fitiavana sy finoana

41. ANARIM ( 26/01/2010 09:32)
raha sendra ny couple samy malala-tsaina tsara dia tsy mampisaraka ny tsy fitovian'antokom-pinoana, fa raha sendra irony "fanatique" irony dia vita matavy!!!
42. rzakarivola ( 26/01/2010 14:19)
diamondra27:

fitiavana= fandeferana, mitady zay hahasambatra ilay olontiana
Ilay devoly ange no mahatonga izany e.,

==> "Ary izao no nahatongavan'ny zanak' Andriamanitra, ny handrava ny asan'ny Devoly". Tsy ny fisian'ny Devoly no fototry ny olana, fa ny tsy fahitana an' Andriamanitra. Ary izay te hahita an' Andriamanitra dia mila mijery ny ZanaNy Lahitokana.
43. rzakarivola ( 26/01/2010 14:22)
rakapy:

Misy ny aretina fahajambana mandalo sy ny fahajambana tanteraka. matetika dia ilay fahajambana mandalo no tena ireharehan'ireo mpanao siansa sy mpino mpanasitra .

==> Mety ho marina izany, kanefa i Jesoa Kristy mahay manasitrana ny aretina rehetra.
Izaho koa mba jamba taloha sady niseho nitompo teny fantatra tamin'izay zavatra tsy fantatro akory. Fa ankehitriny, i Jesoa Kristy no ahitako ny zavatra rehetra, ny teniNy no manambara ny zavatra rehetra.
44. rakapy ( 26/01/2010 14:35)
Hoy Rzakarivola
zaho koa mba jamba taloha sady niseho nitompo teny fantatra tamin'izay zavatra tsy fantatro akory

Resaka maso jamba no rsahintsika eto Rzakarivola fa tsy fahajambana ara-panahy.
Ilay teny tsy mahintsy sy feno fonoteny na sasi-teny io mihintsy no nahavoa ilay baiboly t@ ilay fampitana hafatra. Dia mbola tohizinao ankehitrio koa.
45. rzakarivola ( 26/01/2010 14:37)
rakapy:

Ka eo indrindra no tsy mazava amiko ilay hoe "tian'A/tra atolotra". Tsy ny feon'ny fiheritreretanao sy ny fonao mitempo ilay fitiavana ve no natolotr'A/tra ?sa zavatra hafa?

==> MIteny @ feon'ny fieritreretanao tokoa Andriamanitra, fa misy feo maro hafa koa miteny ao aminao, ka mila tombo-kase (porofo) ahafantaranao hoe feo inona amin'ireto no tena feon' Andriamanitra.

Fony mbola mpianatra teny Ankatso aho, tao @ Matematika, vehivavy anaki 4 no niara-tiako, tamiko dia tiako daholo ireo (nisy hafa koa aza), tsy nisy tiako nafoy. Ny iray tamin'ireo no lasa tena nifankatia tamiko ... fa fitiavako izay, niteraka alahelo ho ahy no sady tsy fantatro izay ho fiafaran'ny tantara.
T@ 2007 no nahafantarako ilay tokony ho vadiko, tsy isan'ireo tiako akory sady tsy ilay tiako indrindra (no tsy tian'ny fianakaviako koa aza). Mazava ho azy, nalahelo aho satria voatery nisaraka t@ilay tiako teo, no sady manambady manohitra ny fitiavan'ireo fianakaviako. Fa manana antoka kosa aho ny @ ankehitriny sy ny ho avy, satria fantatro Izy (Jesoa) izay niteny tamiko ... ary isaka ny misy problema ka mahatsiaro te hiabandonne iny aho, dia Izy no mampahery ahy, amin'ny fomba ahoana ? @ fanehoaNy amiko ny heviNy, dia ilay "hevitra hitondra fiadanana fa tsy loza".

Izay no ilazako hoe, mila porofo ianao ahafantaranao izay feon' Andriamanitra.

rakapy:

Izay mantsy amiko no maha A/tra fitiavana azy. Fa raha ankoatra an'izay indray mantsy dia ataoko fa A/tra business na A/tra par interet no manolotra ilay ho vadinao.

