tsy mino ny lahatra ny malagasy

21. fijo ( 27/01/2010 21:43)
ekkeo mihintsy ny voalazan'i itamasoandro ka,azo ahintsy izany ary mila ahintsy tokoa,saingy tena mbola ady mafy satria ,izao aza ny gasy may ery ny handositra ny taniny.
22. niryna ( 28/01/2010 06:10)
fijo:

mety homarina io fahiny,saingy izao kosa raha tena jerena akaiky ny fihetsika sy fisainana gasy dia olona tena mora lemena sy zanahana aratsaina.
ohatra no nentina nanazavana ilay resaka ka ohatra koa no hamaliako azy.
ohatra fiteny ny hoe "vita gasy io e"
ka marina kosa izany ry fijo a,taty aoriana raha andefa zavatra any ivelany dia atao tsara fa jereo izany poketra noheverina fa hoe tsara izany,hay bozaka kely fotsiny no mitazona azy,tsy nandingana tatatra kely akory dia efa tapaka kanefa tsy nisy na inona na inona navesatra tao,tena mbola manao asa tanana gasy tokoa isika saingy izao ny vita sinoa koa mbola manoatra kou
antsy vao novidiana ,tsy misy indray andro akory dia efa arafesina.Tsy mampaninona andry zareo sinoa no mandefa ny zavatra ratsy indrindra any aminy aty amintsika kanefa any ivelany kosa mbola hafa ihany izany vita sinoa any aminareo izany hoy ny ankizy

trano gasy ny andry zareo" gasy foana"???
dia anjaran'ny rehetra no miezaka fa tsara ho fantatra fa na asa tanana gasy aza mbola tsara lavitra noho ny asa tanan'ny vazaha sady lafo no zara raha manao izay ho vitany tsss
,ny sipa gasy aza moa vao hoe vazah no mikaoty dia ts ymahatan damba mihintsy fa lasa ity ry neny an.hialako tsiny izay manambady vazaha fa zavatra tsapa io ary misy.



=))
23. ravonjison ( 28/01/2010 07:33)
itaramasoandro:

i ravonjison hay no nampiditra ilay resaka hoe tsy nifankahazo ny foko teo @ fidiran'ny frantsay ka tsy voatohitra izy ireo. nifangaro kely ny anarana :wink:

ianao ihany no nampahatsiahy fa mahery lavitra ara-tafika ny mpanjanaka ary ampy ho fampitaorana ny teo @ fitondrana fahizay izany ka toy ny sokona nanai-bato ny fitondrana t@ izany ka handroso maty raibe, hiemotra, maty renibe.

izany no tantaran'i gasikara saingy afaka ny tanindrazana ankehitriny ary ny hitandrovana ny fandrosoany, manomboka @ fialana @ resaka lahatra, foko mizarazara sy vita gasy ka tandrametaka no tsara ho hezahana.
satria gasy ka manja

8)



Salut i Itaramasoandro a. Iny angamba tsy dia misy resaka hanaovana ady hevitra be , fa ny tiako ho hamafisina tao dia : ilay ady tao Farafaty , Toamasina. Toa hoe tena sahirana mihitsy ny frantsay tao, fa saingy nisy gasy namadika tao, ary izay no nahatafiditra ny frantsay tao Toamasina.
Izany hoe tsy ilay lahatra velively no tonga taloha fa ilay tsy fahaizana mifanaraka na miray hina eo @ samy gasy....ka lahatra avy eo no antsoantsoina.
24. fijo ( 28/01/2010 20:47)
izay mihintsy no olana hatramin'izao.jereo fotsiny ny zavamisy ankehitriny.
vao itan'ny frantsya fa tena nanomboka tsy nisolelaka taminy ny fitondrana malagasy(ravalo),dia iny izy fa itady gasy mpamadika ,dia izao no misy ankehitriny.ary io mbola ela vao hoafaka amintsika,ary mbola hitondra antsika amin'ny ratsiratsy kokoa noho izao
25. ravonjison ( 29/01/2010 09:13)
fijo:

izay mihintsy no olana hatramin\'izao.jereo fotsiny ny zavamisy ankehitriny.
vao itan\'ny frantsya fa tena nanomboka tsy nisolelaka taminy ny fitondrana malagasy(ravalo),dia iny izy fa itady gasy mpamadika ,dia izao no misy ankehitriny.ary io mbola ela vao hoafaka amintsika,ary mbola hitondra antsika amin\'ny ratsiratsy kokoa noho izao



Izay mihitsy no saika mbola hanohizako azy fa tena voalazanao tanteraka ny tao antsaiko , ary ny anao no tonga aloha: ny zavamisy ankehitriny dia mbola io olana io foana !!!!
26. fijo ( 29/01/2010 20:06)
ary ela io vao mitsahatra ,satria ampahantrana ny gasy,ary ny olona mijaly tokana nyao an tsainy.mikaly.de ry zalahy manao ny ataony
27. soanja ( 29/01/2010 23:37)
fijo:

,izao aza ny gasy may ery ny handositra ny taniny.


