FIVAVAHANA SY NY FIRENENA

21. rijadolly ( 15/01/2010 02:18)
Ny tiako lazaina dia toa endrika "pessimisme" ihany ny filazana fa "fandoto iray tandroka dia mitarika loto sarotra diovina."
Raha tsy miala amin'ilay loh- hevitra ihany isika dia mahita fa zavatra tsy tsara ny miseho eto Mada. Ekeko ny fomba fijerinao ary te hanana izany daholo isika Malagasy. Ary io fomba fijery io indrindra anefa ny antony hijerena ny zavatra tsy mety mba afahana manitsy azy. Nisy toriteny iray izay henoko tamin'..., "Fomba fanalana tranon-kala, tsy voaalanao mihitsy ny tranon-kala na anala isan' Andro izao aza ianao raha tsy hoe vonoina mihitsy ilay biby." Tsy voadio mihitsy ny ao anatinao, manodidina anao, Ny Firenenao raha tsy... Izany hoe mila action tokoa izany ilay izy mba ahatanteraka ny lazainao
Voalaza tokoa mantsy fa "fanasin'ny tany ny Kristiana" : raha tena manao ny asany tokoa ilay "sira" dia tsy maintsy ahahenika ny "matsatso" amin'ny farany !
"Boky misokatra ho vakiana ny Mpino"

22. mandrindra ( 15/01/2010 12:21)
fijo:

ka le mpanao polifika any amintsika milaza fa "mpino" aby nefa raha jerena toa ny paosiny no tena hinoanay ko


Ka izay no nahatonga an ilay vavaka nataoko atsy ambasika atsy. Ry zalahy mino fa ny vahoaka ampinonony.
23. niryna ( 17/01/2010 03:17)
Ny firenena izay manankina ny fiainanay eo amin'Atra dia tsy andeha amin'ny heriny fa tsy maintsy mivavaka amin'ilay nanome azy hery.Raha mpino an'Atra tokoa ny eo amin'ny fitondrana dia tsy maintsy mivavaka izy mba omen'Atra hery ahatohitra ny fakam-panahy maro izay miandry sy mety hianjady aminy,raha miaraka avokoa mantsy ireo mpitondra ka mino ny hira hoe Zanahary o tahio ny tanindrazanay ,androso lalandava ,handry fehizay Atra dia miahy ny olony ka na iza firenena mino azy dia tsy ataony ho very anjara izany fa taritiny amin'ny lalana tokony alehany tokoa ny fireneny ,saingy raha toa kosa ka tsy firenena tsy mino an'Atra dia hivoana tokoa ny lalana sy ny fampatokisana nomeny ny vahoaka ireo satira ny fitiavantena no manjaka ao aminy satria tsy manana ilay Atra atahorany izy .Hevitro io :D
Na iza na iza voafidy ka fahamarinana no nahavoafidy azy eo dia avy amin'Atra izy izay ary afaka manampy ny vahoaka ny kristiana satria voafidim-bahoaka izy,raha fangalaram-bato kosa dia tokony hazava avy hatrany fa toetra ratsy no nahatongavany teo ka dia izay tiany sy fitiavantenany no anjaka ao aminy fa tsy ho an'ny vahoaka.
24. rijadolly ( 17/01/2010 16:40)
fijo:
ka le mpanao polifika any amintsika milaza fa "mpino" aby nefa raha jerena toa ny paosiny no tena hinoanay ko
Niryna:
Na iza na iza voafidy ka fahamarinana no nahavoafidy azy eo dia avy amin'Atra izy izay ary afaka manampy ny vahoaka ny kristiana satria voafidim-bahoaka izy,raha fangalaram-bato kosa dia tokony hazava avy hatrany fa toetra ratsy no nahatongavany teo ka dia izay tiany sy fitiavantenany no anjaka ao aminy fa tsy ho an'ny vahoaka.
za:
Na iza na iza tafiakatra eo amin' Fitondrana dia sitrapon' Andriamanitra mba hanehoany ny voninahiNY
dia mbola
koa za:
Avy any AMINY ny fahefana ananan'ilay mpitondra fa kosa ilay mpitondra no mampihatra izany fahefana izany ,na ataony tsara na ratsy( "Ho tsaraina " hiran' Rija Rasolondraibe ).
Tsindriko tsara ilay hanehoaNY ny voninahiNy.satria mitovy hevitra amin' Niryna sy Fijo aho fa misy tokoa ny Mpitondra amin' fomba tsy mendrika no niakarany teo amin' Fitondrana.Misy teninin' IKA izay anefa tadidiko tamin' loha hevitro nangataka vavaka ho an' Firenena tamin' heritaona tahaka izao tsara, nilaza hoe " izao ny lalana hitondrany antsika satria izy mahalala hitondraNy antsika " Tsy dia sahy nanohitra an'izay hevitra izay aho satria nandinika tsara fa misy fahamarinany, ka izay antony izay no ananako Fanantenana fa misy tiany haseho amintsika ka isika oloNy mihitsy no ataoNy fitaovana amin' izany( hanoro, hampatsiaro, hamily, hampanjaka ny firahalahiana, boky vakiana, mba hisian' ny fifamelana, fifandeferana, Fitiavana, eny Finoana, ...)
25. fijo ( 20/01/2010 20:48)
ka le finoany anie wa le paosiny no ten ahinoany e.izay le olana
26. niryna ( 21/01/2010 12:10)
rijadolly:
misy tiany haseho amintsika ka isika oloNy mihitsy no ataoNy fitaovana amin' izany( hanoro, hampatsiaro, hamily, hampanjaka ny firahalahiana, boky vakiana, mba hisian' ny fifamelana, fifandeferana, Fitiavana, eny Finoana, ...)

