Fanambarana avy amin'ny mpiasan'ny MATD

1. rabaradaka ( 25/01/2010 08:58)
FANAMBARANA
- Manoloana ny tsy fahaiza-mitantana ataon'ireo tompon'andraikitra eto amin'ny Ministeran'ny Fanajariana ny tany sy ny fanapariaham-pahefana izay manomboka amin'Atoa Hajo ANDRIANAINARIVELO, Ministra, ny Sekretera Jeneraly, ny Directeur du Cabinet, ny DG anankiroa;
- Manoloana ny fanaovana tsinontsinona ny mpiasam-panjakana izay mampalahelo ny mpiasa amin'ny mahampiasa azy satria alikaina sy anaovan'Atoa Hajo ANDRIANAINARIVELO Ministra teny fanaovana tsinontsinona;
- Manoloana ny fanaovana halatra bevava hitam-poko hitam-pirenena ny volam-panjakana amin'ny alalan'ireo havan'Atoa Hajo ANDRIANAINARIVELO, Ministra ;
- Manoloana ny fanodikodinana ny tanim-panjakana sy fanaovana didin-kifehy lehibe ny tanin'olon-tsotra ka amidin'Atoa Hajo ANDRIANAINARIVELO, Ministra amin'ny vazaha sy karana ny tanin'olona;
- Manoloana ny fandkana ireo lalàna napetraka hitantanana ny tany (foncier) sy ny fitsinjaram-pahefana ataon'Atoa Hajo ANDRIANAINARIVELO, Ministra ;
dia manao izao fanambarana izao izahay :
1- Takinay tsy misy hataka andro ny fanesorana haingana dia haingana an'Atoa Hajo ANDRIANAINARIVELO, Ministra sy ny forongony.
2- Mangataka ny sampan-draharaha fanarahamaso ny asam-panjakana (inspection de travail) hanao fijerena ifotony ny fanaovana ampihimamba ny fananam-panjakana (voiture, CCAL, achat des matériels).

Natao androany ALATSINAINY 25 janoary 2010
Halefa amin'ny Gazety rehetra izao fanambarana izao
novalian'i fijo ny 26/01/2010 20:37
2. saranga ( 25/01/2010 09:10)
Zao no lazaiko ho anareo : lasa adala io Hajo io raha esorina eo. Izao mantsy nanao taim-bava be lery hoe ny aiko no miala vao miala eto aho ! :roll: :^) ^^
3. diloo ( 25/01/2010 09:15)
Kay leu, dadan'indray ity fikan'HAT.Ntsss
4. bozyboleta ( 25/01/2010 09:35)
Avoahy an-gazety mihitsy ho hitan'ny besinimaro.

Avoahy ny toerana sy velaran' ireo tanim-panjakana nalainy ho porofo.
5. terrywui ( 25/01/2010 14:57)


=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) mbola tsy lanaka otrity ah letsy rapika hatramzay nahatato am serasera ahy lee :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
6. terrywui ( 25/01/2010 15:41)

=)) =)) =)) =)) =)) =))
7. pikatti ( 25/01/2010 20:00)
Elah mimé indray lesy ty no tena mampimé ahy klé, mba kôzy tsy hita zay mampmé anelah an'io zazakely mahafatifaty io,tsy arako na zanak'iza no nalain-drazoam sary tany io, :-D
Avoahy ny toerana sy velaran' ireo tanim-panjakana nalainy ho porofo.
Avohay tao marina ny porofo



8. fijo ( 25/01/2010 22:32)
raha misy porofo tokoa avohay ,fa raha hanalana baraka fotsiny tsy mety
9. ANARIM ( 26/01/2010 09:43)
hihihi sady feno bobaka izy ao an!!! avohay mitsy e!
10. fijo ( 26/01/2010 20:37)
miandry porofo izahay e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1648