mpangala-jaza sy vehivavy

1. itaramasoandro ( 04/02/2010 04:36)

ankina tsy maha leo-bava ny tena mahita, mamaky fa nanararoatra ny loza mahazo ny haisianina ny mpisompatra ka nangalatra 33 zaza kamboty hatr@ 14 taona !!!!

miampy trotraka @ ity raharaha ity dia olona milaza ho mpivavaka, kristianina no mahavita izany fanendahana antsokosoko ankizy kamboty izany.

fanontaniana mipetraka ary: satria va re mila solon-dray aman-dreny ireo kamboty ka dia minia manitsaka ny lalàn'ity firenena ity ny mpanao ratsy ka mihevitra ny tenany hanana ny zo hanendaka ireo kamboty?

hatraiza loatra re ny fitiavan-tenan-draolombelona !!

raha ny eto @ nosy indray no lazaina dia tsy ela akory izay fa t@ volana novambra lasa teo dia namoaka ny fahitany ny zava misy eto gasikara ny foibe mitsinjo ny zon'olombelona (aidh) ary nilaza fa mbola mitohy hatrany ny fanondranana zaza sy vehivavy malagasy ho @ fahafinaretan'ny sasany ampitan-dranomasina.

harovy ny zaza sy ny vehivavy malagasy tsy ho setrasetran'ny mpanararaotra fa manana ny zony hivelona sambatra sy hiaina ampilaminana izy ireo tsy ankanavaka.

8)


novalian'i dadax ny 15/04/2010 09:27
2. falyfenosoa ( 04/02/2010 10:31)
Soa ihany fa tsy teto M/kara fa raha tsy izany dia nolazaina indray fa ny mpanohanaTGV no mangala-jaza. Raha teto no nisy toy ireny efa vava be no nataon'ny TIM hoe aleo ho voa any dia ho hita eo ny fahaizan'ny mpitondra ankehitriny.
Ao ambadik'io zavatra io ny Amerikana sy ny firenena tandrefana miaraka aminy satria r'izareo amin'izao no tena mibahana ao haïti
3. katrikatry ( 04/02/2010 10:39)
Ny ao Madakasikara ry falyfenosoa @fahoriana mbola pira a, ... nohon'ny fahantrana naterak'ity tgvoudy ty dia ny RAD mihitsy aza izao no mamarotra ny zanany tsy fidiny :oops: :oops: :oops: ary tsy vitan'izay fa ry venasss mitsy koa ary tratran'io syndrome mivaro-tena io ,aiza koa any @ renimalala misolelaka sy mamelatra ,mba menatra ry paiso a !
4. Mirananirina ( 04/02/2010 13:31)
marina tokoa fa nanao ny tsy mety ry zareo,nandika lalàna....nefa anie ireo zaza ireo rehefa tonga any aminy mpanangana azy any ka tena sambatra tokoa eh!
5. xxx ( 05/02/2010 07:45)
Mirananirina:
marina tokoa fa nanao ny tsy mety ry zareo,nandika lalàna....
:cry:

Mirananirina:
....nefa anie ireo zaza ireo rehefa tonga any aminy mpanangana azy any ka tena sambatra tokoa eh!
8O 8O 8O :evil: :evil: :evil:
Aona ary zany mba fomba fisainan'ny sasany izany. Mahasoso-p...anà mihitsy izao a! :evil:
6. Mirananirina ( 05/02/2010 08:16)
Hoy i Mirananirina:
....nefa anie ireo zaza ireo rehefa tonga any aminy mpanangana azy any ka tena sambatra tokoa eh!

Aona ary zany mba fomba fisainan'ny sasany izany. Mahasoso-p...anà mihitsy izao a!
ka na masoso-p anao izay no izy!!!!!jereo ireto izy fa mijaly tsy mihinakanina,fadiranovana ...raha misy olona afaka mampiantrano sy manome hanina azy ireo ahoana???????Jereo kely ny hasambarana azon'ireo zaza hatsangan'ny vahiny?????????????????tsy aleo ve maty rahampitso toa izay maty anio????
7. xxx ( 05/02/2010 08:53)
Mirananirina:
ka na masoso-p anao izay no izy!!!!!jereo ireto izy fa mijaly tsy mihinakanina,fadiranovana ...raha misy olona afaka mampiantrano sy manome hanina azy ireo ahoana???????Jereo kely ny hasambarana azon'ireo zaza hatsangan'ny vahiny?????????????????tsy aleo ve maty rahampitso toa izay maty anio????


