Fotokevi-dehibe hivoaka rahariva

1. kidoropamba ( 16/12/2009 14:19)
Efa voavadibadika ny sikidy ka toy izao ny foto-kevi-dehibe hivaoka rahariva avy amin'ny ANDRY TGV:

1. Hanaiky ny fodian'ny delegasiona 3 mouvansa izy RAHA TOA KA MANAIKY IRETO FARANY fa foana ny charte maputo, accords addis abeba, ary izy Nirina andry rajoelina, irery ihany no hitondra ny baolina manomboka izao.

Fanazavana: Tsapan-drajoelina fa ilay ampamaoka narengarengan'ny Zafy iny dia hampidi-kizo azy an-davaka satria maro ny halatra sy zavatra maloto vitany tao anatin'ny 11 volana raha tsy hiteny hafa tsy ny: rackets t@ orin'asa sheritt (nangatahin'ilay vazaha-gasy consaillé an'i Andry, PL, ny 5% n'ny vola ampiasain'ny sheritt @ fitrandrahana nickel ao ambatovy): 5% n'ireo 5 miliara de dolara. Ny fanodikodinana ny projet mikasika ny kit scolaire, ny vola natokana hoan'ny fampianarana. Ny bois de rose. Ireo rehetra ireo dia nanaovan'ireto ministra ireto "reçu" daholo fa hoe "tena voarain'ny TGV" tsara. Io no mahatonga an'i Zafy miady mba TSY HIJANONA amin'ny Andry ny "education nationale", ny "hydrocarbures et mines" sy ny "environnement".

Nihevitra fa erera be no naneken'ny andry an'i Zafy ho filohan'ny CNR satria hitsikafona ny nafenina rehetra satria izay no takiann'y "vérité et réconciliation". Tsy manaiky vidim-bola Zafy ka tadiavina ho vonoina @ krizy kardiaka.

2. Hanao fifidianana solom-bavambahoaka (législative) ingahy TGV ato anatin'ny 2 na telo volana.

Fanazavana: Mahatsapa andry TGV fa raha fifidianana filoham-pirenena dia: voalohany, tsy afaka milatsaka izy raha tsy misy NA charte de Maputo (izay tsipahany noho ny antony etsy ambony), NA misy reférendum. Kanefa efa maika ny hiroso @ fifidianana ny fikambanam-be iraisampirenena dia ny "legislative" no tadiavinn'y TGV aroso. Faharoa, raha misy charte de Maputo, dia mety afaka hilatsaka Ra8 sy ireo candidat sasantsasany toy an-dry Pierrot na Tantely ka aleony aroso ny solombavam-bahoaka izay heverina fa ho zakany tsara (satria tsy afaka hiomana ny adversera ao anatin'ny izany 2 na 3 volana izany; ny TIM kosa raha hanaiky an'izany dia voatery hiala ao @ Magro ka ho rava ny pression). Ahazo deputé TGV 100% izy amin'izay satria izy no hikirakira samy irery ny fifidianana, izy no hanendry ny chef de région, nanendry ny prefet de district, manendry ny ministra ny atitany. Ka higalabona ny hala-bato amin'izany.

Olana: Manaiky an'io schema io ny Frantsay. Nambaran'ny Andry t@ masoivohon'ny firenena vahiny rehetra niresaka taminy afak'omaly mantsy io fanapahan-kevitra io ka ry zareo frantsay irery ihany no toa mitady hanaiky an'izany.

3. Hanangana governemanta militaro-civile ingahy TGV hikirakira an'izao fifidianana katsahiny atao izao ka ny praiministra amin'izany dia miaramila izay lazaina fa "handamina" ny tanàna. Ka aza gaga isika raha "tao anatin'ny filaminam-bahoaka tanteraka" ny fizotry ny fifidianana.

Fanazavana: Hapetraka ho miaramila ny praiministra mba hilazana fa "neutre" ny fikirakirana ny fifidianana. Antsoina ny hery politika rehetra hiditra ao anatin'izany governemanta izany ka ho maro ny hanara-dia an-dry Alain andriamiseza sy ny taranany.

