Ny Fara andro

21. fidinirina ( 11/02/2010 04:11)
za koa mitovy hevitra @ soanja @ zany. Tsy hoe tsy fitiavana anie ny hikapohan'ny ray aman-dreny ny zanaka e! Tsy misy tsy manaiky an'izany ; ary ny zanaka maditra, inona moa no fananarana tsy efa natao taminy na dia henatra ho an'ny ray aman-dreny tokoa aza. Fa rehefa tsy hiova izy, azo atao ahoana, ary midika ve izany fa tsy tia azy intsony koa ny ray aman-dreniny na koa mitazona alahelo aminy. Mino aho fa tsy maintsy mitady hevitra foana izy hampiova ny zanany.
22. rakapy ( 11/02/2010 05:28)
Hoy i Fidinirina
midika ve izany fa tsy tia azy intsony koa ny ray aman-dreniny

Hoy I Rakapy
Ny xana fotsiny no matahotra sy tsy sahy miteny mivantana fa mitazona alahelo izy

Ny fitazomana alahelo akory tsy midika fa TSY TIA. Caractere io fa tsy midika ho tsy fitiavana akory. Aza avadika sy raisina @ lafiny negatif ny resaka.
Hoy i Soanja
Eo amin'ny fisamihafana no alalana hoe ahoana ny fampisehoana ny Fitiavana ary fantatrao ve izany, sitrakao ve izany, hainao ve izany

Tsy fantatro na izaho nametrahanao io fanotaniana io na ny rehetra fa izaho dia mankasitraka ny fahasamihafana. Na eo @ samy olombelona na eo @ zava-boahary hafa koa. Amiko dia tsy 2 ihany io fahasamiafana io , toy ny fihevitry ny xana maro hoe :" Ratsy na tsara" ,"Maizina sy mazava"," Devoly na anjely"." kristianina sy tsy kristiana" sns....

Amiko dia misy maro ny fahasamihafana eto ambonin'ny tany fa tsy 2 fotsiny.
Porofo hita maso tsotra dia ny fisian'ny karazan'olona miteny @ teny samihafa ary samy hafa volo-koditra fa tsy hoe mainty sy fotsy ihany.
23. soanja ( 11/02/2010 15:16)
rakapy:


Hoy i Soanja
Eo amin'ny fisamihafana no alalana hoe ahoana ny fampisehoana ny Fitiavana ary fantatrao ve izany, sitrakao ve izany, hainao ve izany

Tsy fantatro na izaho nametrahanao io fanotaniana io na ny rehetra fa izaho dia mankasitraka ny fahasamihafana. Na eo @ samy olombelona na eo @ zava-boahary hafa koa. Amiko dia tsy 2 ihany io fahasamiafana io , toy ny fihevitry ny xana maro hoe :" Ratsy na tsara" ,"Maizina sy mazava"," Devoly na anjely"." kristianina sy tsy kristiana" sns....

Amiko dia misy maro ny fahasamihafana eto ambonin'ny tany fa tsy 2 fotsiny.
Porofo hita maso tsotra dia ny fisian'ny karazan'olona miteny @ teny samihafa ary samy hafa volo-koditra fa tsy hoe mainty sy fotsy ihany.


Tsy ho anao Rakapy no resahiko ka, fa ianao na isika rehetra hoy ny malagasy na ny iray hoy ny bekintana rehefa hanao safobe.


24. niryna ( 12/02/2010 04:15)
fidinirina:

Tsy maintsy hisy farany izao tontolo izao

Porofo ara-tsiantifika na ara-boajanahary :
Miara-manaiky ny olona ankehitriny, indrindra fa ireo lazaina ho manam-panahaizana, fa tsy mitsahatra ny miha-mihena ny «ressources» sy «énergie» eto ambonin’ny tany. Miha-simba ny tontolo iainana sy ny tany onenana. Mihalany ritra ny akora azo ivelomana. Ny olona rahateo mitombo izay tsy izy ka tsy ampy intsony ny vokatra, ary etsy andanin’izany tsy misy tonga saina @ fandripahana ny ala sy zava-boahary. Noho izany tsy maintsy ho tapitra ireny akora ireny na ho ela na ho haingana.

Porofo ara-tsoratra masina :
Maninona moa no ara-tsoratra masina ? satria izao rehetra izao dia efa voasoratra tokoa fa tsy maintsy hifarana. "Ny lanitra sy ny tany dia ho levona fa ny teniko tsy mba ho levona" hoy Jehovah.
Matio 28.19 koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina
28.20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.

