Kihon-dalana Politika GOAVANA !!!

1. AndriambyII ( 10/02/2010 00:19)
MFM ,KDRSM ,MONIMA , AREMA , MDM , TIM, AMP ,OTRIKAFO , AKFM , ETS...
sy izay rehetra mbola hanao politika ; manasa-pé ny ranombary , ary tofoka sy lao ny Malagasy @ ireo politika fitadiavana tombontsoa manokana ho an\' ny sokajin\' olona voafidy .Ka mba tsy hisian\' ny KO tanteraka ho an\' ny tanindrazana dia manainga antsika Maintimolaly sy Besorona hiara-mosalahy @ fanarenana ny tsy nety hatrizay 500 taona nanjinitra izay .

Mila olombaovao tanteraka ny politika malagasy !!

novalian'i Rajakoo ny 11/02/2010 07:41
2. xxx1 ( 10/02/2010 07:35)
Andriambyll:
Ka mba tsy hisian' ny KO tanteraka ho an' ny tanindrazana dia manainga antsika Maintimolaly sy Besorona hiara-mosalahy @ fanarenana ny tsy nety hatrizay 500 taona nanjinitra izay .

Mila olombaovao tanteraka ny politika malagasy !!


Impiry impiry izay ra-hery no nisy nitaraina teto, TAIRO amin'izay hoa ilay antoko vaovaonao fa efa lao ny gasy. Avelao any aloha ilay propagandy mikasika ity karajia-nao ity fa miandry sy manantena anao ny mpiray tanindrazana aminao. Mila anao ny firenena.

TAIRO ra-HERY FA MILONA BE LOATRA KOSA A!
3. falyfenosoa ( 10/02/2010 08:32)
Ko raha tsy antoko hanangona sipan'ny serasera izy 'ty ko, hay moa antoko hanangona sipa any italie ... zay vao azoko tsara, tahaka an'i dadabe osy ihany zany raha mitsangana eo, mba olon-kafa asaina manangana dia ra hery manohana any ambadika dia raikitsa
4. milamm ( 10/02/2010 08:47)
ny mita be tsy laniny mamba,tao-trano tsy efan'irery ary ny tsy mahay sobika mahay fatam-bary ...
mahakasika ny rehetra izany fanovana rafim-pisainana izany fa tsy olombitsy teo aloha ihany,ezaka lavitrezaka tsy maintsy atao ,satria ny olona azo ovana fa ny kolikoly mbola hipetraka raha tsy fongorona,(ILAINA NY OLOM-BAOVAO FA)ahoana no fomba iverenana @ fanompoana tanindrazana sy ny fitiavana izany tany niaviana izany eo angamba no fitaizana voalohany mila fanetsiketsehana lehibe ho an'ny taranaka izay mora voizina @ haitao efa mandroso @ zao fotoana...anisany antony mampahantra ny isam-batan'olona,fiaraha-monina ,firenena 1 ary nararaotiny frantsay hatrizay ny rafimpisainana izay banga @ reo fototra ireo
5. patrick2002 ( 10/02/2010 08:51)
ka io anie letsy ra-billy ,tsy ho tonga eny ambony eny ianao raha tsy manaiky ny hiara-hiasa amin`izy mpanjanaka eh! ,izay no maha voa anio Andry Rajoelina io ,nitaona malagasy ,dia voataona naka fahefana ,azony ny fahefana dia tsy ekeny GIC satria tsy niera taminy naka fahefana fa ny vahoaka maro anisa malagasy no nametraka azy teo .
Zay vao hifampiraharaha aminy nefa izy efa manana ny olony ,dia rehefa te hipetraka eo tsy maintsy manaiky ny teniny .
Izay daholo na i Ravalo na i Ratsiraka samy manana ny vahiny mpanjanaka miaro azy izy ,indrisy
Izay no naha voadaka an`i Zafy albert teo satria be ambo loatra izy tombotsoam-pirenena no ambony .
6. naritsimba ( 10/02/2010 09:19)
Tena mila olom-baovao saingy indrisy fa ny olona no miova fa ny toe-tsain'ny malagasy dia mbola ho ela, firy @ malagasy moa no tsy manome tsiny ny mpitondra raha toa ka tsy mahay manararaotra izy ireny rehefa mahazo fitondrana? efa nolazaiko tany aloha tany ary hitako izany fa nisy olona fantatro tsara, voafidy solombavambahoaka izy t@ zany andro zany, dia nanao ny asany tamim-pahatsorana, rehefa tapitra ny fotoam-piasana, dia esoeson-teny no azony satria tsy mba nividy fiara izy, tsy nanao trano be, fa dia ny fiainany taloha ihany no fiainany, dia tonga daholo zao vavan'ny olona rehetra izao na havana , na namana, na mpanao politika niaraka taminy, dia samy niteny fa adala izy satria tsy mba nanangona tamin-kafetsena fa dia mpiasa be voton'anatra. Ohatra iray lazaiko io ary hitako, ary mbola mifandray amiko io olona io @ zao fotoana, ary dia nitovy ny fomba fijerinay hoe, raha tsy miova ny toe-tsain'ny malagasy tsy handroso madagasikara, toe-tsaina manararaotra no ananan'ny malagasy. Na dia ato @ toeram-piasana iasako aza dia toy izany, vao lasa Dir ranona dia manome promotion ny havana ny namana na dia tsy manana fahaizana sy efa hita fa tsy mahavita azy aza, ary misy moa dia olona efa hita fa nanao ny tsy nety dia tohanana sy ampiana ihany.

