regroupement familial

1. mabloo ( 15/01/2010 08:32)
saika mba hanontany ry zareo hoe ahona ny procedure na regroupement familial ah !! hoe hafiriana le izy ho an'zay efa nanao io procedure io !! France no misy ahy dia te ahatonga ny vadiko aty za e!!
misaotra mialoha e!!
novalian'i fijo ny 24/01/2010 20:51
2. menalamba ( 15/01/2010 09:34)
Miarahaba ,
Ny tokony ataonao voalohany dia ny mandeha any @ "préfecture" ny toerana itoeranao ,ka izy ireo no hanome anao ny zavatra takiana rehetra.
Fintiniko anefa izay tena takiany @ izany :
-ny fanananao asa sy karama ahafahan'ireo ankohonanao mivelona
-ny velaran'ny trano ampy itoerana ihany koa (+ - 16m2/isan'olona) ,izany hoe ny isan'areo rehetra X 16m2
-Manantona assistante sociale mba hanampy anao fa raha tsy izany dia atsipitsipiny ankavia ankavanana ianao
-Saika adinoko ,tsy maintsy manana avis d'imposition nandritry ny roa taona ianao vao ekeny ny fandraizana ny fangatahana
Mahereza ary dia tongava izay iriana
Menalamba
3. mabloo ( 15/01/2010 11:20)
misaotra anao namaly ahy,
dia misaotra amin'ny firaritsoa , tsy hita izy ity fa manahirana !
Ny tiako ho fantarina raha azonao mba lazaina ahy e!! hoe le delais le procedure !! hoe 6 mois normalement de avy eo !! apres le avis favorable iny de firy mois apres n'iny no azo le visas , toa misy an'zany test linguistique zany ko hono , ny visite medical !!
misaotra mialoha e!!!
4. menalamba ( 15/01/2010 12:33)
ny test linguistique raha tsy diso aho dia any @ ambasady any tanana no manao azy ,tsy dia mananosarotra io fa miresadresaka vinaninany eo dia vita ,isika Malagasy tsy dia sahirana loatra @ io no tsy dia ilainy vanona loatra ,moa raha tena tsy tafa eo @ teny frantsay dia asainy mianatra rehefa tonga aty ary iantohan'ny fanjakana izany,somary mandreraka io aty satria voatery mivezivezy alavitra ilay olona satria vitsy ny centre fianarana.Rehefa tonga aty indray dia tsy maintsy manaraka ilay formation républicaine homen'ny préfecture ,tsy maintsy atrehina io satria misy diplaoma 5 isa!!! homeny ary ilaina izany rehefa manavao voalohany ny taratasiny ilay olona,tairizina tsara foana izany ireo diplôma vôtany ireo!! :^)
Ny @ reo namako fantatro nanao io zavatra io aloha dia teo @ 8 mois daholo vao nivaly ,dia efa manangona sôsy aloha fa lafolafo ny visas LD ,sy ny billet ny rôpilanina koa lafo nohon'ny normaly.
Dia izay indray no azoko zaraina fa dia mahereza ,dia mba hibitsiho mangina Ingahibé fa mamaly vavaka izy
PS:mbola saiky adinoko ndray, aty no manao visity medikaly ,any @ OMI,dia mbola sôsy koa zay éé,misy drala aloha fa tsy dia lafo ,ny visas définitif omeny avy eo koa mbôla 75€
5. fijo ( 24/01/2010 20:51)
arakarany io,fa na dia azonao aby aza ireo,tsy voatery hoe hanaiky ny prefektura.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0855