Farany: Iray ihany anefa no zavatra afaka hanakana na tsia an'izany fanapahan-kevitry TGV izany: La Frantsa.

Lafrantsa irery ihany no sahy manohana an'i TGV ary vonona hamatsy vola mba hanaovana io fifidianana io. Ka raha tsy misy pression mahazo an'i lafrantsa (ny firenena hafa ohatra, ny etazonia, ny sinoa, ny alemana...) dia ho tanteraka ny fikasan'ilay Nirina andry. Raha mahazo pression kosa la frantsa dia mety hihemotra ka houainina ihany TGV ary ho avotra ny firenena.

Miady anefa ny samy frantsay: Ao ny ekipan'ny Claude Guéant, sofin'ny sarkozy izay manohana mafy dia mafy an'i Rajoelina miaraka @ Bourhi sy "Patrick Foussa". Etsy ankilany kosa dia tsy manaiky ny ao @ Quay d'Orsay tarihin'ny Kouchner sy ny cellule afrique izay mahita fa "tsy solida" ity TGV ity ka raha hiankina amin'io lafrantsa dia hidaboka sahala tany Rwanda, côte d'ivoire, guinée sy togo amin'izao.

Izay no mahatonga ny "communiqué" an"i lafrantsa SAHALA AMIN'NY LELON-JAZA (miditra mivaoka): androany manohana (regrette Maputo 3), rahampitso manohitra (Havereno ny any Maputo)

Eo izany no mipetraka ny raharaha politika amin'izao ka handraso ny kabary rahariva dia ho hitantsika eo.
novalian'i fijo ny 17/12/2009 22:03
2. Toumba ( 16/12/2009 17:11)
lasa alavitra loatra izany resakao izany ry kidoro
3. Toumba ( 16/12/2009 17:25)
tsy sahy manangana gouvernement eo io ,efa miha betsaka ny tsy manaiky azy eny fa na dia ny miaramaila aza
4. kidoropamba ( 16/12/2009 17:38)
hin hin hin, hatramin'izao aloha dia tafita ny hevitra 2 satria mihaino no mijery ny kabarin'ny Rajoelina aho: Ilay TEBOKA ROA VOALOHANY dia efa nolazain'ny TGV.
Sikidy, sikidy hoa.... hin hin hin.

Mbola mitohy ny fiainoana an'i andry. TSY MAMELY HOA ANDRY satria rakatra daholo ny fikafikany.
5. terrywui ( 16/12/2009 19:19)
aok'izay ny ranomaso de toneo ny alaelo e.....! mbola ho avy ilay maraina vaovao ...........!!!
6. fijo ( 16/12/2009 21:22)
tena mitombona tsara le fanadihadihan'i kidoro ka,ary raha ny fahitako azy,dia saika mifanakaiky ny marina ilay izy.
7. mibalika ( 16/12/2009 23:50)
ho an'i rakidoro,

miaky ny fahitanao aho e,izay ilay atao hoe:"rafotsy be leon'ny mangahazo,miaiky anao aho rafakakazo..."
inona no afaka lazaina fa dia mahereza daholo,mbola lavitra ny lalan-kizorantsika e!!!
8. ndotofetsi ( 17/12/2009 01:00)
dadarabe
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
9. lelimpi ( 17/12/2009 01:09)
inona koa koa no mapivanitika an le doto lahy ty
10. milamm ( 17/12/2009 01:11)
=D> =D>kidoro ekena e,izay le izy tsy aharitra lazon\'ady lavanify, ny fahatezerambahoaka,3 mouvances,pression internationale nefa mila vaha-olana maika tsy misy hatak\'andro ny rehetra,iza no haharesy lahatra ireo vondrona iraisampirenena ahazahoana mikarakara miaraka sy voaaramaso ny fifidianana,iza avy no mahazo milatsaka,fikarakana @ reo codes electorale election legislatives,election presidentielle ...io no tanjona manaraka,mivadikevitra tampoka teo lery efa tsy lavitra directoire militaire ihany ty ra izao fa i lavanify fotsn no eny @ tampony miaramila voavidy no ampitazomina ny postes cles,tsy ho ela intsony io =))
11. ndotofetsi ( 17/12/2009 01:17)
2. Hanao fifidianana solom-bavambahoaka (législative) ingahy TGV ato anatin'ny 2 na telo volana.