==> Ny fitiavan' Andriamanitra dia ny mijery izay intérét-nao tiaNy.
Azoko lazaina tsy an-kisalasalana, fa anaty intérét-ko sy ilay vadiko sy ny Fiangonana Kristiana sy ny Malagasy rehetra ary izao tontolo izao ny anton'ilay nisafidianan' Andriamanitra ilay vadiko.
46. ikaretsaka ( 26/01/2010 14:41)
Tsara mamaky ilay resaka lahatra ao ambony ao razaka ka
47. rzakarivola ( 26/01/2010 14:44)
fijo:

ka mpino le misaraka.
tsy dia azonao le resaka ry havana xxxx.

ity misy ohatra kely homeko.raha misy olona roa tsy mifankahalala.tafahaona tamina toerana iray.ohatra hoe samy namako izy roalahy.de niara nisotro izahay.avy dia korana be ao.ary matetika lasa mpinamana ireo.(tsy voatery fa indraindray koa misy ihany ny ady ,sao raisina anjambany indray ny resako)
izany hoe natambatr'ilay vera ry zalahy.

fa raha ohatra indray misy akama roalahy tafaraka eo,ka mandeha ny resaka,dia lasa resak afinoana,ny iray nefa jiosy ny iray silamo.minoa ahy ianao ,fa eto indray dia ilay ady no tsy misy indraindray fa matetika ady no hiafarany.asa raha aazonao

==> Ary raha resaka baolina fa samy hafa ny ekipany ohatra, na resaka politka fa samy hafa ny tohanany ohatra ... mety tsy hiady izy ireo ... na dia samy eo am-pisotroana toaka aza ?
Tsy ny finoana no mampiady ny olona fa ny tsi-finoana.

Ilazako zavatra ianao, raha Silamo mino ny Coran, ny Coran dia milaza an'i Jesoa ho Tenin' Andriamanitra, ny Baiboly koa ... raha misy kristiana sy Silamo mifampiresaka finoana, ka samy tena mino ary mikatsaka ny marina, dia ho tonga amin'ny finoana iray iombonana izy ireo : i Jesoa Kristy no Tenin' Andriamanitra velona.

Ny asan'ny Devoly dia ny handrava ny finoan'ny olona. Fa izao no nahatongavan'ny Zanak' Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny Devoly. Fa tonga Izy nanolotra ny aiNy mba hinoan'ny olona.
"Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao, nomeNy ny ZanaNy Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay"
48. rzakarivola ( 26/01/2010 14:55)
xxx30:

TIAVA NY NAMANAO TAHAKA NY TENANAO

Aza manofy raxxx 29 a!! aiza no havitanao ny hanatanteraka io teny io e!!! Nofy !!!e!!!!

za zao dia manana namana eo @ 20 eo manodidina ny tananay. Za nefa tia misakafo maraina antoandra hariva fa kotrana be ny asako ato. De we hividianako sakafo isana'andro koa ve ireo nanako ireo. Ento ho anao sy razezo any ilay paradisa fa za tsy aharaka ny hividy sakafo ho an' ireo namako ireo toy ny tenako toy ny tenako.

==> "Raha amin'olombelona izany dia tsy hainy atao, fa hain' Andriamanitra ny zavatra rehetra".

I Zachée (Zakaiosy), rehefa niditra tao am-pony i Jesoa dia nilaza hoe : "indro tompoko, izay rehetra nalaiko tamin'ny fanambakàna dia honerako avy efatra heny, ary ny antsasaky ny fananako homeko ho an'ny malahelo" ... ahoana no hahavitany hahatanteraka izany ... à moins que lasa mpiray antoka amin'i Jesoa izy, ka maka ny zavatra rehetra ao amin'ny Paradisan-dRazezo ? Ary afaka, fa efa niteny i Jesoa hoe "anio no tonga eto amin'ity trano ity ny famonjena".

