Sakafo krismasy...

1. hery ( 07/12/2009 16:23)
Inona ny kaly hataonareo amin'ny krismasy? ;-)

Ny zavatra mba iriko zao (enga anie ho hitan' madama) dia

Ny entrée angamba aleo tsy dia be vinaigre sy menaka loatra... na dia salady tsotsotra aza dia efa mety. Tsy ilay hors-d'oeuvres-ndrazana reny koa :-p
Henankisoa sy petits pois... somary tsy le ritra d tsy ilay petits-pois simba be fa lé mbola afaka mikodiadia tsara.
Dia misy akoho ritra tsy misy fangarony.
Miaraka amin'ny vary (asiana ranon'apango azafady)
Divay mena
Ilay lasary voatabia tsy adino.
2. fahamarinana ( 07/12/2009 17:32)
:arrow: misy izay tsy homana androany raha tsy hitan'ny madama kle ! :-D :-D
Za nefa ry Hery dia mbola mankafy ireny hors d'oeuvres ireny,tsy haiko fa raha fety dia tsy tonga lafatra rahavao tsy misy an'iny na dia atao hoe kely aza !Efa fahazarana mihintsy !
Ankoatrany dinde sy ny lelan'omby sy ny chapon dia tsy hitako loatra izay atao,mbola mitady laoka,ny vary efa paré foana ! :) (l)
3. ni81 ( 07/12/2009 19:05)
Inona ny kaly hataonareo amin'ny krismasy?

Ny zavatra mba iriko zao (enga anie ho hitan' madama) dia

Ny entrée angamba aleo tsy dia be vinaigre sy menaka loatra... na dia salady tsotsotra aza dia efa mety

misy izay tsy homana androany raha tsy hitan'ny madama kle
:-D :-D
4. logan72 ( 08/12/2009 07:02)
Ny ahy aloha ny entrée tena tiako camaron à la mayonnaise + voatabia + ovy vitsivitsy + concombre, oeufs dur, sns ...............ka na miaraka am l hors d'oeuvre nentin-drazana aza, dia vao maika manatsara azy ihany koa.
Dia ny laoka, dia henakisoa sy gana koa anie ka tsara, asiana thym + sakamalaho + tongolo gasy eh ! Ilay henakisoa somary atao matavitavy kely , dia asiana kely sauce d'huitre fa tena matsiro be !
5. hery ( 08/12/2009 07:26)
Ilay dinde aty saika mba tsara fa tsy haiko hoe maninona fa aty Italie mora be loatra ny dindes dia lasa sakafo isanandro dia mahakirizy be nefa mba hoe vorintsiloza amin'ny krismasy :-)

ilay hors d'oeuvre-ndrazana aloha raha vao misy mayonnaise d tsy mamely e.
6. maeva74 ( 08/12/2009 08:33)
hery:

Inona ny kaly hataonareo amin'ny krismasy? ;-)

Ny zavatra mba iriko zao (enga anie ho hitan' madama) dia

Ny entrée angamba aleo tsy dia be vinaigre sy menaka loatra... na dia salady tsotsotra aza dia efa mety. Tsy ilay hors-d'oeuvres-ndrazana reny koa :-p
Henankisoa sy petits pois... somary tsy le ritra d tsy ilay petits-pois simba be fa lé mbola afaka mikodiadia tsara.
Dia misy akoho ritra tsy misy fangarony.
Miaraka amin'ny vary (asiana ranon'apango azafady)
Divay mena
Ilay lasary voatabia tsy adino.


