefa fantatrao ireo dia na ianao ihany dia mahita solution na mba mila hevitra @ olona kanefa mba fidio ihany ny olona hakana hevitra.
Ny fiainana tsy ho mahafinaritra foana fa mba tsy maintsy mandalo ny sarotra isika,famolavolana daholo ny olana rehetra ka aza kivy dia aza mitsoaka fa atreho ny ady, mety maharary na mampitomany mihintsy aza kanefa fiainana zany ka courage e!
3. Mirananirina ( 25/02/2010 14:56)
raha izaho aloha ny teo aminy toeranao dia tsy miasa saina amin'izany aho,mody tsy rarahiko..manazava fotsiny aho fa tsy normal izany asanao izany.Tsy misy olona miasa ela be ohatra an'izany.Aleo anontaniako ny patron nao hoe nahoana no ampiasaina mafy ny vadiko.Ilazao izy fa mila azy ireo ny ankizy raha ohatra ka adinony ianao.Izany hoe tsy avelako hatory ve ny ankizy hoe fa miandry anao ;hita eo izay avaliny. :) Misy zavatra hafahafa ao.
4. xxx ( 25/02/2010 15:34)
ka izay mihintsy oa lay tena maplahelo @ lhl sasany! hotran'ny tsy ampy azy intsony ny fahasambarana ho azy ao antonkatranony ka dia tiana ho gacher-na tsotra fotsiny izao.ny antsika gasy mantsy ity resaka fisarahana ity dia tena mbola fady be mihintsy ary tena ratsy eo anivon'ny fiarahamonina mihintsy.ka raha situation hoatr'izao! dia ny fampirafésana no hitako mety,@zay zay tsy azonao aminy mba tadiavinao any @ hafa. :-o :-o
5. muro ( 26/02/2010 06:17)
xxx:

Ovaiko kely mihintsy ny teninao fa tsy ny lhl sasany fa ny ankamaroany mihintsy,lhl aho miteny zany!
Amiko aloha na lhl na vhv no manao toy zao dia tsy normal satria tsy mba afaka hijoro @ maha izy azy zany fa dia miaina anjambany fotsiny ka dia zay hiafaràny any hiafaràny!mampalahelo araky ny voalazanao!
6. rakapy ( 26/02/2010 07:00)
Hoy i Muro
Ovaiko kely mihintsy ny teninao fa tsy ny lhl sasany fa ny ankamaroany mihintsy,lhl aho miteny zany

I Muro izany anisany???

Hoy i Mirananirina
manazava fotsiny aho fa tsy normal izany asanao izany.Tsy misy olona miasa ela be ohatra an'izany.Aleo anontaniako ny patron nao hoe nahoana no ampiasaina mafy ny vadiko.Ilazao izy fa mila azy ireo ny ankizy raha ohatra ka adinony ianao.Izany hoe tsy avelako hatory ve ny ankizy hoe fa miandry anao ;hita eo izay avaliny. Misy zavatra hafahafa ao.

Io dia arakaraka ilay asa fa tsy voatery hoe hiiditra @ 8 dia mody @ 5 ka! Misy ny toeram-piasana sasany aza tsy mody alina mihintsy.
Fa ny tokony ataon'i xxx nametraka ny lohahevitra dia ny manao fanadihadina miafina raha toa ka tena miasa marina ny vadinao mandritra izany ora handaozany ny tokan-tranony izany.
Hoy i xxx
farany dia nolazaiko izy fa raha izao no mitohy de avy aho hitady am hafa zay tsy omenao ahy. de hozy hoe rehefa tsy hoanin-dry zalahy de tsy maninona fa io ihany ny ahy no tena tsy zakako. coté RS ndray kosa aloha de afa-po aho fa saingy tsy zay ihany anefa no ilaiko ao anaty fiainan-tokantrano. Asa raha azonareo le resako.