Porofo eo @ toetry ny olombelona :
Ary izao no famantarana : II Timoty 3 : «Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.
3.2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy "Gr, manao blasfemia, izahao Mat 9.3", tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina,
3.3 tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,
3.4 mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra,
3.5 manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.

Efa akaiky ny farany ary fandalovana tokoa ny eto an-tany, nefa minoa fa tsy tonga tonga ho azy teto akory isika fa misy hevitr’Andriamanitra indrindra ny hanome antsika ny fiainana mandrakizay; aorian’ny fiafaran’izao tontolo izao ka hamongorana ny asan’ny devoly sy ny forongony.





misaotra anao nizara ,mazava be toy ny masoandro miposaka

Izay mandray sy mino ny tenin’Andriamanitra no ahazo ny famonjena ka afaka hanantena ny fiainana mandrakizay. Ny tsy mino kosa dia ho very satria tsy mba mety mandray ny fitiavan’Andriamanitra azy na minia mitsangan-ko fahavalo miaraka @ ilay ratsy. Dia hifarana eo ny aminy.
ary tsy afaka ny iteny intsony koa isika hoe mbola tsy notoriana tamiko izany farandro izany ,izay mandray dia izy no ahazo tombotsoa lehibe noho ny rehetra satria nino ireo nampitondraina ny teNy izy
25. dangytsmaty ( 12/02/2010 04:33)
Efa miaina @ andro farany isika izao, ny anjaran'ny tsirairay dia ny miambina sy mivavaka ho fanomanana ny Fanahy, tsy anjaran'ny olombelona no mamaritra ny ho fara-andro. Raha fantatra io dia foana ny Soratra Masina milaza fa ho avy toy ny mpangalatra Izy.
Samia maheeza ary tano mafy ny finoana an'Ilay nahary anao, sy manome izao fiainana izao ho anao, ho voavonjy daholo anie isika Amena.
26. ikaretsaka ( 17/02/2010 00:24)
andao hi cram cram hono ry niryna a
27. fijo ( 24/02/2010 23:13)
rah ahifarana ihany ve,tsy aleo mifaly faramparany ary aloha e
28. cutie ( 11/03/2010 21:33)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 06-02-2010 00:53:37
Lohateny : Ny Fara andro
Heno ombieniombieny tokoa io teny iray io hoe "Fara andro" indrindra rehefa misy voina mitranga ka betsaka ny olona namoy ny ainy, toy ny nitranga any Haiti.
Efa elabe koa anefa no nahenoana fa akaiky dia akaiky ilay fotoana. Na tamin'ny andron'ny apostoly aza dia efa niandry io fotoana io ry zareo.
Betsaka ny soratra milaza ao anaty baiboly fa izao sy izao no fomba ahafantarana fa akaiky ilay izy. Miomana dieny izao.
Eo no misy maminavina ny daty mazava hitrangany ary ao ny miteny fa tsy fantatra izay fotoana izay fa rehefa migadona izy dia toy ilay Mpampakatra.

Hisy tokoa ve fara andro io sa resaka fotsiny?

Ny ahy aloha ny finoako dia ny fara androko eto an-tany no hisy dia ny fotoana ny hijanonan'ny foko hitempo ka tsy hikoriana intsony ny rako fa iraraka an-tany. Fa ny hoe ny fara andro farandroko dia tsy hisy io fa mitohy any ankoatra amin'ny endrika hafa indray.

Razana aho ary hiverin-ko razana. Asa ny anareo?

Tsy hifarana ny tany fa mbola hisy foana ary miova miandalana ireo izay hiaina eto ary mety tsy ho aina intsony fa ho vato na vovoka. Tsy hisy ny faran'ny andron'ny tany.

le dikan'le fara andro no tsy de mazava eto, raha entina @ fomba xtsiana manko io de hafa mitsy de raha olon-tsotra fotsiny no anontaniana de mitovy an'io voalazan-jy eo ambony io ihany ny valiny.
29. fijo ( 11/03/2010 23:10)
amiko wa dia mifarana tsirairay ,fa tsy misy farany faobe izany
30. ikaretsaka ( 17/03/2010 19:37)
bedy eo ialahy ra fijo fa ataovy :-D
31. fijo ( 18/03/2010 22:01)
aleo hilatsaka ny sazy hoy ry zalahy mahay azy izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.25