Le coiffeur et Dieu...

1. fidinirina ( 21/12/2009 07:28)
Un homme est allé chez un coiffeur pour couper ses cheveux et sa barbe.
L'homme et le coiffeur ont commencé à parler.
Ils ont parlé de tant de choses et de divers sujets. Quand ils ont par la suite touché au sujet de Dieu, le coiffeur dit :
- Je ne crois pas que Dieu existe..
- Pourquoi vous dites ça ? a demandé le client.
- Bon, vous devez juste sortir dans la rue pour vous rendre compte que Dieu n'existe pas. Est-ce que, si Dieu existait, y- aurait 'il tant de personnes malades? Y aurait-il des enfants abandonnés ? Si Dieu existait, on ne souffrirait pas de douleur. Je ne peux pas m'imaginer aimer un Dieu qui permettrait tous ça.
Le client a pensé pendant un moment, mais n'a pas répondu parce qu'il n'a pas d'argument.
Le coiffeur a fini son travail et le client sort du magasin.

Juste après, il voit un homme dans la rue avec des cheveux longs, visqueux, sales. Il semble très sale.
Le client revient et entre dans le magasin du coiffeur encore et il dit au coiffeur :
- Tu sais quoi ? Les coiffeurs n'existent pas.
- Comment pouvez vous dire ça ? a demandé le coiffeur étonné. Je suis là et je suis un coiffeur et je viens de vous couper les cheveux.
- Non ! hurle le client. Les coiffeurs n'existent pas ; parce que s'ils existaient, il n'y aurait personne avec de longs cheveux sales comme cet homme qui est dehors.
- Ah, mais les coiffeurs existent ! Ce qui se produit, c'est que ces gens ne viennent pas à moi.
- Exactement ! affirme le client. C'est bien ça ! Dieu, aussi, existe ! Ce qui se produit, c'est que les gens ne vont pas chez Lui et ne le recherchent pas. C'est pourquoi il y a tellement de douleur et de souffrance dans ce monde.
novalian'i xxx ny 27/12/2009 16:24
2. xxx ( 24/12/2009 10:20)
Voalazanao hoe: "Exactement ! affirme le client. C'est bien ça ! Dieu, aussi, existe ! Ce qui se produit, c'est que les gens ne vont pas chez Lui et ne le recherchent pas. C'est pourquoi il y a tellement de douleur et de souffrance dans ce monde".

De mba hazavao kely àry ry namana ny momba ireo tsy manan-tsiny maty, na mijaly.

De mba hazavao koa ny momba an'ireo mpino zohim-pahoriana mafy. Ohatra iray ny momba an'i Joba.

Inty kosa misy tranga iray: Misy tanora iray zary tsy mino an'Andriamanitra intsony ankehitriny satria izao no antony: Ny fianakaviany (ny Ray aman-dReniny niaraka tamin'ny zandriny lahy kely) dia nanao lozam-piarakodia tamin'iny lalana mankany Antsirabe iny. Ny Rainy sy ny zandriny dia maty teo no ho eo, fa ilay reniny kosa dia telo taona taty afara vao maty, ary maty nijalijaly.
Raha vao nitranga ny loza dia efa niara-nanao alim-bavaka tamin'ireo mpiara-nivavaka taminy io tovovavy io, nialohan'ny hiverenany tany Antananarivo satria tena fianakaviana kristiana ry zareo.
Ny reniny moa dia tsy afa-nihetsika teo am-pandriana intsony mandram-pahafatiny, ary tsy afa-nanao na inona na inona. Tsy nitsahatra ny nivavaka ho azy ilay zanany, ary nangataka mafy ny mba hahasitrana, na mba hahamaivana ny fijalian-dreniny, nefa indrisy... vao maika nihombo ny tsy fahasalamany... Lany ny vola, ritra ny harena... nefa dia maty tao anatin'ny fijaliana mafy ihany ilay ramatoa.

Vokany, tsy mino an'Andriamanitra intsony io tovovavy io ankehitriny, ary tsy te hihaino momba an'Andriamanitra intsony koa...

De ahoana inona no holazainao?
Moa ve mitombina ze nambaranao teo?