Tena mazava ny tianao ambara.
Tsy fantatro ianao na any ivelan'ny trano na ao an-trano no miasa? Raha ao an-tokatrano mantsy ianao no miasa dia mety tsy tsampanao ilay fahavizanana mahazo ny vadinao avy any am-piasana (saina , vatana sns..).Tsy midika akory izany fa tsy mandreka ny asanao ao an-trano, fa samihafa mihintsy ilay any ivelany sy ao an-trano.
Afa-po ianao @ RS hoy ianao. Ara-bola koa angamba? Dia mbola mitady fitiavana be avy any aminy koa?

Amiko dia tokony hifaly ianao raha tsapanao fa mbola tia anao izy. Tsy hoe rehefa tsy mahavita ilay fanaony taloha intsony izy dia tsy tia anao intsony. Ny fitiavana dia manaraka volon'andro matetika.

7. Mirananirina ( 26/02/2010 14:28)
Hoy i Mirananirina
Voalaza teo :

Fa ny tokony ataon'i xxx nametraka ny lohahevitra dia ny manao fanadihadina miafina raha toa ka tena miasa marina ny vadinao mandritra izany ora handaozany ny tokan-tranony izany
tsy izay no izy fa izao
satria mbola matory izy no efa miainga ao an-trano ny rainy ary efa matory koa vao mody.

ka tsy hisy olona hiasa aminy 7 maraina ka hatraminy 8 alina isan'andro lava izao.Ekena fa misy ny miasa maraina sy alina ,fa ny jour manaraka repos.
8. muro ( 01/03/2010 09:14)
rakapy:

Hoy i Muro
Ovaiko kely mihintsy ny teninao fa tsy ny lhl sasany fa ny ankamaroany mihintsy,lhl aho miteny zany

I Muro izany anisany???

Hoy i Mirananirina
manazava fotsiny aho fa tsy normal izany asanao izany.Tsy misy olona miasa ela be ohatra an'izany.Aleo anontaniako ny patron nao hoe nahoana no ampiasaina mafy ny vadiko.Ilazao izy fa mila azy ireo ny ankizy raha ohatra ka adinony ianao.Izany hoe tsy avelako hatory ve ny ankizy hoe fa miandry anao ;hita eo izay avaliny. Misy zavatra hafahafa ao.

Io dia arakaraka ilay asa fa tsy voatery hoe hiiditra @ 8 dia mody @ 5 ka! Misy ny toeram-piasana sasany aza tsy mody alina mihintsy.
Fa ny tokony ataon'i xxx nametraka ny lohahevitra dia ny manao fanadihadina miafina raha toa ka tena miasa marina ny vadinao mandritra izany ora handaozany ny tokan-tranony izany.
Hoy i xxx
farany dia nolazaiko izy fa raha izao no mitohy de avy aho hitady am hafa zay tsy omenao ahy. de hozy hoe rehefa tsy hoanin-dry zalahy de tsy maninona fa io ihany ny ahy no tena tsy zakako. coté RS ndray kosa aloha de afa-po aho fa saingy tsy zay ihany anefa no ilaiko ao anaty fiainan-tokantrano. Asa raha azonareo le resako.

Tena mazava ny tianao ambara.
Tsy fantatro ianao na any ivelan'ny trano na ao an-trano no miasa? Raha ao an-tokatrano mantsy ianao no miasa dia mety tsy tsampanao ilay fahavizanana mahazo ny vadinao avy any am-piasana (saina , vatana sns..).Tsy midika akory izany fa tsy mandreka ny asanao ao an-trano, fa samihafa mihintsy ilay any ivelany sy ao an-trano.
Afa-po ianao @ RS hoy ianao. Ara-bola koa angamba? Dia mbola mitady fitiavana be avy any aminy koa?

Amiko dia tokony hifaly ianao raha tsapanao fa mbola tia anao izy. Tsy hoe rehefa tsy mahavita ilay fanaony taloha intsony izy dia tsy tia anao intsony. Ny fitiavana dia manaraka volon'andro matetika.

Kaiz!
ô Rakapy e!f'anga za ra niteny hoe maro de za anisany!! lol
9. rakapy ( 01/03/2010 09:31)
Hoy i Mirananirina

ka tsy hisy olona hiasa aminy 7 maraina ka hatraminy 8 alina isan'andro lava izao.Ekena fa misy ny miasa maraina sy alina ,fa ny jour manaraka repos.

