fakam-panahy

21. rzakarivola ( 11/12/2009 15:48)
cutie:

Voalazan'i Ravonjison etsy ambony :

"Hatraiza no fetra hilazana fa ratsy na azo saziana ny fankampanahy iray ? Miankina @ moraly , finoanan ara-pivavahana, kolotsaina, fandrosoana ao @ firenena iray ve izany ?"

ie tena izay mitsy ny tokony entina hijerena azy raha zany :D

==> Raha eto an-tany dia izay tokoa angamba, fa rehefa tonga eo amin'ny fitsaran' Andriamanitra dia ny tenin' Andriamanitra ihany no itsaràna ny tsirairay.
I Jesoa no tenin' Andriamanitra velona.
22. cutie ( 11/12/2009 15:59)
==> Raha eto an-tany dia izay tokoa angamba, fa rehefa tonga eo amin'ny fitsaran' Andriamanitra dia ny tenin' Andriamanitra ihany no itsaràna ny tsirairay.
I Jesoa no tenin' Andriamanitra velona.

fa aiza le fitsaran'atra nga tsy eto an-tany ihany ????
23. rzakarivola ( 11/12/2009 16:04)
[quote=cutie]

Ny fakam-panahy dia tsy fahotana fa ny manantanteraka izany fakam-panahy izany no atao hoe fahotana.Mety mahafantatra isika ary mety tsy nieritreritra ihany koa dia lasa niroboka ary dia niteraka fahotana izany

ie ka eo indrindra manko isika zao. Za koa tsy nieritreritra we fahotana le izy ny sofina havia miteny we fakam-panhy io de ny havanana miteny we non :-D

==> Sofina hoy ianao, i Jesoa miteny hoe "raha ny masonao havanana no mahatonga fahotana ho anao, dia esory hiala @nao izy. Fa tsara kokoa ho anao ny miditra toka-maso any @ fiainana, toy izay manana maso roa nefa hariana any @ helo".

Ilay rohy nomena tetsy ambony nanazava be ny @ fakam-panahy. Ndeha ho raisiko eto izay ventin-kevitra ara-baiboly nolazainy tao :
- Ny fakam-panahy dia izay rehetra mitarika ny olona hanota.
Hoy i Jesoa : "8 Ary raha tonga Izy (ny Fanahy Masina), dia hampiakiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana, ary ny fitsaràna;
9 ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;
10 ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony hianareo;
11 ny fitsarana, satria ny andrianan'izao tontolo izao dia efa voatsara.
"
- Ahoana no atao handresena ny fakam-panahy ? @ Tenin' Andriamanitra sy ny vavaka.
Hoy i Jesoa : "Miambena ka mivavaha mba tsy hidiranareo @ fakam-panahy".
NY @ vavaka dia izao no nambaran'i Jesoa : "Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina ; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao."
Ny @ Tenin' Andriamanitra, izao no voasoratra : "3. Ary, indro, niseho tamin'ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin'i Jesosy.
4. Dia niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.
5. Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
"
Rehefa mamaky Baiboly isika dia miseho amintsika koa ireo telo ireo : Ny Lalàna (Mosesy), ny Mpaminany (Elia) ary ny Filazantsara (manambara an'i Jesoa). Fa amintsika no itenenan' Andriamanitra koa hoe : "Ity no zanako malalako izay sitrako, Izy no henoy". Koa ny Tenin' Andriamanitra dia henontsika @ alalan'i Jesoa, dia ny teniNy.
24. cutie ( 11/12/2009 16:22)
ka ny tsy azoko nge ry rz de nanin no tonga de haiko we tsy mety le saika ataoko???? De nefa refa nandanjalanja ny mety ho vokany tsara na ratsy za de ohatran'ny hitako ndray we tsy tokony ho hisy pble le izy????
25. cutie ( 11/12/2009 16:28)
Ahoana no atao handresena ny fakam-panahy ? @ Tenin' Andriamanitra sy ny vavaka.
Hoy i Jesoa : "Miambena ka mivavaha mba tsy hidiranareo @ fakam-panahy".
NY @ vavaka dia izao no nambaran'i Jesoa : "Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina ; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.