Izaho tsy hilaza fa ho afaka hividy sakafo ho an'ireo 20 (na mihoatra aza) ianao, fa azoko antoka kosa, fa afaka ny hamoky izay rehetra mila vokisana ianao raha toa ka (si et seulement si) manana accès ao @ Paradisan-dRazezo.

Farany, tsy misy zava-tsoa azonao, na dia ety an-tany aza, raha tsy avy ao amin'ny paradisan-dRazezo, ka raha miteny ianao hoe "ento any ..." dia manaisotra ny zava-drehetra @ tenanao ianao.
49. rzakarivola ( 26/01/2010 14:57)
fijo:

ka tena ilay tompo ve no nilaza an'io aloha????????io tompo io koa anie zavatra any anaty loha fotsiny e

==> Misy fomba tokana ahafantarana, anontanio Izy (ny Tompo) fa hamaly.
Tsy marina ve Izy raha any anaty lohanao no hamaliaNy anao ? Marina foana Izy, saingy raha tonga ao @ fonao Izy dia izay vao ho tsapanao ny fahavelomaNy.
Kanefa rah tsy tsapanao ny fahavelomaNY, tsy midika izany fa tsy velona Izy. Velona Izy ary miteny, miteny aminao koa Izy.
50. rzakarivola ( 26/01/2010 15:13)
xxx38 >>> Nataon' Andriamanitra tao anatin'ny olona ny fo mangetaheta fifaliana, fiadanana, voninahitra, harena, ... sy izay tsara rehetra e! Koa tsy ny fitadiavana ireo no fototry olana, fa ny fitaka mahazo ny olona :
1- "Nahoana ianareo no misasatra amin'izay tsy hanina ?"
2- Diso fomba sy toerana itadiavana izany.
ary izay no mahatonga ny hoe "ringana ny oloko noho ny tsy fisian'ny fahalalana".

Voafitaka @ atao hoe fiadanana, fifaliana, harena ary voninahitra ny olona, ary dia diso lalana amin'ny fikatsahana izany. Izany rehetra izany nefa ao amin' Andriamanitra, ary omeNy maimaim-poana, vakio anie eto e!

Koa izao no marina : "Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase."
"Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany."
51. fijo ( 26/01/2010 20:17)
za efa nanontany fa tsy mbola nahazo valiny.

Tsy ny finoana no mampiady ny olona fa ny tsi-finoana." dia ity ny valiny
"fa raha sendra irony "fanatique" irony dia vita matavy!!"hoy anarim
52. ikaretsaka ( 27/01/2010 00:38)
Nisy vavaka nataon'ikala cutie izay t@ voalohan'ny taona nanao hoe: Tompo o, arovy @ ireo mihambo ho mpanaraka anao aho...indrindra ireo fanatika be ireny...
Somary gaga ahako t@ namaky an'io voalohany...fa marina ny azy
53. rzakarivola ( 27/01/2010 15:14)
fijo:
Tsy ny finoana no mampiady ny olona fa ny tsi-finoana." dia ity ny valiny
"fa raha sendra irony "fanatique" irony dia vita matavy!!"hoy anarim

==> Le fanatisme désigne une adhésion passionnée et inconditionnelle à une cause ... (ouz ny wikipedia).
Ataoko fa raha misy olona tena mino an' Andriamanitra, dia fanatique an' Andriamanitra izy, ary raha misy olona passionné et inconditionnelle à la cause de Dieu, dia tsy possible hanao ratsy izany izy, satria Andriamanitra mihitsy no miasa ao aminy sy amin'ny alalany, raha fanatique amin'ny zavatra hafa izy, dia ratsy satria "tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra".
Kanefa raha olona mino zavatra diso, mahay mi-reconnaître ny tsi-fahamarinan'izay ninoany mba hitady ny marina, ary hahita izy satria 'izay mitady dia hahita", ary "ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana no hovokisana".
Ny tsi-finoana no mahatonga ny olona tsy mety mahita ny marina, ka lasa fanatique any amin'ny ratsy.

fijo:
za efa nanontany fa tsy mbola nahazo valiny.