Arakaraka ny asan'ilay olona io e! Ny mpiasa tena dia mazana miasa lavalava nohon'ny olona miasa aman'olona na orinasa.
Hoy Muro
ô Rakapy e!f'anga za ra niteny hoe maro de za anisany!! lol

Iza no mahalala? maro hoy ianao ka izay no nahatonga ahy nametraka ny fanotaniana.
10. Ratoa ( 01/03/2010 20:26)
xxx an !!!!

tena misy izany asa izany fa aza manimba tokatrano amin'izany. Rehefa mitombo ny taona mety hihena ny romantisme.
Fa raha ny rapports intimes no mihena dia grave. Anefa ny anareo mbola tsy mihena. Mety hisy antony maro mantsy mampihena ny rapports intimes: tsy fahasalamana, harerahana, tsy fahampian-torimaso, tsy fahampian'ny fitiavana, sipasipa any ivelany ets....
Izaho miresaka aminao dia mpiasa-pajakana. Nisy fotoana, ary naharitra efa ho 5 taona, izay voatery niasako mafy ohatry izany. Mivoaka ny trano vao mangiran-dratsy ary efa alina idray ny andro vao nody. Tompon'andraikitra ambony aho ary nisy zava-baovao betsaka sy fiovana isan-karazany nahiditra ny asanay. Efa mba nihena ny ora fiasako fa mbola betsaka ihany. Mila mi-comprendre izany ny fiakaviana. Rehefa tonga ny fety, dia miaraha ianareo manao vakansa manja be.
Ny ahy ary nisy fotoana tsy nahafdia tsyahako nanao vakansa mihitsy.
Manana namana koa aho, lehilahy. Izy indray orinasa mahaleo tena no iasany. Vao mangiran-dratsy koa izy dia efa lasa miasa ary efa 22h any ho any vao mody. Ny zanany dia efa notezaina tamin'izany fa rehefa vakansa ry zareo tonga hatrany Argentine, Canada, Ecosse, Bretagne.
Alema izy ireo ary amin'ity taona ity izy dia mikasa ny hiaraka aminay ho any Madagasikara.
Fehiny?
Izay maharitra vadin'andriana.
Aza dia be hadihady (fanontaniana sy ady mihitsy) fa sao mamoheatra. Mety tena eo ampana-tsarana ny asany izy dia ianao no hanimba ny momba anareo. Asio programme ny vakansy fa vakansy telo andro (3 jours) milay be mahasolo fiafiana enimbolana .
Mety hiteraka disadisa tsy aman'antony ianao.
Rehefa hiboriaka izy, na hiady ianao na handambolambo, tsy misy azonao atao.
Mijoroa lalandava ho vehivavy mendrika tahaka nyefa ataonao.
Ka na inona na inona mety hitranga, aoka ho izay foana ny momba anao : tsy resy ianao na lavo fa vehivavy mana-kaja sy voninahitra ary tsy lany ambo-po.
11. Ratoa ( 01/03/2010 20:39)
tsy voatery hisy zavatra hafahafa izany mihitsy ao.
hitsikitsika tsy mandihy, tsy setroka midonaka ka hanainga izay tsy miainga eo ianao!!!Sao dia mba hanenenana lahy!!
Izao no fantaro: raha lehilahyno mivezivezy atsy sy aroa, tsy mahavita adidy firy instony (RS ) satria misy fetrany sy fatrany sy ain'olombelona. Je vous parle d'expérience. na gaigy lahy ohatry ny inona aza, tsy lasa lavitra rehefa mody.
12. xxx ( 02/03/2010 05:19)
:lol: Izay maharitra hono vadin'andriana, ka mahereza fa hiova foana izy e
13. xxx ( 02/03/2010 06:36)