Enga anie mba handalo i madaman-dRahery hihihihi
Ny ahy indray ilay petit pois mikodiadia arak'ilay tenen'i Hery
fomba tsotra kely hitairizana ny petit pois hikodiadia ary homena an'i Hery sy izay liana
maka petit pois mbola frais tsara dia ampangotrahana ny rano dia asiana sira kely dia arotsaka ilay petit pois de avela hilona kely 10 min raha be indrindra de tsoahina rehefa avy eo dia tonga de aélatsaka ao anaty rano misy "glaçon " dia ahazo petit pois mbola mikodiadia enao izany hoe andrahoina ho masaka tsara ilay gana na akoho na lelan'omby dia alatsaka ilay petit pois atsasakadiny alohan'ny handrosoana azy.
Mazotoa homana ary;
Ny ahy kosa amin'izao fety izao dia trondro be nofiny be atao saosy miaraka @ coco voatabia mena be tongolo maitso thyn, coriandre maitso, tongolo gasy , alohany andrahoana ilay trondro dia endasina kely ilay trondro miammmm tsy atao masaka be loatra fa manjary tsy hisy ho raisina; miaraka @ rougay io an!
ny entrée indray ireny pàte coquillage ireny miaraka @ légumes voatetika majinika kely de persil de mortadelle voatetika majinika koa dia mayonnaise vita gasy na fais maison. Ho hitanao fa ahatsiro ny nahandronao
Mazotoa homana ary tompoko
Maeva74
7. booboo ( 08/12/2009 09:31)
Maeva74 > matsiro ery fahitako izany motika hataonao izany miam miam :D
8. kelly13 ( 08/12/2009 10:03)
za ndray a part ny hors d'oeuvre sy ny vary (sy paty satria ram's bof bof ra resaka vary ra tsy oe miaraka @ ravitoto) d te hanao magret de canard saingy tsy d manampahaizana @ lakozia mou ny tena d vôtery ngamba haka re7 ao @ google,fa ra isy mahay mou isika eto d raisina antanandroa! za kou hanao nems sy sambos fa mba tian'ireto fianakaviako ngozo reto ny nems-ko. t@ heritaona aho nanao chapon aux marrons, fa nalonako 1 andro maninjitra ilay chapon (huile d'olives, karazana epices malagasy miam, sira, poivre malagasy miam kou sa mou efa epice ny poivre lol) fa mba tsara ka
9. fahamarinana ( 08/12/2009 14:35)
:arrow: zany hoe ny noely atoandro za zany hisakafo any amin'ny logan72,ny noely hariva any amin'ny Maeva74 ndray,ny 1 janoary any amin'ny kelly13 dia avy eo any amin'ny Hery fa mety efa mba hitan'ny mme ny soratra ato amin'izay ! :D (l)
10. sipagasy ( 08/12/2009 20:38)
mmhh ny ahy izao ny eritreretiko ann, dia ny entrée, mmhh miala tsiny ài hery fa dia hors d'oeuvrendrazana ihany ny ady eo, ampiana kely achards fait maison fa tsy ilay be carry ann, fa atao misi² vinaigrette iny no tiako, dia ny plat dia henakisoa sy gambas miaraka @ carry kely koa tsy adino ny sakamalaho sy ny tongolo gasy sy tongolo egypta, dia ny dessert, voankazo aloha, tss raha mba tonga aty ireo letchi avy any dago ireo annn, fa tsy ireto manta kisoka kely ratsy tarehy tonga aty ireto annn hihihihi dia ny tsindrin-tsakafo fanaoko dia ny glaces miammmmm