==> Iza no nanontanianao ? Raha manontany an'i Jesosy ianao dia azoko antoka fa hamaly anao Izy. NovaliaNy daholo na ireo nangetaheta fahamarinana na ireo nitsapatsapa, na ireo te hanamarin-tena, na ireo namandrika. Izaho koa mba novaliaNy rehefa nanontany Azy. Ka izany no ilazako (avec assurance) fa valiaNy ianao raha manontany Azy.
Fa eto aho mahatsiaro ... nisy fotoana nanontany Azy ny Jiosy, dia izao no navaliNy : "efa niteny aho fa tsy nino ianareo, kanefa dia hitanareo ny asa izay nataoko tamin'ny anaran'ny Raiko: ireny no manambara ahy"
54. rzakarivola ( 27/01/2010 15:30)
Ikaretsaka:
Tompo o, arovy @ ireo mihambo ho mpanaraka anao aho...indrindra ireo fanatika be ireny...

==> Tsy azoko izany hataka iray izany.
I Jesoa mampianatra ny zavatra tokana tokony hangatahin'ny olona : ny Fanahy Masina.
Ndeha hodinihintsika ny cas : samy milaza ho mpanaraka an'i Kristy na ny mpisandoka na ny tena mino Azy marina.
- Raha misy milaza fa mpanara-dia an'i Kristy kanefa misandoka, dia ho mafy dia mafy ny ho azony noho ny fisandohaNy ny Fahamarinana.
- Raha misy manara-dia an'i Kristy @ fony, ka tsy manao ny sitraky ny tenaNy intsony fa izay ampanaovin'i Kristy azy, dia i Kristy no miasa amin'ny alalany izany, i Jesoa no miteny amin'ny alalany fa tsy izy tenany intsony.

Ka iza amin'ireo no tianao hiarovan' Andriamanitra anao ?
55. fijo ( 27/01/2010 22:11)
misy olona passionné et inconditionnelle à la cause de Dieu, dia tsy possible hanao ratsy izany izy"

dray dray dray izay mihintsy le tena atahorana
56. xxx ( 27/01/2010 23:12)
Les idées reçues ne seront guerres profitables aux âmes saints .
Citation de Pie XII . :idea:
57. fijo ( 28/01/2010 21:00)
izany hono ka.
58. rzakarivola ( 29/01/2010 14:26)
Ikaretsaka:
Les idées reçues ne seront guerres profitables aux âmes saints .
Citation de Pie XII .

==> Qui n'a quelquechose qu'il n'a pas reçu ? (St Paul).
Ce n'est pas de recevoir le problème, c'est plutôt de "ne pas recevoir".
59. fijo ( 29/01/2010 20:32)
ary lasa filozofa dahaolo koa nareo izany an???
60. soanja ( 03/02/2010 01:37)
fijo:

milaza ny mpino fa andriamanitra dia fitiavana.izany hoe le finoany io dia mitarika fitiavana.
raha sipa sy bandy samy hafa finoana anefa no tafaraka,dia ady lava no aterany noho io tsy fitoviana finoana io.
ka izao ,raha tena te hitahiry fitiavana,dia halaviro ny (resaka finoana).
aza manisy resaka momba izay finoanao sy ny azy mihintsy fa gidragidra be tsy hifankahitana no vokany.
ka lasa ny saiko,tena tsy misy azo handravonana azy mihintsy ve ity resaka finoana nareo ity ?????


Ny fitiavan'ny mpivady dia mitaky finoana vaovao ho an'ireo izay niaina tao anatin'ny finoana hafa voasoritra mialoha noho ny fianakaviana, raha te hampanjaka ny fifandraisana sy fifandeferana ary fanetre-tena.
Tsy hisy ny fifanjevoana fa tonga dia mazava hoe ilay fitiavana mihitsy no teraka finoana indray!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0793