Mety hiteraka disadisa tsy aman'antony ianao.
Rehefa hiboriaka izy, na hiady ianao na handambolambo, tsy misy azonao atao.
Mijoroa lalandava ho vehivavy mendrika tahaka nyefa ataonao.
Ka na inona na inona mety hitranga, aoka ho izay foana ny momba anao : tsy resy ianao na lavo fa vehivavy mana-kaja sy voninahitra ary tsy lany ambo-po.
[/quote]

Misaotra betsaka anao Ratoa an,
Tena marina tokoa ny voalazanao ary mampiakatra morale tsara, niezaka niresaka taminy aho tam semaine lasa teo ary dia tena nahatsapa tokoa izy, dia niova aloha izy hatram zao e. fa saingy rehefa tena noresahiko azy lay izy dia nivadika indray ka lasa saro-piaro tampoka teo izy ary manahy fa sao za nandritry zany olana zany nandeha nitady hafa???? efa nolazaiko izy fa tsy misy an'izany nefa dia mbola mi insiste ihany.. Fa bon, tsy dia miteraka olana akory ny amin'iny fa efa mazava aminy ny zavatra ataoko.
Misaotra anareo rehetra e!!!!!
8)
14. Mirananirina ( 02/03/2010 15:59)
Hoy i Mirananirina
Voalaza teo :

ka tsy hisy olona hiasa aminy 7 maraina ka hatraminy 8 alina isan'andro lava izao.Ekena fa misy ny miasa maraina sy alina ,fa ny jour manaraka repos.

Arakaraka ny asan'ilay olona io e! Ny mpiasa tena dia mazana miasa lavalava nohon'ny olona miasa aman'olona na orinasa.
Hoy Muro
Tsy misy fotoana hoan'ny zanaka mihitsy ve na miasa tena aza.Au contraire miasa tena koa aho.Vao maika manana fotoana libre araka izay tiana.Matory ny ankizy lasa izy,matory ny ankizy tonga izy grrrrrrrrrrr........
15. rakapy ( 02/03/2010 16:51)
Hoy i Mirananirina
Tsy misy fotoana hoan'ny zanaka mihitsy ve na miasa tena aza.Au contraire miasa tena koa aho.Vao maika manana fotoana libre araka izay tiana

Aza raisina hitovy aminao daholo ny olona miasa tena.
16. soanja ( 03/03/2010 03:03)
xxx:

vao niova asa izy tato ho ato ary nanjary sahirana be satria be asa be hono. ka nanjary adino le fifanoloram-ptiavana fa lasa routine adim-piainana ny fianana ao an-tokatrano.

Io fotsiny dia mahalaza fa mandalo fiovana be dia be ny vatany sy ny sainy na antsoina hoe mandalo "transition" izy amin'ny fiainana atrehany arakasa. Raha manavao asa izany dia mila mampiseho izay farany vita tsara indrindra sy ezaka mihoatra ny mahazatra no atao ary izay zavamisy ao dia vaovao sy tsy mahazatra daholo ka mampisy stress amin'ilay olona.

Tsy tsara tabatabaina ny olona manavao asa na fianarana n'inona n'inona fa rehefa milamina sy mahatoky tena izy amin'ny asany dia miverina amin'ny laoniny indray ny fiainam-pianakaviana.

Zavatra iray tokony fantarina kosa tamin'ny fiarahana tany amboalohany dia ny hoe " inona no tena mba tsy aritry ny vadinao taminao ka nahatonga azy hifidy anao tao anatin'ny maro?"
Mila taitairina ny lehilahy ary tampotampohana zava-mahafinaritra tokoa. Ezaka avy any aminao aloha. Miankina lalandava amin'ilay vady io anefa. Asiana filirony ny fiarahana fa tsy ilay lavareny matory dia miray sns sns fotsiny dia mandeha miasa dia valaka, misakafo dia matory indray... Mila ezaka avy amin'ny tsirairay avy izany rehefa hifampiresahana.