Soa ihany izahay mitovy hevitra, fa tsy mba nifidy tavan'olona na teo @ fiaraha-monina na teo @ mpiara-miasa. TSy voatery manao politika vao afaka mampandroso ny firenenao fa rehefa mahavita ianao dia hitan'ny olona ary indrindra amiko manokana any ab-danitra ny valim-pitiako fa tsy ety an-tany akory.
7. AndriambyII ( 10/02/2010 12:03)
Ny tombotsoa kely tsy mahatsinjo ny ampitso , ny fironan- kevitra mpiandany havia sy havanana ,ny eo aloha sy aoriana , ny eo ambony sy ambany , ny fiondanan-kevitra @ ireo matanjaka mpandrafitra ny tontolom-pihariana malagasy ( araky ny fisainan\' ny sasany ),tsy hitondra vahaolana @ fahantrana mianjady @ vahoaka velively , ka mila havalona ary atao any anaty vata firaiketana mba ho tantaran\' ny dimby sy fara .
Ny A/tra tsy andrin\' ny hafa andrinay koa ,hoy Naritsimba
\"TSy voatery manao politika vao afaka mampandroso ny firenenao fa rehefa mahavita ianao dia hitan\'ny olona ary indrindra amiko manokana any ab-danitra ny valim-pitiako fa tsy ety an-tany akory
Rehefa novain\' ny rafitra politika ny fomba fisainana ao anatin\' ny olom-pirenena dia mitarika tohana izany ,hoy i milamm;
\"ny mita be tsy laniny mamba,tao-trano tsy efan\'irery ary ny tsy mahay sobika mahay fatam-bary ...\"
ny asan\' olon-tokana tsy mba asa fa ny firaisan\' ny hery no mahavita zavatra .
Mila dinganina ireo tohitra ara-pirehana manakana ny làlam-pivoarana .

FANAPAHA-KEVITRA HENTITRA NO TSY MAINTSY RAISINA ,MIANDRY NY REHETRA TSY ANKANAVAKA I MADAGASIKARA MANJA




8. terrywui ( 10/02/2010 16:04)
TAIRO ra-HERY FA MILONA BE LOATRA KOSA A!
vao mainka hin hin hin hin
Ko raha tsy antoko hanangona sipan'ny serasera izy 'ty ko, hay moa antoko hanangona sipa any italie ... zay vao azoko tsara, tahaka an'i dadabe osy ihany zany raha mitsangana eo, mba olon-kafa asaina manangana dia ra hery manohana any ambadika dia raikitsa
de mbola maika :-D :-D :-D :-D iany ee!!
maivoka rahery ato zany klééé..!! misy ny mpankasitraka ,misy ny tsy tia , misy ny manakiana , zah alou raha i ra Hery de teny tokana no ataoko raha lery !!!! raha sanatria ka lany President nedala de be ny Malagasy Hiala PS ao M/car ao !!!hin hon hin hon hin hon hin hon !! alao iany lery hilalao sipa sipa lavanono miaraka amin'i dada ao ! hon hon hon hon
9. Rajakoo ( 11/02/2010 07:40)
AZA MIALONA NY SIPANAY KOSA REFA TSY MAPEZY E! :-D NY ANAY REVY FA TSY
10. Rajakoo ( 11/02/2010 07:41)
AZA MIALONA NY SIPANAY KOSA REFA TSY MAPEZY E! :-D NY ANAY REVY FA TSY DITRA!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.047