=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
12. kidoropamba ( 17/12/2009 08:12)
Mangataka amin'ny hery aloha mba hanazavany ny fanaovana "paypal" fa mety hampidi-bola ny fanaovana sikidy.

Nitsikafona ny hevitra faha telo t@ ora farany satria natahotra ilay filazan'ny foloalin-dahy 9 lahy omaly nitaky ny maha "neutre" ny tafika ingahy Rajoelina.

ny lalao anefa mbola tsy vita satria (izay vao) tezitra ny frantsay satria nangetoran-drajoelina satria tezitra ity farany fa TSY NOMENA Francophonie izy kanefa saika hi-zesta indray @ sary miaraka @ ireo olona malaza maromaro.

TGV irery izany izao no mba mila an'ity legislative unilatérale izay kirakiraina ary atao ao anatin'ny HALA-BATO tanteraka. Manotany ihany ny tena hoe: Maninona no atao sarintsarim-pifidianana raha toa ka efa ao @ HAT ny listr'ireo izay deputé efa lany?

Andraso fa mbola efa mandeha ny pression isan-karazany. Manahy mafy dia mafy aho fa ho RATSY FIAFARA ity bandy kely ity.
13. pikatti ( 17/12/2009 13:03)
Tena nomeko étoiles elah rakidoro raha izaho no Noél Ndrianarijaona
fa lainga lainga fa tsy ratsy le fanafody gasy lesy bain a toa mahatoraka marabout raha izao no fandehany klé:lol:
Ary io lazain'elah mila deraina ho filoha io zavatra tena marina ,hanao bonne année ny Malagasy ralavasanga nefa tena fanompana gasy mafiady ady daholo izany
Andraso fa mbola efa mandeha ny pression isan-karazany. Manahy mafy dia mafy aho fa ho RATSY FIAFARA ity bandy kely ity.
Ka io no lazain'i Toumba gasy fa ho amboariny , mbola ho avy ndray ve ry Zimbô sy ny akamany ,mbola any ihany ve ry Rakotomanga Mijoro :roll: :idea:
14. michaela22 ( 17/12/2009 13:13)
Raha tena miray hina fatratra ny Antoko Tim dia mety ahtaosika izao fanaovana tsinotsinona ny safidimbahoaka tamin'ny fifidianana Filoha izao
15. dadabe ( 17/12/2009 14:49)
tay be rakidoro izany raha hanadihady kleuleu
16. Samoana ( 17/12/2009 15:16)
kidoropamba:

... tezitra ny frantsay satria nangetoran-drajoelina...


tampin-dalan-kaleha atsy ho atsy mihintsy anie izany izy raha ny papany avy no namaimbony e!
Misaotra amin'ny sikidinao Rakidoro a:wink:
17. fijo ( 17/12/2009 20:52)
efa tapidalankaleha anie,ka ny loha no aroso izao e,atao izay rehetra azo atao hanadalana olona aloha,fa rehefa mirongatra ny tsy an'asa ho ita eo ihany ny hiafarany.i radomelina moa haninona,fa lasa izy maka avion dia veloma,fa ry naritsimba no hizaka ny tsy anasa eo,ka ahiana mafy
18. AndriambyII ( 17/12/2009 21:28)
Dia ho lasa resaky ny be basy indray izany no hitantana ?? ttssss mdr alors !!
19. fijo ( 17/12/2009 22:03)
ka tsy hanao raha ny sivily ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1197