Ny fanehoam-pitiavana dia isan-karazany ka mila fantarina tsara hoe amin'ny fotoana sy taona misy anareo dia inona avy izay possible fa tsy hoe haniry zavatra tsy vitan'ny iray amin'iny taonany iny sy ny zavamisy eo. Tadidio fa dia misy tokoa lehilahy mihevitra fa rehefa mahatondra sakafo eo ambony latabatra ho an'ny fianakaviany izy ary matory miaraka amin'ny vadiny dia efa fitiavana feno izany. Ny angolangola sy ny hantahanta sns dia mety efa lefy niaraka tamin'ny adim-piainana atrehina isanandro ary heveriny fa ny tanora no tena mpamely izany.

17. Mirananirina ( 03/03/2010 06:43)
Hoy i Mirananirina
Voalaza teo :
Tsy misy fotoana hoan'ny zanaka mihitsy ve na miasa tena aza.Au contraire miasa tena koa aho.Vao maika manana fotoana libre araka izay tiana

Aza raisina hitovy aminao daholo ny olona miasa tena.
non tsy raisiko toa ahy daholo fa averiko indray ity:
ny zanakay moa dia zara raha mahita azy ary sasatry ny manontany hoe fa lasa aiza i dada. satria mbola matory izy no efa miainga ao an-trano ny rainy ary efa matory koa vao mody.
tsy mitombona ny teninao amin'io hoe miasa tontolo andro ny ol,tsy hahita anjanany mihitsy rakapy
18. Djhamhal ( 03/03/2010 07:17)
za dia mitovitovy amin'io vadinao io ihany koa ny asako ary ny ahy aza miampy sabotsy na alahady miitsy indraindray fa zao ny torohevitra kely omeko anao : refa mirava aloha iny izy na andavanandro na week end dia miara-mivoaka kely nareo mianakavy ! na io resto (tsy de oe resto lafo be sy raitra be akory fa na tsotsotra aza de mety) na io toerana ahafahanareo mianakavy kely miresaka milamina sy tony ;fa aleo mivoaka kely aloha! dia tsy miresaka probleme miitsy fa ezahinao foana ny hampisy ambiance eo @ io fotoana io dia eo no ahitanao azy tsara @ zay mety ho fihetsiny !aza atomboka @ fanontaniana lava reny sy fitsikerana ny fiarahana @ io ! aza mifidy andro we tsy maintsy week end ! fa izay itanao fa mampalalaka dia mety ! dia mirary fahombiazana ho anao !
19. rakapy ( 03/03/2010 08:49)
Hoy i MIrananirina
tsy mitombona ny teninao amin'io hoe miasa tontolo andro ny ol,tsy hahita anjanany mihitsy rakapy

Hoy Djhamhal
za dia mitovitovy amin'io vadinao io ihany koa ny asako ary ny ahy aza miampy sabotsy na alahady miitsy indraindray

Io ary fa nisy nipoitra.Ka aza raisina ho mitovy aminao avokoa ny asan'ny olona rehetra. Zara aza izy manana asa ary manao izay tsy zaka ho an'ny taranany.
Io koa anie indraindra no probleman'ny vhv sasany e. Sady tiana rangahy hitondra vola ao an-trano nefa tiana koa i rangahy hitoetra ao an-trano. Lasa manenjika bitro roa indraindray.
20. cowgirl ( 03/03/2010 14:28)
(l) (l) (l) (l) (l) (l) (l) (l) (l) (l)

ISAORAKO

Dia isaorako indrindra izay nanao ny fitiavana

Na izay namorona azy ho an’izao tontolo izao

Io no nahatonga anao tsy ho nanana fandavana

Raha nandrarmako noraisina ny ratsan-tananao.

Dia ho nisy ve ny oro-tsarobidy mamy indrindra

Raha tsy nisy ny fitia nampitombo izany tsirony ?

Dia ho vitantsika ve ny niaraka namindra

Tao anay aizim-pito raha tsy ny fitia no jirony ?

Fa dia iza moa ianao no dia sahiko imatesana

Raha tsy tao ilay Fitia nanao izany ho hasambarako ?

Notendreny koa ianao hankafy ny fandrenesana

Ny tononkaloko rehetra nosoniavin’ny anarako.

RADO, 28 aprily 1996

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4175