manasa e!
11. diamondra27 ( 09/12/2009 12:50)
efa tsy mahandry fa noana , ngah tsy asiana tsakitsaky le izy ry hery fa tonga de entrEe
asaivo manamboatra cacapigeon sipagasy de alefany any aminareo
12. logan72 ( 10/12/2009 06:12)
Dia misaotra ry fahamarinana fa dia tongava ah ! Sady ny ahy rougail tomate-ako amin'io mbola asiako combava kely, mba hampahamanimanitra azy tsara. Torohevitra tsara koa izay.
13. irihat ( 10/12/2009 12:38)
entrée hatao tsotra kely : poireau, ovy, carotte asiana vinaigrette de somary haingona charcuterie fotsiny. Ny kaly indray mba andramo ange, nofon-ken'omby fonosana anaty nofon-kenakisoa de atao ritra tsara, fa mlay an (ohatrny rôti). Zaay zany refa fety de miala an'ireny gana sy hena kisoa, vorontsiloza e .... fa andramo ange ry reto io. Ohatry ny mihinana gana sy hena kisoa ihany, aza adino ny tongolo gasy an fa iny no mahamanitra azy. De tsy asiana ankoatr'izay tongolo gasy izay.
14. maeva74 ( 11/12/2009 16:39)
Tongava ry Faha fa miandry aho an! hihihihi ny dessert koa aza adino ry reto an!
mousse à la maracouja na fruit de la passion miammmm (l) (l) (l) (l)
15. ni81 ( 11/12/2009 16:54)
Tongava ry Faha fa miandry aho an! hihihihi ny dessert koa aza adino ry reto an!
mousse à la maracouja na fruit de la passion miammmm
Zà koa mba ho avy e!
(Fa ndry ve aloha lasa nanao vakansa sa nankaiza no tsy hita e?) :?
Miandry ny fianakaviana ary andafy atsinanana fa miverena a! :-*
16. fahamarinana ( 11/12/2009 17:29)
:arrow: ni :ho bedy eo fa manao hs an!..(Ato sisa izy no tazana hono akia)
Maeva : ho avy tokoa moa zany ,fa atoroy ahy ny lalana hoe !Hafa koa ilay anarany fruits de la passion any aminjy any akia ! hihi (l)
17. diamondra27 ( 11/12/2009 18:02)
maeva: inona akia le trondro ataondry, saumon vatany 1 manontolo ve sa trondro hafa
le crustace ireny koa ange ampirahina am coco tena oooo, miam miam be e
asiana cyrry kely etc
ahatsiarovako ny tany sainte-marie manko raha vao sakafo misy coco zany
18. ni81 ( 11/12/2009 18:17)
ni :ho bedy eo fa manao hs an!..(Ato sisa izy no tazana hono akia
ay ve e :?!
Raha miteny ratsy vao mahazo penalizasiô @ sefo ry faha fa aza matahotra a! zany moa sefo o! :D :

Mba tiako koa ny salade de fruits an!
19. maeva74 ( 12/12/2009 07:51)
fahamarinana:

:arrow: ni :ho bedy eo fa manao hs an!..(Ato sisa izy no tazana hono akia)
Maeva : ho avy tokoa moa zany ,fa atoroy ahy ny lalana hoe !Hafa koa ilay anarany fruits de la passion any aminjy any akia ! hihi (l)



Atoroko tsara ny adiresy kah, andefasako plan mihitsy an! hihihihi " maracuja" ohatry ny garana io fa ngodabe sady mavomavo be no tsara be fa aoka fotsiny ny tsirony rehefa hanaovana jus na mousse miammmmmm
20. maeva74 ( 12/12/2009 07:59)
diamondra27:

maeva: inona akia le trondro ataondry, saumon vatany 1 manontolo ve sa trondro hafa
le crustace ireny koa ange ampirahina am coco tena oooo, miam miam be e
asiana cyrry kely etc
ahatsiarovako ny tany sainte-marie manko raha vao sakafo misy coco zany


Trondro be nofiny d'efa mety kah ohatra hoe ireny kapiteny be ireny dia esorina @ pince ny taolana majinika azo asina crevettes koa ho fanampiny fa matsiro be tokoa. Ny saumon Iindray tsy dia manavanana anah ny mahandro azy fa ny manao azy @ four no tiako. tsy kikisana fa avela ny akorany ilay hodiny mantsy e! dia esorina ny lohany de ny silany roa sisa de lomana citron sira de poivre blanc de aneth de capre,huile d'olive kely mandritry ny ora 1 dia atao ao anaty pyrex de ilay hodiny no aty ambony rehefa avy eo atao ao anaty four mandritry ny 10 min fa ho hitanao fa hahazo fahafinaretana ny lelanao.
Mazotoa ary e!
:-* :-* :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.16