3. xxx ( 24/12/2009 10:30)
De mba hazavao kely àry ry namana ny momba ireo tsy manan-tsiny maty, na mijaly

Noho ny ota dia mihatra @ zava-boahary rehetra ny fahafatesana.
4. niryna ( 27/12/2009 07:00)
xxx:

Voalazanao hoe: "Exactement ! affirme le client. C'est bien ça ! Dieu, aussi, existe ! Ce qui se produit, c'est que les gens ne vont pas chez Lui et ne le recherchent pas. C'est pourquoi il y a tellement de douleur et de souffrance dans ce monde".

De mba hazavao kely àry ry namana ny momba ireo tsy manan-tsiny maty, na mijaly.

De mba hazavao koa ny momba an'ireo mpino zohim-pahoriana mafy. Ohatra iray ny momba an'i Joba.

Inty kosa misy tranga iray: Misy tanora iray zary tsy mino an'Andriamanitra intsony ankehitriny satria izao no antony: Ny fianakaviany (ny Ray aman-dReniny niaraka tamin'ny zandriny lahy kely) dia nanao lozam-piarakodia tamin'iny lalana mankany Antsirabe iny. Ny Rainy sy ny zandriny dia maty teo no ho eo, fa ilay reniny kosa dia telo taona taty afara vao maty, ary maty nijalijaly.
Raha vao nitranga ny loza dia efa niara-nanao alim-bavaka tamin'ireo mpiara-nivavaka taminy io tovovavy io, nialohan'ny hiverenany tany Antananarivo satria tena fianakaviana kristiana ry zareo.
Ny reniny moa dia tsy afa-nihetsika teo am-pandriana intsony mandram-pahafatiny, ary tsy afa-nanao na inona na inona. Tsy nitsahatra ny nivavaka ho azy ilay zanany, ary nangataka mafy ny mba hahasitrana, na mba hahamaivana ny fijalian-dreniny, nefa indrisy... vao maika nihombo ny tsy fahasalamany... Lany ny vola, ritra ny harena... nefa dia maty tao anatin'ny fijaliana mafy ihany ilay ramatoa.

Vokany, tsy mino an'Andriamanitra intsony io tovovavy io ankehitriny, ary tsy te hihaino momba an'Andriamanitra intsony koa...

De ahoana inona no holazainao?
Moa ve mitombina ze nambaranao teo?



Tsy ny fitenenana hoe tsy misy Atra noho tsy maha tsy misy azy
Afaka mana-porofo ny fihavian'ny rivotra ve xxx?
Tsy ny soa ihany no azo avy aminy fa ny ratsy ihany koa.Misy antony avokoa ny zavatra mitranga amin'ny fiainantsika ary mety isika no miteny fa ratsy ilay izy satria ny eritreritsika no mandidy ny asany fa tsy mijery ny fahasoavana omeny antsika isika

Matetika isika rehefa mandeha tsara ny fiainantsika dia tsy mahatsiaro an'Atra rehefa misy voana mahazo kosa dia miantso azy,raha mitady zavatra isika ka tsy omeny,tsy midika izany fa tsy misy izy,izay mety mahasoa antsika no omeny fa tsy ny tiantsika.

Ny fahoriana miantra amin'ny fiainantsika tsy midika velively fa tsy misy izy
Ny teniny dia manambara fa tsy mamela antsika irery izy,raha ao anatin'ny fahoriana isika ka mitady azy dia omeny hery sy fampaherezana tokoa isika ary ho maivana ny fahoriana,raha toka kosa ka isika no mibaiko azy dia lasa mandidy alohan'Atra isika ary ny tiantsika no heverintsika ho tokony ho izy

Ny fahafatesana no tambin'ny ota,ny fahoriana mihantra amintsika dia fitsampana avokoa izany.
Na inona mitranga amin'ny fiainantsika izay mifikitra azy amin'ny fony tokoa dia tsy ho very maina,raha mitady zavatra aminy isika kanefa tsy nomeny izay notadiavintsika isika dia tokony vao maika isika ifikitra aminy ary isaotra aminy satria maro ny fitsampana mahazo antsika fa izay maharitra hatramin'ny farany ihany no voavonjy.