marina tanteraka izany ,ny zavatra mitranga amintsika rehetra dia nataoNy avokoa mba hiderantsika ny anaraNy.Ary dia fampatsiahivina antsika avokoa fa mila Azy isika amin'ny fiainantsika,tsy afaka mitompo teny irery fa manankina ny fiainana eo amiNy

27. fijo ( 24/01/2010 00:04)
tsy voatery mila azy daholo isika ka
28. soanja ( 01/02/2010 02:08)
rijadolly:


103440 Ny hevitra nandeha tao amin\' dinika \" Fivavahana,Finoana \"
102979 Ny hevitra nandeha tao amin\' dinika \" Politika \"

Raha raisiko eo amin\' fitiavana Tanindrazana = Politika # seza dia voaporofo fa tia Tanindrazana ny malagasy raha ireo isa ireo no Jerena.

Mety ve izao fandehan\' Firenentsika izao? Samy manaiky isika rehetra fa tsy mety.Tsy hiditra lalina amin\' zavatra tsara na zavatra ratsy ataon\' atoko itsy na zaroa izay nahatonga izany anefa isika na hoe Firenen-kafa mahazo tombony fa kosa handinika tsara hoe: \" Tena tsy maintsy miditra amin\' fiainam - Pireneny ve ny Mpino raha hita fa tena mitatao loza( oh: krizy sosialy izay mitarika ady an-trano sy ny didin\' be sandry,...) tokoa ny Fireneny??? \"

Misokatra ny ady hevitra.

Ny hevitro dia manana andraikitra lehibe tokoa ny Mpino eo anivon\' izany olona izany. Kitsipona iray ESTERA 8 : 6 fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko ?



Tsotra ny andraikitra raha ny fahitako azy aoka handray andraikitra izay hitanao fa tandrify anao ary heverinao fa hahasoa ny hafa sy ny momba anao indrindra fa ny firenena.

Raha misy zotom-po avy amin'ny Fanahy masina miantso anao hirotsaka hiady ho an'ny fandriampahaleman'ny firenana dia hoy aho hoe Deraina Andriamanitra. Raha misy kosa fahatsapana fa ny mitazana no mety aminao manolotra fivavahana ho an'ireo izay mikatsaka ny hahasoa ny firenentsika dia hoy aho amin'ny feo avo hoe Mihoby anao aho ry Avo indrindra. Tsy misy resaka hoe mainty sy fotsy ny fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra mifangaro fitiavan-tanindrazana fa izay tandrify ihany no tanteraho!


29. niryna ( 01/02/2010 06:20)
xxx:

Raha ny isan'ny ireo Malagasy mitonontena ho tia fivavahana, matahotra an'Andriamanitra ary mandeha @ finoana no jerena dia tsy tokony ho izao ny firenentsika.

fa tokony anao ahoana ? moa tsy ny olona tsy manantsiny no mijaly ankehitriny noho ny fitiavantena sy ny voninahitra tadiavin'ireo milaza ho mpitondra? ny any am-paosiny no fenoiny ary ny vahoaka tsy manantsiny no mijaly? voaterin'ny tsy fisiana dia lasa manaonao foana ?


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0552