Tena mampalahelo anà ilay fisainanao. Marina mafy tena kivy be za mahita izao zavatra soratanao izao.

Hita avy hatrany fa MATERIALISTE be enao no sady manitsakitsaka ny zo maha-olombelona.

Tsy biby akory isika ka hangalarina (hangalrina hoa) dia hamidy (en plus, hamidy koa rehefa avy eo) dia mbola sahy milaza koa enao avy eo hoe milay be izany fa lasa mahazo sakafo be dia be sy akanjo izy.
Tena kivy aho hoa amin'izao zavatra lazainao izao. TSY BIBY TOMPOKO NY OLOMBELONA, ny mahazo ny biby aza efa tsy fidiny. :evil: :evil: :evil:
8. Hinagasy ( 06/02/2010 02:26)
Miranirina> misy antoka ve fa tena ho sambatra tokoa ireo zaza ireo rehefa tonga any, raha tena marina ilay nangalarina hoe nangalatra! mety ampidiriny aminy resaka reseau pédophile etc.. ? tsy fantatrao izany!

Fa na izany na tsy izany izaho koa dia ohatran'i XXX, amin'ny resaka fangalarana olona, tsy misy excuses n'inon'inona, ary tena mi-choquer ahy ilay hoe mangalatra olona na inona na inona fahantran'ilay olona, tsy excuses mihitsy e!!! fa tsy betail ny olona ka angalarina ohatra izany! raha hitariko dia manana zo koa ve izany ny olona tandrefana ohatra angalatra ny ankizy Malagasy rehetra satria majopilopy ny hoavy ny zaza Malagasy ary aty ivelany mety hanana fiainana tsara kokoa rizareo, mbola hitariko ihany, manana zo izany ve ny olona tena mpanankarena noho ianao hangalatra ny zanakao satria any aminy mety hanana fiainana tsara kokoa ny zanakao?
9. Mirananirina ( 06/02/2010 10:02)
Les dix missionnaires baptistes, qui avaient tenté d'exfiltrer illégalement d'Haïti une trentaine d'enfants, ont été inculpés jeudi d'"enlèvement de mineurs et association de malfaiteurs" et devraient étre jugés en Haïti

hoy aho hoe:
marina tokoa fa nanao ny tsy mety ry zareo,nandika lalàna
izany hoe tsy ekeko koa fa nangalatra ireo zaza ireto milaza fa missionnaires.saigy hoy aho hoe:
nefa anie ireo zaza ireo rehefa tonga any aminy mpanangana azy any ka tena sambatra tokoa eh
zaza mijaly ireo,tsy manana trano hialofana tsy manana hanina ho hanina dia izay no nilazako izany fa tsy nanome rariny ireto mpangalatra aho aoka hazava ny resaka.
10. njari ( 25/02/2010 06:44)
Mirananirina:

marina tokoa fa nanao ny tsy mety ry zareo,nandika lalàna....nefa anie ireo zaza ireo rehefa tonga any aminy mpanangana azy any ka tena sambatra tokoa eh!


Tena mampalahelo marina zany zavatra soratanao zany ry Mirana. Ny zava-misy anie de zao e, raha hitsinjo marina ireo zaza ireo ka hitady zay hahasoa azy : fianakaviana sy trano hikarakara azy ary hanome fitiavana azy dia tsy voatery nangalarina an-tsokosoko ireto zaza reto e, satria betsaka koa anie ny olona manao fangatahana hanangana e, fa lavin'ny fitsarana....koa naninn raha ny fanaovana adoption no somary faciliter-na dia mba mazava ny ny ho avin'le zaza. mety misy ny zaza gasy natsangan'ny vahiny fa vitsy amin'ireo kosa no miaina sambatra araka ny voalazanao. fa matoa nandikàna lalàna ny fangalàna ireo zaza ireo dia satria misy tanjona maloto tiana hampiasana azy. ny vazà anie ry reto efa tena mitovy am biby e, efa namorona ireo fitaovana rehetra hapa-confort ny fiainany andavanandro izy hany ka mitady zavatra hafa mitsy mba hialany voly, izany no mampisy ireo karazana tranga mamoafady rehetra amin'izao fotoana izao izay mampalahelo moa fa de alain-dry gasy kely tahaka aty dago........
:(
11. dadax ( 15/04/2010 09:27)
fa avelao ny zaza anantona ahy,.. ary aza rarana fa: an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra amen B ^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1176