Vao miala aminy isika dia tafiditry satana ny baolina satria analavitra amin'Atra mihitsy no tadiaviny amintsika isan'andro ary lahona isika vao afaka miverina aminy satria hery avy fito heny no ao anatintsika ka tsy ho vitan'ny herintsika irery ny hiverina amin'ilay Tompo mahery raha tsy misy mpanampy antsika hivavaka antsika .

MIkasika ny tantaran'i Joba?
Ho an'ny kristiana rehetra dia fahasoavana lehiba ho azy ireo no nahalalany ny tantaran'i Joba satria tsy misy mahazaka ny toa ireny,kanefa kosa rehefa tonga ny fahoriana dia mitamberina fa na mafy toa inona ary izany dia tsy nisy mafy toy ny nahazo an'i Joba.Vao maika manamafy ny finoan'i kristiana ny tantaran'i Joba ,ny tsy mino vao maika manalavitra an'Atra izany aminy satria izy indray no mijaly indrindra satria tsy mahafantatra ny fitiavan'Atra asehony azy andro aman'alina ka manome tsiny an'Atra no ataony

Toy ny hoe raha misy tokoa Atra dia manaova fahagagana,raha misy tokoa Atra dia maninona no misy toa izao sy izao ny tsy mpino sy ny tsy mahatsampa ny fahasoavana nomen'Atra azy isan'andro ihany no mahatonga no mametraka izany fanontaniana izany ary raha mangetaheta te ahalala azy kos isika dia asehony tokoa izany
5. xxx ( 27/12/2009 16:24)
Izaho angaha ry nyrina miteny hoe: tsy misy Andriamanitra? Ary izaho tsy nanam-porofo velively ny tsy mampisy azy mihitsy! Mba vakio tsara izay voasoratra re!

Ianao moa milaza an'izao sy izao, eo ambony eo, nefa toa tsy azonao akory ny fandehan'ny tantara sy ny zava-nitranga.
Ahoana ny fiteny amin'ny olona ao anatin'ny fahakivina mafy hoe: tandremo fa hidiran'ny demony ianao?
Ahoana no hitenenana aminy hoe: "Fitsapan'Andriamanitra izao"

Dia ahoana koa no filaza aminy hoe: "Ny fahafatesana no tambin'ny ota,ny fahoriana mihantra amintsika dia fitsampana avokoa izany". Olona miaina eo anivon'ny fiaraha-monina izy, ary mahita ny fiainan'ny hafa koa. Firifiry ny olona tsy tena mpino manodidina azy, na tsy mivavaka, nefa tsy misedra ny mafy nosendrain-dreniny, izay maty nijaly koa avy eo.
Ny reniny ve no mpanota be mihoatra ny hafa izany? Sa izy mianakavy kely, nefa lazaiko aminao fa tena kristiana mafana fo izy ireo.
Raha atao hoe: fitsapana izany, maninona koa ny olona no tsapaina? tsy azo antoka ve? raha lazaina fa fitsapana io, de mazava ho'azy anie izany fa Andriamanitra no namono azy e!!! Ianao milaza hoe aza manome tsiny an'Andriamanitra nefa ny zavatra lazainao de mampiteny an'izany.

hoy ianao hoe: Toy ny hoe raha misy tokoa Atra dia manaova fahagagana,raha misy tokoa Atra dia maninona no misy toa izao sy izao ...
Koa maninona no tabatabaina etsy sy eroa ny hoe: fahasitranana sy fahagaga... rehefa hitory teny pasitera, na misy vazaha avy any ivelany tonga aty Madagascar mba hitory teny hoe!
Marihako koa fa tsy niandry fahagaga velively io olona io fa nanao izay azony natao rehetra tamin'ny fitsaboana an-dreniny.

Farany: Ny tantaran'i Joba dia lazainao fa tsy misy mahazaka ny toy ireny. Ka omenao tsiny ve ny olona iray raha maty Ray amn-dreniny, ary mpirai-tampo, ary ritra harena sy fananana, lasa vato kiboribory,... ary zary lasa tsy mpino? Tsy eo aminao ny toerana ka mora ny miteny hoe: zao sy zao... Ahoana ny hitenenanao aminy hoe: Isaory Andriamanitra fa avy aminy izao, ary entiny hanasoavana anao???

Angamba hino ny fisian'Andriamanitra tokoa izy, saingy hankahala azy tanteraka!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2722