jambul

1. sitlo ( 22/01/2010 03:41)
Resaka henoko matetika tany Madagasikara ireto fa any ihany no misy rotra. Nefa tandroany aho sendra tafaresaka tamin'izay karana izay, dia any India hono feno. Jamun no fiantsoany azy. Dia nojerenay tamin'ny google dia tena rotra ilay izy. Fa ny an-dry zareo hono hanina koa ny raviny indraindray.

Dia amin'ny teny anglisy ilay izy hoe jambul. http://en.wikipedia.org/wiki/Jambul

Oainina kely indray isika tamin'iny.

[center][/center]

novalian'i Papoose ny 28/01/2010 19:36
2. soanja ( 22/01/2010 05:01)
sitlo:

Resaka henoko matetika tany Madagasikara ireto fa any ihany no misy rotra. Nefa tandroany aho sendra tafaresaka tamin'izay karana izay, dia any India hono feno. Jamun no fiantsoany azy. Dia nojerenay tamin'ny google dia tena rotra ilay izy. Fa ny an-dry zareo hono hanina koa ny raviny indraindray.

Dia amin'ny teny anglisy ilay izy hoe jambul. http://en.wikipedia.org/wiki/Jambul

Oainina kely indray isika tamin'iny.

[center][/center]




Any Diego dia Jamblon foana no niantsoanay io voankazo io ary tsy mbola nisy nihevitra hoe anarana gasy izany aloha. Isany ampiasaina koa ny raviny hanasitrana aretina isan-karazany. Zavatra iray tadidiko momba ity hazo ity dia hazo faran'izay malemy ka tsy tsara ianihana na hanaovana la jungle fa mora tapaka tokoa na dia mitarehy matevina aza ny tahony ka mora iakarana.


3. rakapy ( 22/01/2010 06:10)
Hoy i Sytlo
Resaka henoko matetika tany Madagasikara ireto fa any ihany no misy rotra. Nefa tandroany aho sendra tafaresaka tamin'izay karana izay, dia any India hono feno. Jamun no fiantsoany azy. Dia nojerenay tamin'ny google dia tena rotra ilay izy. Fa ny an-dry zareo hono hanina koa ny raviny indraindray

Oainina kely indray isika tamin'iny

Maromaro ireo zavatra (zava-maniry na biby na mineraly na paysage...) izay nolazaina sy nasesika tao an-dohatsika Gasy fa i M/car irery no ahitana sy manana azy ireny. Eny ,marina tokoa fa misy zavatra maro tsy fahita afatsy eto M/car fa misy kosa dia ahitana azy any @ toerana hafa.
Ohatra izao ilay zava-maniry antsoitsika hoe Madagasika sy ravinala ireny dia ahitana azy any an-toerankafa eny fa na dia hoe mety avy aty M/car aza no niaviany sy maro azy.
Tsy hanomezana tsiny antsika anefa izany satria iaraha-mahalala fa nosy isika ary vitsy @ tsika no manana fahefana handeha hitsidika toeran-kafa ankoatran'i Frantsa sy Europa.
Tsara sy mahatalanjona i Gasikara nositsika nefa aza adino fa maro koa ireo zavatra mahatalanjona any an-toeran-kafa.
4. ANARIM ( 25/01/2010 09:30)
fotoana fahavokaran'ny rotra izao!!!! fa andé mba ijery recette raha misy recette confiture rotra!!! mety ho tsara ve????
5. Lejoba ( 25/01/2010 11:57)
ary aiza na misy voan-tapia ankoatry ny any Madagasikara?
6. rakapy ( 25/01/2010 12:06)
Hoy Lejoba
ary aiza na misy voan-tapia ankoatry ny any Madagasikara?

Io indray aloha dia an'isan'ireo tokana an-tanin' i M/car. Namibia sy Australia no misy mitovitovy fa tsy tapia akory.
7. sitlo ( 26/01/2010 02:14)
Tena tsy koboko indray izay. Fa ilay tapia koa nge tsy dia ahalaniana firy eh!
8. soanja ( 26/01/2010 04:28)
Ny zavatra tena mahatsara ny tapia dia izy hazo tsara hanatodizan'ny bibindandy sady sakafony koa. Raha mba miompy bibindandy isika ka mamokatra zavatra vita amin'ny landy mihoatra ny efa misy dia hotafita i Madagasikara.

9. Ratoa ( 26/01/2010 21:44)
ny tapia dia izy hazo tsara hanatodizan'ny bibindandy


Tena marina izany ary landy be no velomin'ny tapia

Madagasikara irery no manana ny atao hoe "soie sauvage", ilay landy mihinana voarohy na landy kely mantsy manome "soie d'élevage" sy ilay lasoa mamirapiratra sy manify.

Tsara ampitombona ny ala tapia fa lafo be mihitsy ny vidin'ny "soie sauvage" izay betsaka ny ilana azy sy ny tia azy
10. ANARIM ( 27/01/2010 08:29)
inn ary zany ô : 1 no hanina telo no avoaka!! :lol: 8O :)
11. sitlo ( 27/01/2010 14:50)
Vehivavy miteraka kamba-telo.
12. Mirananirina ( 28/01/2010 12:42)
mampi te hihinana koa izy zany.
13. Papoose ( 28/01/2010 19:36)
:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1967