Ka raha ao tokoa ve ny tany ahitan-dronono aman-tantely , inona moa handaozantsika azy. Fa matoa lasa ny Gasy dia tsy io zany ilay tany fa mbola any ho any!


28. fijo ( 30/01/2010 22:01)
izay le vahaolana fialana tsiny ry soanja,ary maninona moa raha miara mihoitra mitady izay hampandroso azy ny gasy?????
29. soanja ( 01/02/2010 00:54)
fijo:

izay le vahaolana fialana tsiny ry soanja,ary maninona moa raha miara mihoitra mitady izay hampandroso azy ny gasy?????


Tsy misy fialana tsiny mihitsy aloha ny fahitako izany fa dia hoe izay no zavamisy dia mivoatra mifandraika amin'iny ny fiainan'ny Malagasy. Ny hoe tsiny ny tsy fipetrahana any Dago dia hoy aho hoe inona no mahatonga izany ho tsiny? N'aiza n'aiza anie no misy anao dia azonao atao foana ny manampy ny firenenao ary manao izay hahasoa sy hitandrovanao ny hanitra izay kajianao miaraka aminao foana momba azy. Tsy ny fisiantsika any Dago akory no vahaolana fa ny fahafahantsika mitia azy n'aiza n'aiza misy antsika. Tsy voatery hiarahirohotra koa isika hanao izany fa izay mifandraika lalandava amin'ny fahafahantsika sy ny momba antsika. Ny mitia dia hatrany hatrany arahinasa mahasoa ho azy!


30. niryna ( 01/02/2010 06:46)
fijo:

izay le vahaolana fialana tsiny ry soanja,ary maninona moa raha miara mihoitra mitady izay hampandroso azy ny gasy?????
ka latsaka anaty lavaka anie izao ny firenentsika e,tsy misy azo atao ary mivavaka ho an'ny firenena sy ny vahoaka rehetra no isany azo ataon'ireo krisitiana rehetra manerantany.Mampalahelo ny mitranga,ny halatra tsy ferana intsony,mifampihinana ny vahoaka,manao halabotry


:cry:
31. fijo ( 01/02/2010 23:08)
an an tsy mitovy hevitra aminareo aho,ary izay isan'ny maha sarotra ny fivoarana ao amintsika.
ohatra,israel anie ka tany tsy nisy aza no nataon'ny jiosy nisy ary nampandrosoiny e.jereo ny herintsaina sy ny finiavana misy amindry zareo rah avao hoe ny fireneny no resahina.ady lava ny ao hatramin'ny nisiany mandrak'izao.nefa mbola maro no misesika mody.
hilaza ianareo hoe ka any efa misy rafitra fitondrana tsara,ie,fa iza no nanao io rafitra io,ary tamin'ny tany nilamina ve no nanaovana azy???izay atao ohatra.
32. soanja ( 01/02/2010 23:16)
fijo:

an an tsy mitovy hevitra aminareo aho,ary izay isan'ny maha sarotra ny fivoarana ao amintsika.
ohatra,israel anie ka tany tsy nisy aza no nataon'ny jiosy nisy ary nampandrosoiny e.jereo ny herintsaina sy ny finiavana misy amindry zareo rah avao hoe ny fireneny no resahina.ady lava ny ao hatramin'ny nisiany mandrak'izao.nefa mbola maro no misesika mody.
hilaza ianareo hoe ka any efa misy rafitra fitondrana tsara,ie,fa iza no nanao io rafitra io,ary tamin'ny tany nilamina ve no nanaovana azy???izay atao ohatra.