iny ndray alou mazava be ary tsy misy oul tsy hahay an'zay ngamba we zay no tokony atao. :D Raha xstiana le oul :)
I know what to do :)
26. cutie ( 11/12/2009 18:21)
Ny @ Tenin' Andriamanitra, izao no voasoratra : "3. Ary, indro, niseho tamin'ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin'i Jesosy.
4. Dia niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.
5. Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy."
Rehefa mamaky Baiboly isika dia miseho amintsika koa ireo telo ireo : Ny Lalàna (Mosesy), ny Mpaminany (Elia) ary ny Filazantsara (manambara an'i Jesoa). Fa amintsika no itenenan' Andriamanitra koa hoe : "Ity no zanako malalako izay sitrako, Izy no henoy". Koa ny Tenin' Andriamanitra dia henontsika @ alalan'i Jesoa, dia ny teniNy.

hay ..................... :D
27. cutie ( 11/12/2009 18:23)
Sofina hoy ianao, i Jesoa miteny hoe "raha ny masonao havanana no mahatonga fahotana ho anao, dia esory hiala @nao izy. Fa tsara kokoa ho anao ny miditra toka-maso any @ fiainana, toy izay manana maso roa nefa hariana any @ helo"

tsy mazava :roll:
28. fijo ( 11/12/2009 20:48)
avy alaivo fanahy aho e.de hita eo na ratsy na tsara

aiza indray no misy an'izany fitsaran'andriamanitra izany ry rzaka an,tsssss rediredy izany
29. cutie ( 11/12/2009 21:05)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 11-12-2009 21:48:20
Lohateny : Re : fakam-panahy
avy alaivo fanahy aho e.de hita eo na ratsy na tsara

Efa hita fa tsara fa tsy mila alaina fanahy tsony :-D :-D :-D :-D
30. niryna ( 16/12/2009 11:34)
cutie:

Ny fakam-panahy dia tsy fahotana fa ny manantanteraka izany fakam-panahy izany no atao hoe fahotana.Mety mahafantatra isika ary mety tsy nieritreritra ihany koa dia lasa niroboka ary dia niteraka fahotana izany

ie ka eo indrindra manko isika zao. Za koa tsy nieritreritra we fahotana le izy ny sofina havia miteny we fakam-panhy io de ny havanana miteny we non :-D


ny fahotana dia sin
ny fakampanahy dia temptation
raha manao zavatra tsy mifanaraka ny sitrapon'Atra isika dia manota eo anatrehany izany isika ary mety ho fantantsika izany hoy aho na mety tsy ho fantantsika,na mody hodiantsika ho fanina fotsiny
ilay temptation izany dia te hanao zavatra tsy tokony ataontsika isika dia hiroboka ve aho sa tsia,io ilay temptation,niroboka ... dia lasa nanao zavatra tsy tokony nifanaraka ilay tenin'Atra,ary nahafantatra avy eo fa nanota dia lasa mibebaka aminy,eny mety ho ngeza mety ho kely saingy rehefa manota dia manota ary rehefa mibebaka koa dia ho voafafa sy ho tsy ho tsaroan'Atra intsony koa izany na lehibe na kely
tsy niroboka ,nety nivavaka isika hoe Atra o,esory amiko ity fakam-panahy ity dia nahatohitra ilay zavatra izay tsy tokony atao isika.
na dia tsy manao aza isika fa mieritreritra izany any anaty koa dia efa voa koa isika,io ilay feon'ny fieritreretana,mitsiririrtra ao anaty toy ny olona vao mijery lehilahy na vehivavy no tena betsaka(ny vatany dia mitsiriritra any am-po sahady) lust ilay izy ary fahotana ihany koa izany

31. niryna ( 16/12/2009 11:49)
Tsy misy fakam-panahy izay natao tsy ho zakan-tsika hoy ny soratra masina fa na misy aza izany dia mandefa ny fanahy masina izy hiaro antsika.
Dia mety anontany i cutie hoe dia tsy misy fanahy masina avokoa ve izany ireny olona nalaim-panahy ireny?
Izay rehetra mitady Azy dia mitoetra ao aminy tokoa izy satria raha mino ny zanaka izy dia hanana fiainana mandrakizay ary dia hitoetra ao aminy 'ilay fanahy satria ny Zanaka no nangataka io fanahy io tamin'ny rainy.
Inona izany no atao mba ahatohitra ny fakam-panahy?
Mivavaka ,mampiantra ny tenin'Atra amin'ny fiainana ary mianatra ny tenin'Atra mba ho ao am-bava mandrakariva izany ary mangataka ilay Ray izay nanome ny Zanaka mba ho ao amintsika ny fanahiNy
cutie:

Ilaina ihany zany le fakam-panahy raha zany??? :)
hi,hi, aniry loza ve isika cutie a
ny vavaka nampianarin'ny Tompo dia hoe Aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy fa manafaha anay amin'ny ratsy... na do not lead us into temptation but deliver us from evil one noho izany mivavaka mafy isika mba tsy ho voatariky ny fakam-panahy ka anaonao foana zavatra tsy mifanaraka ny sitrapon'Atra,izay no mahatonga antsika mivavaka mila miambina isika,mila fahanana vatsim-panahy isan'andro ny tenantsika mba hatanjaka izy ka ahatohtira ny ratsy mety hitranga amintsika,eny fa na dia tonga amin'izany aza isika dia mibebaka aingana,mivavaka aingana mba ho sasany ny fahotantsika
na mahery ny fanahintsika dia manaraka ny vatana
na mahery ny vatantsika dia manaraka ,malemy fotsiny ilay fanahintsika
Ho azavaiko
Rehefa noana ny vatantsika dia mitady sakafo dia voky
Ny fanahy koa dia toa izany,ilaina vokisana ny tenin'Atra izy mba afaka miambina antsika tsy andeha amin'ny tsy tokony atao na tsy tokony aleha.
Noho ny maha malemy ny fanahintsika anefa dia tsy mahavita izany irery isika raha tsy miaraka amin'ilay Atra ,rehefa miaraka aminy isika dia omeny ilay fanahy masina ary io no mampianatra antsika amin'ny zavatra rehetra ,ny fiainoana ny tenin'Atra toy izao ataontsika ato amin'ny sera izao ka mampiantra izany amin'ny fiainana dia tsy ho very maina fa ahazo tombotsoa tokoa,fahanana ny tenin'Atra izany ny fanahintsika ary ny fianarana izany dia ahafantarantsika be be kokoa ny tokony sy tsy tokony atao ka raha tonga amin'ilay fotoana mety hitranga isika dia ny feon'ny fieritreretana efa mahalala amin'izay hoe tsy mety io dia mijanona


:-* :-*
32. maikha ( 16/12/2009 13:30)
Ireto no ventin-kevitra fohy sady tsotra tokony ho tadidiana :

1/ Ny devoly no mamandrika ny olona na maka fanahy ny olona mba hanota eo anatrhan'Andriamanitra.

2/ Ny olona MIHITSY araky ny filany izany hoe araky ny sitrapony no te-halaim-panahy satria misy antony mampitsiriritra tiany ho azo na tiany ho azy ao hahazoana fahafinaretana na fahafaham-po , eny fa na dia mitondra fahotana handikany ny sitrapon'Andriamnitra aza

Ireo zavatra roa 1/ sy 2/ ireo no nahazo an'i Adama sy Eva , rehefa te handeha irery tsy miaraka amin'Andriamanitra, mitady fahaleovantena kanjo.......LOZA NO AZO.

RAISO izay lesona tokony horaisina fa be izay anatra natao izay an !
33. cutie ( 16/12/2009 21:11)
ny fahotana dia sin
ny fakampanahy dia temptation
raha manao zavatra tsy mifanaraka ny sitrapon'Atra isika dia manota eo anatrehany izany isika ary mety ho fantantsika izany hoy aho na mety tsy ho fantantsika,na mody hodiantsika ho fanina fotsiny
ilay temptation izany dia te hanao zavatra tsy tokony ataontsika isika dia hiroboka ve aho sa tsia,io ilay temptation,niroboka ... dia lasa nanao zavatra tsy tokony nifanaraka ilay tenin'Atra,ary nahafantatra avy eo fa nanota dia lasa mibebaka aminy,eny mety ho ngeza mety ho kely saingy rehefa manota dia manota ary rehefa mibebaka koa dia ho voafafa sy ho tsy ho tsaroan'Atra intsony koa izany na lehibe na kely
tsy niroboka ,nety nivavaka isika hoe Atra o,esory amiko ity fakam-panahy ity dia nahatohitra ilay zavatra izay tsy tokony atao isika.
na dia tsy manao aza isika fa mieritreritra izany any anaty koa dia efa voa koa isika,io ilay feon'ny fieritreretana,mitsiririrtra ao anaty toy ny olona vao mijery lehilahy na vehivavy no tena betsaka(ny vatany dia mitsiriritra any am-po sahady) lust ilay izy ary fahotana ihany koa izany

mazava ny @ iny fa misaotra :D
34. cutie ( 16/12/2009 21:34)
Hoy i cutie:

Ilaina ihany zany le fakam-panahy raha zany???

hi,hi, aniry loza ve isika cutie a
ny vavaka nampianarin'ny Tompo dia hoe Aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy fa manafaha anay amin'ny ratsy... na do not lead us into temptation but deliver us from evil one noho izany mivavaka mafy isika mba tsy ho voatariky ny fakam-panahy ka anaonao foana zavatra tsy mifanaraka ny sitrapon'Atra,izay no mahatonga antsika mivavaka mila miambina isika,mila fahanana vatsim-panahy isan'andro ny tenantsika mba hatanjaka izy ka ahatohtira ny ratsy mety hitranga amintsika,eny fa na dia tonga amin'izany aza isika dia mibebaka aingana,mivavaka aingana mba ho sasany ny fahotantsika
na mahery ny fanahintsika dia manaraka ny vatana
na mahery ny vatantsika dia manaraka ,malemy fotsiny ilay fanahintsika
Ho azavaiko
Rehefa noana ny vatantsika dia mitady sakafo dia voky
Ny fanahy koa dia toa izany,ilaina vokisana ny tenin'Atra izy mba afaka miambina antsika tsy andeha amin'ny tsy tokony atao na tsy tokony aleha.
Noho ny maha malemy ny fanahintsika anefa dia tsy mahavita izany irery isika raha tsy miaraka amin'ilay Atra ,rehefa miaraka aminy isika dia omeny ilay fanahy masina ary io no mampianatra antsika amin'ny zavatra rehetra ,ny fiainoana ny tenin'Atra toy izao ataontsika ato amin'ny sera izao ka mampiantra izany amin'ny fiainana dia tsy ho very maina fa ahazo tombotsoa tokoa,fahanana ny tenin'Atra izany ny fanahintsika ary ny fianarana izany dia ahafantarantsika be be kokoa ny tokony sy tsy tokony atao ka raha tonga amin'ilay fotoana mety hitranga isika dia ny feon'ny fieritreretana efa mahalala amin'izay hoe tsy mety io dia mijanona



ka miloloha lanitra tsy maintsy ho lena ary mandia tany tsy maintsy ho lavo hoy ny fitenena ka zany no antony nilazako we ilaina ihany le fakam-panahy satria raha tsy misy reny ho zava-poana ny fikiranao @ le we do not lead us into temptation, ny fanoherana an'le temptation no zava-dehibe ngamba fa tsy ny filazana we ilaina na tsy ilaina le izy. Tsy anjarantsika ny mamaritra an'zay satria tsy afaka manoatra isika manoloana ny lalan'ny natiora sy ny fiainana @ ankapobeny :D
35. cutie ( 16/12/2009 21:35)
. Mpandefa : maikha [ Valio ] 16-12-2009 14:30:11
Lohateny : Re : fakam-panahy
Ireto no ventin-kevitra fohy sady tsotra tokony ho tadidiana :

1/ Ny devoly no mamandrika ny olona na maka fanahy ny olona mba hanota eo anatrhan'Andriamanitra.

2/ Ny olona MIHITSY araky ny filany izany hoe araky ny sitrapony no te-halaim-panahy satria misy antony mampitsiriritra tiany ho azo na tiany ho azy ao hahazoana fahafinaretana na fahafaham-po , eny fa na dia mitondra fahotana handikany ny sitrapon'Andriamnitra aza

Ireo zavatra roa 1/ sy 2/ ireo no nahazo an'i Adama sy Eva , rehefa te handeha irery tsy miaraka amin'Andriamanitra, mitady fahaleovantena kanjo.......LOZA NO AZO.

RAISO izay lesona tokony horaisina fa be izay anatra natao izay an !

mamime kely le izy a :-D
36. fijo ( 16/12/2009 21:47)
hihihih kyyyyy de tsy misy haka fanahy indray aho izany le,hitondrana toaka kely fotsiny anie e
37. cutie ( 16/12/2009 21:51)
ka efa azoko ny fanahin'i fijo koa :-D :-D :-D ka in ndray
38. fijo ( 16/12/2009 21:52)
ahannnn za nefa mba miandry toaka kely faran'ny taona ko
39. cutie ( 16/12/2009 21:54)
ndraso fa alefako any e :-D
40. fijo ( 16/12/2009 21:57)
izay ahay,mba fakambavony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0543