Raha i Israel no raisinao ohatra dia tsy hitovy mihitsy. Ny Jiosy anie sady finoana no firazanana mifandraika. Ny ady dia iaraha-mahalala fa tsy izy samy izy matetika fa ady amin'ny firenen-kafa. Ny antsika mbola tsy taiza akory dia efa nisara-bazana. Raha iray saina ny Malagasy dia mino aho tsy toy izao no manjo azy izao.

Aoreno ny soa toavina iarahamanana sy ifandraisana fa dia ho firenana sambatra I Madagasaikara. Mananah filoha hendry aloha alohan'izay rehetra rehetra izay!

33. fijo ( 02/02/2010 21:04)
diso be ndry ry soanja.aza hadino fa misy ny jiosy arabo.ka tsy marina ny filazana fa ny jiosy dia sady firazanana no finoana.

ka isika (voazanaka) dia lasa toa io,ary izay no mila hiadivana
34. soanja ( 03/02/2010 01:10)
fijo:

diso be ndry ry soanja.aza hadino fa misy ny jiosy arabo.ka tsy marina ny filazana fa ny jiosy dia sady firazanana no finoana.

ka isika (voazanaka) dia lasa toa io,ary izay no mila hiadivana


Diso angamba ny fanehoako azy fa misy ny Jiosy Xtianina ary ny hafa maro fa ny tiako tenenina dia io firenena io dia miodina amin'ny mahaJiosy sady finoana no Kolontsaina.

Tsy hifandanja amin'io mihitsy isika satria isika no efa voa hatrany amboalohany ny fisamatsamahana fa tsy tamin'ny fisian'ny fanjanahana fotsiny.




35. itaramasoandro ( 03/02/2010 04:32)
resaka lahatra no nanomboan'ny dinika.

somary nisintaka kely mantsy ilay resaka saingy heveriko fa ilay "fanahy no maha olona" dia anisan'ny ohabolana midika mazava fa mametraka ny feon'ny fieritreretana, ny fisainana, ny fandalinana ny zava miseo @ toerana ambony ny malagasy.
noho izany dia tsy mamela ny lahatra, na izay heverina fa hoe efa voasoratra hitombona isika malagasy fa mikaroka hatrany izay mifandraika @ fanahy-fo-vatana izay tsy hampahalemy ny iray @ ireo.

ny lakalakan'ny fiainana no indraindray maha very ny fanahy fa ny finoantsika mifaka lalina dia ny herin'ny fanahiny ao anatiny tsirairay izay mitantana azy.

8)
36. fijo ( 03/02/2010 20:28)
ekeko izany ry soanja,ka izay anie no nilazako hoe mila mihezaka miala amin'izay fisaratsarahana izay isika e.azo hialana io.na dia sarotra aza.finiavana ny zavatra rehetra
37. soanja ( 03/02/2010 23:31)
fijo:

ekeko izany ry soanja,ka izay anie no nilazako hoe mila mihezaka miala amin'izay fisaratsarahana izay isika e.azo hialana io.na dia sarotra aza.finiavana ny zavatra rehetra


Ekeko koa izay fanirianao izay. Ny hanantanterahana azy no somary natsidiko tery hoe mila mamolavola soatoavina iraisana sy iaraha-mifandray isika mianakavy ary indrindra atombohy amin'ny filoha hendry sy mahatoky ary matahotra an'Andriamanitra! Io aloha zany no avy aty amiko.


:-* :-* (l)
38. itaramasoandro ( 03/02/2010 23:47)
mahatoky aho fa raha ianareo roa vavy ireo aloha ry soanja sy fijo dia anisan'ireo afaka mampita eo @ sehatra misy anareo tsirairay avy ny momban'ny maha malagasy ny tena sy ny haren-tsarobidy hihavahantsika @ mponina hafa, fa tsy hifanavakavahantsika samy isika.

tsetsatsetra tsy aritra ny ahy: isaky ny firenena iray dia misy tokoa ny tsy fifampitoviana eo anivon'ny mponina ao @: samy manana ny teniny, ny fomba amam-panaony, ....

saingy io tsy fitoviana io indrindra no harena ankehitriny raha toa mahay ny mampiseo azy ny tsirairay kanefa tsy natao hampisara-bazana izany fa kosa hihavanana ao anaty ny fahasamihafàna, mifanaja satria samy manana ny azy ary samy miaro ny azy fa tsy mifanitsaka.

eo no miainga amiko ny fiaraha monina.

8)
39. fijo ( 04/02/2010 20:16)
resaka fitaizan akoa io,rah aany no tsara fototra vita io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0445